Toko faha 14

1 Tamin'izany, roy andro talohane fankalazà gne Paska sy gne mofo tsy misy karbonaty. Nitady fomba sy fika hamonoa an'i jesosy gne mpanoradalàna sy gne loholona tame fomba milamy sy mangy. 2 Hoy indreo hoe: "aleo tsy vonitsika am'gnandro fety, sao mimenimeny gn'olo". 3 Sendra t' andragnon' i pSimona boka i Jesosy tao Betania, raha nipetraky teo ambony latabatra igny izy, nisy viavy raiky nitsoky nitondra tavoangy nisy menaky magnitry lafo vidy izay fantatry am' gnagnara hoe narda na menaky tsy mifangaro. 4 Novakin'ity viavy ity gne tavoangy ka nararakiny teo ame lohany jesosy gne menaky. Hoy gne mpanoradalana nifampiresaky hoe: "Ino gnanton'ity fandanindania fahatany 'ty? 5 Ity menaky magnitry ity, raha navidy da nihôtry gne vola telon-jato gne vidiny, da afaky nomè gne sahira. Raha vita izany, novignirandreo mafy ity viavy ity. 6 Kanefa hoy i jesosy namaly andreo hoe: " Apetraonareo izy agnano an'izay ataony. Nagnino anareo magnano an'zay mampalahelo an'azy?" Tsy fantatrareo fa Raha tsara gne vitany tamko. 7 Ambarako anareo fa gne sahira da eo aminareo mandrakizay ary da afaky magnasoa andreo anareo; fa Iaho kosa tsy ho eo aminareo mandrakizay. 8 Nagnano an'zay azony atao izy tamnà: nagnositry menaky enà izy ho marikè fandevegna anà. 9 Ambarako aminareo etoa manomboka androany fa ndre ia ndre ia hitory gne baiboly eran'izao tontolo 'zao, da tsy maintsy hizaka gne nanin'ity viavy ity izy ho fahatsiarova azy". 10 Tsitapitapitry izay, avy i Jodasy Iskariota, mpianatry jesosy, raiky tamè roambinifolo lahy, nandeha tsy nangatak'andro tam'reo lohandohan'gne mpisorona hagnambara gne fika hamonoa an'i jesosy. 11 Faly da faly ireo lohandohan'gne mpisorona raha vao naharè izany ary da nampagnategna vola telopolo an'i jodasy. Nanomboky teo izy da nitady gne fomba hanolora an'i jesosy am'reo mpanoradalana. 12 Tam'gnandro vohaloany amè fihinana gne mofo tsy mavay,raha nagnano soro gne ondrin' Paska igny, hoy ireo mpianatry tam' jesosy hoe: " Aia gne tiànao andrahoanay gne sakafo mba hinànanao gne sakafon'gne paska?" 13 Nirahany gne roy tam'reo mpianatriny ka nafarany hoe:" Mekara agny atanà anareo, misy olo mitondra signy mifanendriky amnareo agny. Arahonareo izy. 14 Izay tragno hidirany gne hidiranareo koa, ary hangnotanio gne tompontragno hidiranareo hoe:" Hoy gne Mpampianatry hoe: 'Aia gne toera fandraisam-bahiny atoa afahako miara mihina gne sakafon'Paka miaraka ame mpianatro?" 15 Raha avy ao anareo, ambarany anareo gn' efitragno ambony 'zay misy fitaova efa vita karakara. Ao anareo magnano gne fiomana rehetra ho antsika am'Paka". 16 Lasa tokôtry gne mpianatry ary da avy sosa ama-tsara tagny an-tanà. Raha tao ireo, da tanteraky arak' e nambaran'i jesosy gne raha niseho tao, ka afaka nagnomana gne sakafon' ny Paska ireo. 17 Fa noho gn' hariva gn' andro, avy niaraky tamin' roambinifolo lahy izy. 18 Rehefa nipetraky sy nisakafo teo ambony latabatra ireo, nizaka i jesosy hoe:" ambarako anareo mazava fa raiky aminareo magnety enà io da hamadika ahy". 19 Nalaelo gne mpianatra raha nahare izany ka nizaka tsiraikiraiky tamnazy hoe": Tsy gne tegnako 'zany Tompo?" 