Toko faha 9

1 Hoy izy tamndreo hoe: " lazaiko aminareo marigny tokoa fa misy aminareo izay mitsanga etoa gne tsy agnandra izà fahafatesa zà alohanè gne ahitandreo gne fanjakan'Andriamanitra izay ho avy tamigne hery zakabe. 2 Enina andro taty afara, da netin'i Jesosy niaraky taminazy i Petera sy zakoba ary Jaona tegny ambonine vohitra avobe, indreo evao gne tagny. Avy teo da niova tarehy tagnatrehandreo teo Izy. 3 Gne fitafiny niova namitapiratry sady mazava fotsy be, fotsy mihoatry gne raha nampamotsy tambonine tany tetoa. 4 Avy teo i Elia sy Mosesy niboda tamindreo ary da nizaka Jesosy aby indreo tamiza. 5 I Petera namaly da nizaka tamin'i Jesosy oe: " Raby ô !, tsara raha mipetraky etoa itsika, alasika agnano tragno kidy, gne raiky home anao, gne raiky koa an'i Mosesy ary gne raiky farany an'i Elia". 6 (Fa tsy fatany e tokotry ho rohoniny satria natahatry mafy endreo) 7 Nisy rahogny avy da nandrakotry endreo. Ary nisy feo re avy tagnatine raohgny magnano oe: " Ity gna zanako tiako. Tenomo izy. 8 Tselatsela teo raha nagnety gne magnodidy indreo da tsy nahita nizaniza esanaky, afa-tsy Jesosy raiky evao. 9 Raha nidigny avy tame vohitry indreo , da nofeperany mafy mba tsy hizaka nizaniza gne raha hitandreo, raha tsy efa mitsanga ame maty gne zanak'olo. 10 Ka da notanandreo ho andreo iza tsambaratelo za, kanefa nifagnotany indreo gne mety ho dikan'iza " fitsangana ame maty" iza. 11 Nagnontany enazy indreo oe: "nagnino ireo mpanora-dalana gne magnambara fa tsy maintsy hoavy aloha Elia ? 12 Da hoy izy tamindreo oe: " efa avy voalohany i Elia hagnarigny gne raha aby. Da ino e nahavoasoratry fa gne zanak'olo da hijaly dato ame raha maro ary hoanihy akoigne olo tsy misy dikany ?. 13 Nefa da zakaiko aminareo fa da efa avy i Elia, ary nanin'olo tame mahafa-po gne fony, araky gn'efa voasoratre soratra nmasina mikasiky enazy". 14 Rehefa nipody tame mpianatry indreo da nahita vahoky marobe nagnodidy andreo ary gne mpanora-dalana niady hevitry taminazy. 15 Raha vao nahita an'i Jesosy indreo da nikaperatry gne vahoky aby ary raha igny niazakazaka nagnato Enazy igny indreo da nagnotsafy enazy. 16 Nagnontany gne mpianatriny izy oe: "mikasiky gn'ino gnedianareo hevitry aminio ?". 17 Ary nisy raiky tamigne vahoky namaly enazy oe " ô Ramose, nindesiko etoa aminao gne zanako lelah. Misy fagna ratsy tsy mampizaka anazy io. 18 Misambotry anazy io ka mampiofokofoky anazy ary mandoa rivo izy, mampiady nify, ary da lasa mieziky aby izy. Nangataky tame mpianatrao iah mba hangala an'iza aminazy, kanefa da tsy vitandreo nda. 19 Ary namaly enah indreo oe: " Hoanareo kitro ame zafy tsy mino, mandra-pahovia gne hipetrahako etoa aminareo?. Mandra-pahovia gne andeferako aminareo ? Indeso amna aty izy". 20 Ary nindesy taminazy teo io zazalah io, ary raha nahita an'i Jesosy gne fagna ratsy da nampifandrorindroritry gnain'io zazalah io. Lavo tame tany io zazalah io ary feno rivo gne vavany. 21 Jesosy nagnontany en'iabany oe: "Ovia gne nampagnanao akoinio enazy ?". Da oy iabany se: "Efa hatrame fahazazany". 22 Indraindraiky io fagna ratsy io nandavo enazy tagnatine gn'afo na tagnatine rano ary saiky amotiky enazy. Raha mahay magnano gne raha aby enao da mamonjeha anay ary ampio iahay. 23 I Jesosy nizaka taminazy oe: " raha mahay enao ? 24 Gne raha aby da hainigne mino. Da niaraka tamizà iabane zaza ary da nizaka mafy oe: "mino iah. Ampio iah gname tsy finoako". 