Marka Toko faha 15

1 Ambola narandray be, da nivory gne mpisoronabe tamindreo loholona sy gne mpanora-dalana ary gne synedriona Jiosy aby. Nofihezindreo i Jesosy ary nentindreo nijotso. natolotrindreo tamy Pilato Izy. 2 Nagnontany enazy i Pilato hoe: "enao me gne mpanjakane Jiosy ?" Namaly izy hoe: "voalazanao". 3 Nanolotry gne fiampanga maro manohitry en'i Jesosy indreo lohandohane mpisorogny. 4 Nagnontany enazy ka i Pilato hoe : " tsy magnomè valim-pagnontania me enao ? Hiteo gne hamaroanè fagnendrikendrea nindesindreo nanohitry enao !". 5 Fa tsy namaly en'i Pilato esanaky i Jesosy, da nahagaga enazy. 6 Ary tamè gnandro haravoravoa, da nagnaboda gadra raiky hoandreo evao i Pilato, gadra efa nangatahandreo. 7 Niray tamè mpanohitry tapigadrà, tamindreo mpamono olo voatazo nohone fandraisandreo anjara tamè fanohera, da nisy lelah raiky nangia oe Barabasy. 8 Da nagnato en'i Pilato gne vahoky tamin'izay mba agnano endreo akoigne fanine taloha. 9 I Pilato namaly endreo da nagnano hoe: "tianareo me raha gne mpanjakanè Jiosy gne halefako ho anareo?" 10 Satria fantatriny fa fialogna gne nanolorane mpisorogny an'i Jesosy taminazy. 11 Fa nangaiky gne vahoky gne lohanè mpisorogny mba hizaka mafy fa tokony i Barabasy gnavotsitry. 12 Da namaly endreo koa i Pilato da nagnano hoe: "Ino gne tokony hoany ame mpanjakane Jiosy ?". 13 Da nireoreo koa indreo hoe : " ahatogno Izy !". 14 Hoy i Pilato tamindreo se: " Ino gne ratsy naniny ?". Da mbola nireoreo indraiky koa indreo: " ahatogno Izy." 15 Ta agnano gne mahafapo andreo i Pilato, ka da nafahany ho andreo i Barabasy. Novangoy fiky i Jesosy ary avy teo da natolony hahato. 16 Nentindreo maramila amè toera malalaky Izy (io da tobine fanjaka), ary nangiandreo vahoky gne atoko miaramila aby. 17 Nosarognandreo lamba voloparasy i Jesosy, ary nandrary fehiloha maragnitry indreo da napetraky taminazy. 18 Da nanomboky nagnotsafy enazy indreo ary nizaka hoe:" Akoraby saro mpanjakan'gne Jiosy!". 19 Novangoindreo fiky tamè bararata gne lohany sady nandrorandreo. Da nandohaliky tagnoloany indreo mody midera anazy. 20 Rehefa avy nagnabarabara anazy indreo, da nalandreo taminazy gne lamba voloparasy ary nampisikinindreo enazy gne lambany, ary da nentindreo nijotso Izy mba hamatsia anazy. 21 Noforisendreo gne mpandalo raiky avy tamè tonda mba hizoga gne hazo fijalian'i Jesosy, lelah raiky atsoigny hoe Simona. Kyreniana iaban'i Aleksandra sy Rafotsy. 22 Nentindreo miaramila tagny amè toera angia hoe : "Gologota i Jesosy". (azo adika hoe: " toerane Karakandoa). 23 Nomendreo dovay nifangaro miora Izy, nefa tsy nidrano enizà. 24 Nofatsiandreo Izy ary nifampizarandreo tamign'alalànè akitsapaky gne fisikinany mba hahafatara gnasasany raisinè maramila tsikiraikiraiky. 25 Tamè telo Izy nofatsiandreo. 26 Ary tamè tekelaky gne hazo raiky gne nanoratandreo gne famohera anazy hoe: "mpanjakane Jiosy". 