20 Namaly i jesosy hoe:" Gne raiky aminareo roambinifolo lahy hamadiky ahy, izay miara- magnazoboky amina gne mofo agnaty kalisy am'zao fotona izao" 21 Fa fantaro fa gne zanak'Andriamanitra da tsy maintsy magnaraky gne lalàna efa voasoratry, zay efa voazakan' gne soratra Masina. Fa loza kosa ho an'zay olo hamadiky gne zanaky gne Zagnahary. Tsara ho azy raha tsy avy mihintsy izy" 22 Raha igny mbola nihina igny indreo, nandray mofo i Jesosy,nisaotry gne Zagnahary ka nizarazara sady natolotriny tamè mpianany nataony hoe:"Raiso, ity gne nofoko." 23 Ary aveo nandray gne kalisy izy,nisaotry gne zagnahary ary nagnome gne mpiantry mba indrano,ka nindrano aby izy rehetra. Da hoy i Jesosy tamin'izay: 24 "Ity gne ràn'ny fanekem-pihavanagny vaovao, Rà izay homeko hoan'ny besinimaro. 25 Ambarako anareo mazava fa tsy hindrano gne vokatry gne voaloboka koa aho mandra-pahavinin' gne fotoa hindranomako ao amè fanjakan'Andriamanitra. 26 Rehefa avy niantsa gne hira fiderana ireo,da lasa nandeha niakatry ame vohitry Oliva. 27 Hoy I jesosy tam' ndreo hoe:" tsy maintsy elanareo aby anareo, fa efa voasoratra hoe "hovonigny gne mpiandry ondry ka hiparitaky gne ondriny" 28 Fa raha mitsanga ho velo aho da avy alohanareo ao Galilia. 29 Namaly azy i Petera hoe" Ndre da iala anao aby gne rehetra, Zaho tsy iala anao " 30 Hoy i Jesosy tamin'azy " Ambarako mazava aminao fa mbola tsy magneno on-droa gn'akoho am'ty aly ty, da efa handa ahy in-telo anao. 31 " Hoy Petera tamin'azy hoe: "Ndre da tsy maintsy maty miaraky aminao aza aho, tsy mandà anao aho." Samy napagnategna mitovy am'izany aby izy rehera. 32 Fa rehefa avy agny Getsemane ireo, hoy Jesosy tamin'gne mpianatry hoe: "Midoboa etoa anareo raha mbola mivavaky aho. 33 " Fa i Petera, Jakoba ary Jaona niaraky tamnazy, ka nanomboky teo gn'alaelo sy gne fahoria ahazo anazy . 34 Hoy izy tamin'dreo: " Mivadifò mafy gne foko, da akô hofaty. Midoboha etoa anareo ary mivavaha sy mibeba mafy." 35 Rehefa niataky lavidavitry i Jesosy, nandohaliky izy , da nivavaky mba hiala amin'azy gne fijalia izao . 36 Hoy izy : " Aba, Ray, efa ainao gne raha aby. Alay agny ity fijalia ity. Kanefa, aleo gne sitraponao gn'atao fa tsy gn'anaha. " 37 Raha nipody i Jesosy nahita andreo natory, ka hoy izy tamin'i Petera hoe : "Simona matory kaiky anao ? Tsy vitanao gne miamby ndre da lera raiky? 38 Membena anareo ka mivavà mba tsy hidiranareo ame fanahy ratsy. Satria mahery gne ratsy fanahy fa gne nofo gne osa! 39 Lasa fagnindroa izy nivavaky da mbola gne vavaky teo aloha gne nampodiny . 40 Raha nipody izy da nahita fa tafatory gne mpianatriny ary tsy nazaka ndre kidikidy. 41 Nagnato i Jesosy,fagnitelon'izany, ary nizaka hoe: "Da mbola matory evao anareo? Ampy izay, efa tonga gne fotoa! Mifohaza anareo! Nivadihan' gne mpanota gne Zagnahary. 42 Mitsangàna, andeha isika, hiteo fa efa akaiky gn' olo hamadiky ana! 43 Raha mbola teo am-pizakà izy da avy i Jodasy, iraiky amindreo mpianatriny ,niaraky tamè gn'olo marobe izay ninday sabatry avy amè lohan'ny gne mpisorona, gne mpanora-dalana ary gne loholona. 44 Nagnome famantara gne mpianatry,nizàka nagnano hoe:"izay horofako da izy izay . Sambory izy sady embeno " 45 Raha avy i Jodasy da nagnatogny an'i Jesosy sady nizàka nagnano hoe "Ramose" sady norofany izy. 46 Nisamboriny i Jesosy avy eo. 47 Nisy mpianatry nitsaga teo, nagnazotso gne sabatriny ka nifira gne sofiny. Gne mpiaradia tamè mpisorombe. 