toko faha 10

1 Niala tamin'izanytoerana izany da nandeha tame faritry Jodia sy tagny ame faritry ambanin'e reniranon'ny Jordana, da nandeha koa tame vahoaky, Da araky gne mahazatry Enazy,da mampianatry endreo izy. 2 Da nagnotany Enazy gne Fariseo mba itsapa Enazy da nagntany hoe: "Aradalagny ho ane lehilahy avao gne misaraky ame vadiny? 3 Da namaly izy hoe: " Ino gne nibekoan'i Mosesy anareo?" 4 Da hoy indreo hoe: I Mosesy da nagnome alalagny e lehilahy raiky ame fisaraham-panambadia sady mandroaky anazy avy eo. 5 Hoy jesosy tamindreo: "Nohon'ny hamafisany gne fonareo gne nanoratany izany lalàna izany." 6 Fa tame voalohany namorognan'e Zagnahary nagnambotry endreo ho lahy da vavy. 7 Ame gnanton'izany da elany i abany sy endriny gne lehilahy mitambatry ame vadiny izy, 8 da mitovy hanjary olo raiky izindroy. Ka tsy ho roy koa indreo, fa hanjary olo raiky. 9 Ka izay natambatre Zagnahary,da ôka tsy ho sarahiny gne olombelo." 10 Ary raha tao andragno indreo,da mbola nagnotany mikasiky enigny koa gne mpianatry. 11 Hoy izy tamindreo hoe:"Ndre ia ndre ia lehilahy misaraky ame vadiny ka magnakatry viavy hafa da mijangajanga izy. 12 Raha misaraky ame vadiny gne viavy ka manambady lehilahy hafa, da mijanagajanga izy." 13 Avy eo indreo da ninday gne zanandreo teo amin'Azy mba hametrahany tagna, fa novignirany gne mpianatriny indreo." 14 Fa tsikaritry i Jesosy igny raha igny, da vignitry mafy izy da nojakainy indreo hoe: " Avelay gne zaza hagnato Enahy, sady ka rara indreo , fa gne fanjakan'Andriamanitra da andreo sady mitovy amindreo. 15 Zakaiko aminareo marina dato ,ndre ia ndre ia ts mandray gne fanjakanan'Andriamanitra mitovay ame zaza madiniky, da tsy hiditry amizany koa . 16 Avy teo da notrotroiny ireo zaza madiniky ireo da notsofiny rano sady nametrahany tagna. 17 Ary raha nanomboky nandeha izy, da nisy lehilahy nihazakazaky da nandohaliky teo agnatrehany, ary nagnotany hoe:" Ry mpampianatry tsara , ino gne tsy maintsy amboariko mba handovako gne fiaigna mandrakizay?" 18 I Jesosy namaly hoe:" Nagnino angianao hoe tsara aho? Tsy misy tsara raha tsy gne Zagnahary raiky avao. 19 Fatanao gne didy hoe :" Ka mamono olo, ka mijangajanga, ka mangalatry, ka mitsanga ho vavolombelo tsy maigny, ka mamitaky, hajay i abanao sy endrinao." 20 Da hoy igny lehilahy igny se:" Mpampianatra ô, mbola tanora iaho da efa nariako agnaby io:" 21 Nagnety anazy Jesosy sady tia anazy. Da hoy Izy taminazy se: Misy raha raiky tsy ampy aminao. Tsy maintsy avidinao agnaby gne fanagnanao da zaray ame tsy mana, da hanagny haregny agny andagnitry anao. Da aviteo magnaraha Enahy. 22 Fa tame fizakany anizany da nalahelo izy sady nalazo gne niala teo, satria manandraha be izy. 23 Nagnety gne manodidigny Enazy Jesosy sady nizaka tamempianatriny hoe: "Tena sarotray ame mpagnarivo be gne miditra fanjakan'Anandriamanitra!" 24 Da gaga tame zakany gne mpianatry. Da hoy koa i Jesosy tamindreo hoe: " Anaky, sarotry gne fidirany ame fanjakan'Andriamanitra! 25 Da mbola mora ame rameva gne miditry ame vodim-panjaitry toy izay gn'itsofohany mpagnarivo ame fanjakan'Andriamanitra." 26 Da mbola gaga koa gne mpianatry da nifagnotany indreo hoe: " Ia izany gne ho vovonjy ? 27 " Nagnety endreo i Jesosy da hoy izy hoe:" Tsy vitany gne olo izany fa vitany gne Zagnahary. Satria gne raha agnaby da hain'Andriamanitry amboary. 