27 Dahalo roy gne niaraky nofatsiandreo taminazy, gne raiky takavanany ary e raiky takaviany. 28 [ Fagnamaria: Gne fandika taloa tsara be da tsy magnisy marky 15: 28 hoe: "da teraky e soratry masina magnano hoe: " Nany ho isane mpanota izy". (Ampitoviso ame Lioka 22:35)]. 29 Gne nandalo tetoa da nagnaratsiratsy enazy, niodikodiky gne lohany da nagnano hoe: " Aha ! Enao gne afaky mandrava gne tempoly ary mamorigny eniza agnatine telo andro, 30 vojeo gne tegnanao ary midigna avy amè hazo fizalia io !". 31 Gne lohanè mpisorogny da nagnabarabara anazy akoiza evakoa, niaraka tamindreo mpanora-dalagna, ary nizaka hoe: "namonjy gnafa Izy, nefa tsy mahavonjy gne tegnany. 32 Engany anie i kristy, gne Mpanjakane gn'Israely, hidigny avy amè gnazofizalia, mba hohitanay ary hinoanay", ary gne nahato niray taminazy koa da nagnabarabara anazy. 33 Tamè lera faha enina, da avy tame tany aby gne mizy hatrame lera faha sivy. 34 Ary tamy za lera faha sivy za da nitoreo tame feo mafy i Jesosy hoe: " Eloy, Eloy, lamà sabaktany ?" azo adika hoe: " ô zagnahary e, ô zagnahary e, nagnino enao da nahafoy enaha ty me ?". 35 Gne sasany tamindreo nitsanga raha naharè da nizaka hoe:"Hiteo, mangaiky en'i Elia Izy". 36 Nisy olo raiky niazakazaky, nagnano dovay masimasy nahisy tamè gne epaonjy, ary nahisy tamè bararata, da nomeny enazy hindranominy. Gne lelah nizaka hoe: "ba ampagniteo enay raha hampidigny enazy eo i Elia." 37 Avy teo da nitoreo mafy i Jesosy ary da maty." 38 Rota nizarazara roy nanomboky ambony katrambany gn'akajonè tempoly. 39 Rehefa hitane Kapiteny, izay nitsanga sy nifagnatriky tam'i Jesosy fa maty tamiza famba iza izy da hoy izy se: " Tena zanake zagnahary dato io lelah io". 40 Da nisy viavy koa nitsinjo avy lavitry, agnisan'iza i Maria Magdalena, Maria (iendrin'i Jakoba zandriny sy Josesy), ary i Salome. 41 Taminazy tagny Galilia da nagnaraky enazy sy nanompo enazy indreo. Ary viavy maro hafa koa gne niara-niakatry taminazy tagny Jerosalema. 42 Raha avy gn'ariva, satria andro fiomagna izany oe andro mialohane gn'andro sabata io, 43 da avy teo i Josefa avy agny Arimatia. Mpikamba hajay ao ao amesynedriona izy, izay nandigny gne fanjakane zagnahary. Nisy fahasahia izy nandeha tam'i Pilato hangataky gne fatin'i Jesosy. 44 Gaga i Pilato oe maty sahady i Jesosy; da nangiany gne Kapiteny ary nagnontany enazy izy laha maty dato i Jesosy. 45 Rehefa nahazo antoky tame Kapiteny izy fa maty i Jesosy da nomeny an'i Josefa gne fatiny. 46 Ary nividy lambam-paty kidy i Josefa. Nampidigny an'i Jesosy tame gne hazo fijalia izy, da namogno lambam-paty kidy enazy, ary nagnisy enazy tao ame kibory izay nangady tamè pelapelam-bato. Avy eo namaringary vato tame varangarane kobory izy. 47 Da hitan'i Maria Magdalena sy Maria endrin'i Josesy gne toera nandevegna anazy.