Toko faha 8

1 Tamiza andro za, da nisy olo marobe teo, ary tsy nanasakafo hoanina. Da nangaiky e mpianatr'i Jesosy ka nizaka tamindreo hoe: '' 2 Mampalahelo anahy itoa olo itoa, satria efa telo andro indreo e nanohy magnaraky anahy ka tsy manasakafo. 3 Raha ampandeanako any andragnon'ny tsy misy sakafo. Da mety ho mimia andala. Ny sasany amindreo da avy any tana-lavitra. 4 Namaly andreo mpianatra ao hoe : '' Aiza no hahazoantsika mofo ampy hahavoky an'itoa vahoaka itoa, ety an-tany tsy misy akohoizao? 5 Nagnotany andreo izy hoe : ''Firy e mofo anagnanareo?'' Hoy indreo ''Fito''. 6 Nibaiko ny olona mba hipetraka amin'ny tany izy. Nalainy e mofo fito, da nivavaka izy, ary nanapaka indreo. Nomen'ny ny mpianatrin'ny izany ma ho zaraina ame vahoaka ary navelandreo teo anatrehan'ny vahoaka izany. 7 Ary mbola nanana vily kidy koa indreo, ka rehefa avy nivavaka andreo izy, da nibaiko andreo mpianatran'ny mba hagnome an'izany koa izy. 8 Da nihina indreo da voky, ary nalaindreo ny sisasisa tavela, ka nahafeno aro fito zakabe. 9 Eo eo eho efatra arivo eho e olo tamin'izany. Aveo da nampandehanany mody indreo. 10 Avy da nimpitiky tamin'ny sambokidy niaraka tame mpianatrin'izy, ary nandeha agny ame faritra Dalmanota indreo. 11 Da nizotso ireo fariseo ary nanomboka ny nama taminy. Mitadia fahafatarana avy any an-danitra tamindreo, mba hitsapaha andreo. 12 Nisento laly ame fagnahany izy ary nizaka hoe : '' Nagnino toa mitady famantara ity taranaka ity.'' 13 Avy eo da niala an'izany indreo, nipitiky ame sambo indraiky koa, ary niala lavitra ho eny ampita. 14 Ary adignon'ny mpianatra e ninday mofo niaraka tamindreo. Tsy nanana mihoatra e raiky indreo tao agnaty sambo. 15 Da nampitandrina andreo izy ka nizaka hoe : '' Miambena ary mitandrema ame ahafatsehandreo fariseo sy ny ahafetsehan'i Heroda anareo.'' 16 Da nifagnotany tegna e mpianatra hoe : '' noho itsika tsy mana mofo iza.'' 17 Fantatr'i Jesosy iza ary hoy izy tamindreo hoe : '' nahoa no ame tsy fanagna mofo e fisainanareo.'' Mbola tsy azonareo sa? Mbola tsy takatranareo sa? Nanjary bado e fonareo sa? 18 Mana maso anareo sa, fa tsy mahita sa? Manan-sofy anareo, fa tsy mahare sa? Tsy tadidinareo sa? 19 Rehefa nanapaka e mofo dimy ho an'ny dimy arivo iaho, da aro feno tsikidikidy mofo e nalagnonareo?'' Hoy indreo taminy hoe : '' Roambinifolo '' 20 Rehefa nanapaka e mofo fito ho ane olo efatr'arivo iaho, firy aro e ambiny nalagnonareo?'' Hoy indreo taminy se : '' Fito ''. 21 Ary hoy izy koa se '' Mbola tsy takatranareo koa sa?'' 22 Avy tagny Betsaida indreo. Ary nisy zamba raiky netin'olo taminazy ary niangavindreo i Jesosy mba hikasika anazy. 23 Nindesin'i Jesosy tame tagnany e jamba ary nitarika azy izotso e tana. Rehefa nandrora teo ame masony izy ary nametraka e tagnany teo aminy. Da nagnotany azy izy hoe : '' Mahita raha anao sa?'' 24 Da nitroatra izy, ka nizaka hoe : '' Mahita olo mitovy ame hazo mandehandeha iaho.'' 25 Napetrakan'i Jesosy teo ame masony indraiky e tagnany, ary nahita masony raha lehilahy, da niverigny tame laoniny e fahitany, ary nahita mazava tsara e raha aby izy. 26 Da nampandeanin'i Jesosy mody izy ary nozakainy hoe : '' Ka miditra ao an-tana.'' 27 Nandeha nijotso i Jesosy sy e mpianatrin'ny agny ame tanan'i Kaisaria Filipo. Egny an-dala da nagnotan'ny andreo mpianatrin'izy hoe : '' Hoanin'olo ho aia iaha sa?'' 28 Namaly anazy indreo ka nizaka hoe : '' Jaona mpagnano batisa. E! Hafaka mizaka hoe : '' Elia, ary e hafa hoe : raiky aminareo mpaminagny.'' 29 Nagnotany andreo izy hoe : '' Fa anareo sa magnano anaha aniza?'' Da namaly azy i Petera hoe : ''Anao i Kristy.'' 30 Nampitandrina andreo i Jesosy tsy hizaka e momba azy na amin'iza na amin'iza. 31 Nanomboka nampianatra andreo izy fa tsy maintsy hijaly e zanak'olo, ary tsy hekeny loholona sy ireo lohan'ny mpisorona ary mpanoratra lalàna, ary ho vanoy, ka hitsanga ame maty afaka telo andro. 32 Nozakainy mazava tsara izany. Avy teo da nangian'i Petera nangingihy i Jesosy ka nanomboka nizaka mafy anazy. 33 Nefa nitodika i Jesosy da nagnety ireo mpianatrin'ny ary avy eo da nizaka mafy an'i Petera ka nagnano hoe : '' Misihitaha lavitry anahy agny, e satana! tsy mba mandinika e rahan' Andriamanitra anao, fa e raha nolo''. 34 Avy teo da nangaiky e vahoaka sy e mpianatrin'ny niaraka izy, ary hoy izy tamindreo hoe : ''Raha misy tia agnaraky anahy, da tsy maintsy mandà e! tegnany izy, mangala e! hazo fijalia, ary magnaraka anahy! 35 Na iza na iza tia hamonjy e ainy hahavery izany, ary izay mahavery e ainy mihoatra e aminahy sy e filazatsara, da hahavonjy izany. 36 Fa ino anefa e tombotsoa azogne olo raiky, raha mahazo an'izao tontolo izao, ary avy teo da very e ahigny? 37 Ino e afaka ome e olo raiky ho takalogne ainy? 38 Na iza na iza megnatra anahy sy e zakako eto amitoa taranaka mijangajanga sy magnota itiky, da ho megnatry anazy koa e zanak'olo rehetra avy ao ame voninahitrin'ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masina izy.''