28 Da nanomboky nizaka Taminazy i Petera hoe: " Iteo , iay toa nahafoy gne rehetra mikasiky anay da nagnaraky Enao." 29 Da hoy Jesosy:" Zakaiko marina aminareo, tsy misy olo nametraky gne tragnony, na gne rahalahiny, na gne rahavaviny, na i abana, na i endriny, na gne zanany, na gne taniny noho gne aminahy sy gne filazantsara, 30 da tsy maintsy mitombo injato gne raha azony amin'izao andro iaignatsika izao: da tragno, rahalahy, rahavay, ren, zanaka, sy tany, miaraka ame fagnenjeha, ary ame taonjato magnaraky, da fiainagny mandrakizay. 31 Fa maro gne voalohany nivadiky ame farany, da gne farany nivadiky voalotany." 32 Tegny andalagny indreo, hiakatry hegna Jerosalema, da i Jesosy gne nitaridala endreo. Gaga gne mpianatra, Da gne mpianatry nagnaraky Enazy tafara da natahotry. Nangian'i Jesosy indreo roambifolo lahy da nanomboky nizaka gne raha hahazo Enazy lahateo, izay efa tsy ho ela koa Izy." 33 Iteo, miakatry ho agny Jerosalema isika io, ary gne zanak'olo da hatolotry gne mpisoronabe sy gne mpanora-dalàna. Ho melohindreo ho faty Izy da homeny gne jentilisa. 34 Indreo da hagnaratsy Enazy, handrora Enzy, hamango fiky Enazy, sy hanampitry gnainy. Fa afaky telo andro da hitsanga ame maty Izy. 35 Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nagnotany Enazy da nizaka hoe:" Ramose ô, da tianay raha amboarinao agnaby gne raha angatahinay aminao." 36 Da hoy Izy tamindreo hoe:" Ino gne tianareo hamboariko aminareo?" 37 Da hoy indreo hoe:" Avelao iay hiara-miperaka aminao miaraky ame voninahitrao,ka gne raiky ame tagna ankavananao, da gne raiky ame tagna akavianao." 38 Fa Jesosy namaly endreo hoe:"Tsy fantatrareo gneraha angatahianareo. Enareo me afaka misotro ame kapôky avy nindranomako na hiaritry hamboary batisa ame hagnamboara batisa Enahy?" 39 Hoy indreo Tamanazy hoe:" Vitanay izany." Nizaka tamindreo i Jesosy hoe: " Nge kalisy izay hindranomako, da hindranomanareo, da ame hagnamboara batisa Enahy gnehambora batisa anareo koa. 40 Fa gne midoboky eo ame tagna akavanako na ame akaviako kosa da tsy miankigny Aminahy, fa izany hondreo nagnomagna enazy izany." 41 Raha nahare gne mikasika anizany gne mpianatry folo hafa, da nanomboky vignitry tanteraky tamy Jakoba sy Jaona. Nangian'i 42 Jesosy hagnato Enazy indreo da nizakany hoe:" Fantarareo fa endreo izay eritreretigny ho mpanampaky gne jentilisa da mampanompo endreo,da gne lehibe mpifehy endreo da magnampatray fahefa amindreo. 43 Fa tsy tokony ho akoizay gne aminareo. Ndre ia ndre ia gne magniry teho zakabe aminareo da ôka izy ho andevonareo, 44 ary ndre ia ndre ia te ho voalohany aminareo da ôka izy ho andevonareo agnaby. 45 Fa gne Zanak'Olo tsy tompoy fa hanompo, sy hagnome gne Ainy ho takalony gne ainy gne maro. 46 Avy tao Jeriko endreo. Raha nizotso gne tanà niaraky tamae mpianatry sy gne vahoaka marobe Izy, gne zanak'i Timeo, Bartelemeo, izay mpangataky sady jamba, nipetraky tamoron-dala. 47 Raha nahare izy fa i Jesosy avy tagny Nazareta izany, da nanomboky nitoreo mafy izy sady nizaka hoe: " ô Jesosy zanak' i Davida, mamindra fo aminahy!" 48 Maro gne nitrerogny gne jamba, nizaka enazy mba hangy. Da vao maiky nangaiky mafy:" ô zanak'i Davida , mamindra fo aminahy!" 49 Nijery Jesosy sady nampangaiky enezy. Nangiandreo igny jamba igny, sady nozakainy hoe:" Mahereza! mitsangana! Mangaiky enao Izy." 50 Nariany gnelambany, sady nitsanga,ka nandeha amy Jesosy izy. 51 Da namaly anazy i Jesosy sady nizaka hoe: " Ino gne tianao hamboariko aminao?" Da hoy gne lehilahy jamba hoe:" Raby ô, te-hahita iao." 52 Da hoy Jesosy taminazy hoe:" Mandehana. Ny gne nahavonjy anao." Da nahita niaraky tamizay gne masony, da nagnaraky an'i Jesosy tegny andala izy.