Toko faha 7

1 Gne Fariseo sy gne mpanoradalana sasany avy agny Jerosalema nivory nagnodidy azy. 2 ka hitandreo gne mpianatry sasany nihina mofo tame tagna maloto tsy vosasa. 3 (Fa gne fariseo sy gne Jiosy da tsy mba mihina-kany raha tsy avy manasa tagna satria magnaratsy gne fombafomban'gne loholona avy aminazy). 4 Ary rehefa miverigny avy agny e bezara gne Fariseo, tsy mihina raha tsy agnyavy mandro ary da mitandrigny mafy gne fomba maro tsy gne fanasa kapoky sy gne fagnasagny gne fanaky ary indrindra gne fatoriandreo . 5 Rehefa izany, gne Fariseo sy gne Mpanoradalana nametraky fagnotania tamin'i Jesosy. Hoy reo: "Fa nagnino gne mpianatrao tsy magnaraky gne fombandreo lohologny fa mihina ame tagna maloto". 6 Da hoy i Jesosy namaly: " efa fantatr' i Isaia tamè faminaniany gne momba anareo mpitsaravelatsihy". hoy izy tam'izany "misy vahoaka magnaza anà amin' gne molotry , fa gne fony lavitry anà. 7 Rava gne fivavaha homen-dreo anà raha mampianatry gne didy na gne fitsipiky maha olo ho fampianaragny indreo. 8 Apetrainareo gne didin' Andriamanitry ka tazomo mafy gne fomban'olombelo. 9 " Ary da mbola nagnamafy i Jesosy tamindreo hoe: " Akory gne fagnarianareo gne didin'Andriamanitry mba hagnazanareo gne fomban-drazanareo ! 10 Da hoy Mosesy namaly hoe: " hajao i abanareo amy endrinareo ary izay magnopa an'i abany sy endriny da ho faty izy. " 11 Kanefa hoy anareo mizaka hoe : " Raha misy lehilahy mizaka an'i abany sy endriny hoe ndre ino na ino tianareo ho azo amina da efa korbana (na hoe efa nomen'Andremanitra ) mialoha 12 da tsy ho ekenareo agnano na ino amin'ny abany amin'i endriny hoe izy. 13 Noho izany nofagnanareo gne zakan'Andremanitry oho nge fombandrazanareo. Ary da maro gne raha mitovy amin'izany nataonareo. " 14 Da mbola nangaiky fagnindroany gne vahoaka i Mosesy ka nizaka hoe : Mitenoma ana aby anareo ary fantaro gne raha rohoniko. 15 Tsy misy loto avy ambadiky afaky mandoto gn' olo ndre da miditry ao agnatin'olo. Fa gne tena marigny, izay mizotso avy agnatin' olo gne matetiky mandoto azy. 16 "[ Fa gne fandika tsara inddrindra da tsy mandika gne andininy faha 16. Fa raha misy mana sofy iaianoa, aoka izy iteno ]. 17 Rehefa niala teo ame vahoaky i Jesosy, da nagnotany gne mpianatriny rehefa nitsoky andragno izy, mikasiky gne fagnohara nampiasainy tagny am-boalohany. 18 Da hoy i Jesosy namaly hoe : " da mbola bado ve anareo? Tsy fantatrareo fa izay miditry agnatin'olo avy iveleny da tsy hapalato azy mihintsy 19 satria tsy ame fony gne hidiran'izany fa ame trokony ka mizotso ame fangiriany? Izany gne fagnambaran'i Jesosy iazany gne nahatonga gne sakafo rehetra nadio. 20 Da hoy izy avy eo : " Izay mizotso avy agnaty gne mandoto gn'olo" 21 Gne tsivadivady, gn'alatry, gne famonoa, 22 gne fivarota tegna, gne fangniria, gne fengoa ,gne felogna ,gn'avandesa, gne avognavo ,gne amolà da avy agnatin'olo aby Ary da tena avy ampony ,izay avy ame saindratsy. 23 Izay aby gne loto mijotso avy agnatin'olo ka mandoto anazy. 24 Raha vita izany , da niala teo i Jesosy ka nandeha nitety gne faritry Tyroy sy Sidona. Tafaran' izay ,da nisy viavy avy teo naharè 25 fa avy i Jesosy, ka nitondra gne zanany viavy nidiran' gne devoly; rehefa avy teo izy da nandohaliky tamè tomboky Jesosy . 26 Fantany tsara fa Grika io viavy io, Syro-foinika gne tany feviany. Arak'izay da nangataky tamin'i Jesosy ity viavy ity mba havôky Demony gne zanany viavy. 27 Hoy i Jesosy namaly an' io viavy io hoe: " Omeo sakafo aloha gne zaza satria fady gne mangala gne mofon-daja ka magnome izany ho an' gn'amboa. " 28 Kanefa namaly an'i Jesosy ity viavy ity nizaka hoe "Tompo ô, ekeko gne zakanao, kanefa ndre gn'amboa aza da mbola mihina gne poti-mofon-daza ambany latabatry . 29 Da hoy i Jesosy tam' raviavy " Noho izany zakanao izany, mandehana mandeha fa efa niala tamè zanakao gne demony . " 30 Ary rehefa niverigny tagny aminazy raviavy da nahita gne zanany natory teo ambony kitrara izay efa tsy misy demony koa. 31 Rehefa vita zay, niala tao Tyro i Jesosy ka namakivaky gne faritry Sidona, nandalo gne sisinn'taniny Galilia ary avy eo niakatry nitety gne faritry ny Dekapolisy. 32 Tafaran'izany , nisy olo raiky noetindreo teo akatrefan'i Jesosy ary nangatahandreo mafy da mafy tamin'azy mba hametraha tagna satria maregny sady moa . 33 Tamin'izany , noentin'i Jesosy nijotso niala gn' olo maro ity lehilahy ity ary nametrahany tagna tamè sofiny , raha avy nandrora ity lehilahy ity , da nokitihiny gne faritry teo ame lelany . 34 Raha vita izany da niandra gne lagnitry i Jesosy nitalao tame Zagnahary nizaka hoe "Efata" na hoe "maladia " 35 Tselasela teo , sitragny gne sofiny ary nahay nizaka mazava tsara izy. 36 Noraràn'i Jesosy mafy da mafy indreo mba tsy hizakazaka na ino na ino. Kanefa vao maiky nagnely gne lazan'i Jesosy ireo ndre da efa norarà mafy aza. 37 kaperatry tamin'izany gn'olo ka vaky zaka hoe: " Ainao sady efanao gne raha aby. Nampizaka gne moa ary da naniano mahare koa gne marègny".