25 Rehefa hitan'i Jesosy gne vahoky niazakazaky nagnato endreo, da nozakainy mafy gne fagna ratsy ary nagnano oe : " ô fagna moa sy maregny, mandidy enao ia, melà aminazy ary ka mipody aminazy esanaky". 26 Nitatatata mafy iza ka nampifanitosito be enio zazalah io ary avy teo da niala taminazy iza. Akoigne olo maty io ilay zazalah, ka maro gne nizaka oe: "maty izy". 27 Fa Jesosy nandray enazy tame tagnany ka nampidoboky enazy, da nitsanga gne zazalah. 28 Ary rehefa netsoky tandragno i Jesosy, da nagnontany manokagny enazy e mpianatriny oe: " nagnino gne tsy nahavarôky gne fagna ratsy. 29 Oy izy tamindreo se: gne mitovy aminio da tsy afaky alah laha tsy ame gnalalane vavaky evao. 30 Niala teo indreo ary nandalo tagny Galilia. Tsy tiany hofatan'iza n'iza oe taia indreo 31 fa mampianatry gne mpianatriny izy. Oy izy tamindreo se: "Gne zanakolo da home gnolo ka hovonindreo Izy. Ary rehefa maty Izy da hitsnga ame maty indray afaky telo andro." 32 Fa tsy takatrindreo io fagnambara io, ary nalia indreo agnontany enazy. 33 Rehefa avy teo da tonga tao Kapernaomy indreo. Rehefa avy niditry tao andragno Izy da nagnontany enazy indreo oe: " ino e raha nifampizakandreo tandala ?". 34 Fa nisihy indreo satria efa niady hevitry tandala gname tena zakabe. 35 Nodoboky, da nangaiky endreo roambinifolo lah niaraky Izy ary da nizaka tamindreo: " raha misy ta ho voalohany da tsy maintsy farany ame rehetra ary da ho mpanompone daolobe." 36 Nangala zazakidy raiky izy ary nampetrany tategnategnandreo. Notrotroiny tame gnainy izy ary nizaka tamindreo oe: " 37 N'iza n'iza mandray gne zaza akoitoa ame gnagnarako, da mandray ena koa ary raha misy mandray ena, da tsy mandray ena raiky fotsiny izy, gne nagniraky ena evakoa." 38 Oy Jaona taminazy se: " ô Ramose, nahita olo namoky devoly tamigne agnaranao iahay ary nosakagnanay izy, satria tsy manaraky etsika". 39 Fa oy Jesosy tamindreo oe: "ka mandrara anazy, fa tsy misy olo agnano asa zakabe amigne agnarako nefa tselatsela tafaran'iza da hizaka raha ratsy mikasiky ena. 40 N'iza n'iza tsy mandà atsika da momba atsika. 41 N'iza n'iza magnome rano enao tapake boly hondranomy, satria an'i Kristy enao, da zakaiko aminao marigny dato fa tsy ho diso anjara izy. 42 Fa n'iza n'iza nahasositry gne raiky aminareo kidikidy mino enah reo da tsara ho anazy gne agnatogna vato zakabe fikosoam-bary mifehy eo ame vozony ka halatsaky agny andranomasina. 43 Raha gne tagnanao gne minday enao ame fahota da tapay agny. Fa tsara ho anao e miditry ho kilemay agny ame fiaina toy izay mana tagna roy nefa handeha agny ame gnafobe, izay afo tsy maty vonoy. 44 [ Fagnamaria: e fandika tsara indrindra da tsy magnisy e fehezan-teny ao amigne andininy faha 44 sy 46 oe: "izay tsy maty mihitsy e hàka ndreo ary gnafo tsy ho faty mandrakizay."] 45 Raha gne tombonao gne manahira anao, tapay agny iza. Tsaratsara kokoa aminao gne miditry mandringa any ame fiana nohone mana tomboky roy ary aria ame gnafobe. 46 [Hiteo gne fagnamaria eo ame gnandininy faha 44]. 47 Raha gne masonao gne manahira anao , da alay iala agny izy. Tsara aminao gne miditry e fanjakane Zagnahary miaraky ame maso toka toy izay maso roy ka hoaria agny ame gnafobe, 48 agny ame toera izay tsy mahafaty gne hakandreo ary gne afo tsy maty vonoy. 49 Fa gnolo aby da samby voasira ame gnafo. 50 Tsara gne sira, fa raha gne sira gne lasa matsatso, akoingaia gne ahafahanao mahamasy anazy koa? Hisio sira gnao aminareo ary mihavana ame tsikiraikiraiky aby.