48 Tamin'izay hoy Jesosy hoe: "avy anareo hisambotry anà, mitovy ame hisambotry dahalo, izay minday sabatry sy amesa? 49 Fa nagnino tamina nampianatry tao an-deglizy tsy nosamborinareo. Kanefa izay gne niseho mba hahatateraky gne vohalaza ao amè soratra Masy" 50 Nipody sy niala an'i Jesosy gn'olo niaraky taminizay Raha avy teo. 51 Rehefa izay, nisy zaza lehilahy raiky nisiky akajo mangarakaraky nagnaraky an'i Jesosy. Tselatsela teo, nosamborin' gn'olo izy, 52 Nalàny gne akazony nilefa sady nikozy izy . 53 Niavaky tamin'izay nindesy teo amè mpisorombe i Jesosy, nivory teo akatrefan'i Jesosy gne mpisorombe, gne loholona ary gne mpanoran-dalana. 54 Fa i Petera kosa nagnaraky an'i Jesosy lavidavitry tegny, magnodidy gne tokotany gne mpisorombe. Nidoboky teo agnilan'gne mpiamby izy, nitampindro tamè gn' afo satria nanàra. 55 Kanefa gne loholona, gne mpisorona gne Synedriona Jiosy, 56 nitadia vavolombelo indesindreo hamono ka hafaty an'i Jesosy. Nefa tsy nahita indreo. 57 Nisy olo sasany anefa navandy, 58 Hoy izy hoe " horàvako ity tempoly namboarigny tamè tagna ity, ary ambohariko agnaty telo andro tsy hambohary tagna sanaky " 59 Saingy, tsy nahafaty anazy gne tobotiky nozakaindreo. 60 Ary nintsanga teo akaikin'i Jesosy gne mpisorom-be ka nagnotany hoe: "Tsisy ambara anao sa? Akory ity tobotiky hahisindreo anao ity? 61 Fa tsy namaly i Jesosy na inona ino. Da mbola nagnontany fagnindroany gne mpisorom-be hoe: "Ia anao sa? Anao gne Kristy zanak'e Zagnahary? 62 Da hoy i Jesosy hoe: "eka, iha i Kristy,ary tadidio fa ho itanao gne zanak'olo midoboky ankavanan'gne Zagnahary,egny amè lagnitry egny". 63 Tamin'izay da vignitry mafy gne mpisorom-be ka norovatiny gne akazon'i Jesosy sady nizaka izy hoe: "Da mbola mitadia vavolombelo avao itsika. 64 "Renareo gnopa nozakainy teo. Akory gne fanapaha-kevitry amin'izany". Fa gne vahoaka teo kosa da nagnameloky ho faty an'i Jesosy. 65 Gne sasany da nandrora gne tarehiny, notakofandreo gne lohany sady nampirafitry indreo nizaka hoe:" Maminania sa?" Gne manam-boninahitry teo kosa namono sy midaboky an'i Jesosy. 66 Fa i Petera kosa da nidoboky nagnodidy tegny ka nagnàto anazy gne raiky tamè mpiasan' gne mpisorom-be 67 Satria i Petera nanàra ka namindro tamè afo ka nodinihin'ity mpiasan' gne mpisorombe ity. Fa hoy izy hoe: "Naman'i Jesosy koa anao, izay avy any Nazareta" . 68 Fa nandà i Petera ka nizaka hoe " da tsy fantako,ary tsy lalako gne raha rohoninao". Avy eo lasa nandeha izy [ Fagnamaria gne fandikà sasany magnampy hoe " da nagneno tokotry gn'akoho Fa gne fandika taloha tena tsara da tsy mizaka an'io ] 69 Fa ity mpiasa vavy ity, izay nahita an'i Petera teo, izay niverigny nitsanga nagnodidy azy nizaka tamgn' olo maro teo hoe: " Naman' i Jesosy koa io lehilahy io! 70 Da mbola nandà i Petera. Tsy tapitapitry izay, nintsanga teo am' Petera gn' olo nagnotany hoe: "Naman'i Jesosy koa anao sa? Satria anao avy agny Galilia 71 Fa i Petera kosa nagnozigny tenga nitagny nizaka hoe: "da tena tsy fantako mihintsy ity olo zakainareo ". 72 Niaraky tamizay nagneno indroy gn' akoho. Ary da tadidi'i Petera gne zakan'i Jesosy tamin'izay hoe:" Da mbola tsy magneno indroy gn'akoho da andà ana in-telo anao". Raha vita izay da nalahelo sady nitomagny izy.