Toko faha 13

1 Ka raha niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, da nizaka tame raiky tamin-dreo mpianatrin'ny hoe : '' Mpampianatra ô, hiteo e! Hahatsaran'ny vato sy gne hatsaran'ny rafitra!'' 2 Hoy izy taminy hoe : '' Hitanao sa itoa rafitra zakabe itoa?'' Tsy hapetraky hisy vato raiky hifanongoa eo ka tsy ho rebaky. 3 Ka raha nipetraka teo ame tendrimbohitr'oliva tandrify e! Tempoly izy, da nagnotany azy mangihingihy i Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe : '' 4 Zakay aminay, raha ovia gne hitranga iza raha rehetra iza? Ino gne hamantara rehefa hitranga io raha io sa?'' 5 Ka i Jesosy nanomboky nizaka andreo hoe : ''Mitandrema mba tsy hisy loza hampy heliky lalà anareo. 6 Fa maro gne ho avy ame agnarakosy hizaka hoe : '' Izao gne izy, ka maro gne ho voafitaky. 7 Rehefa mahare ady sy resaka be momba gne ady anareo, da aza magnà tsy maintsy hitranga ireo, fa tsy mbola izay e farany. 8 Fa hisy firenena hitsanga handrebaky firenena, ka hisy fanjakà handrebaky fanjakà. Ary hisy horohoron-tany ame toera maro, sady hisy mosary koa. Iza gne nanomboan'ē fahorian'ē fiteraha 9 Mitandrema anareo. Ho atolon-dreo ame Synedriona anareo, ka ho fihy ao ame synagoga. Hitsanga aloandreo mpanapaka sy ireo mpajaka noho gne amina anareo, ho vavolombelo amin-dreo. 10 Fa gne filazantsara da tsy maintsy ho ambara agny ame firenena rehetra aloha. 11 Rehefa manambôtry sy magnome anareo izy, da aza magnà gne amezay tokony ho zakainareo. Fa ame lera igny, da home anareo gne tokony ho zakainareo; tsy anareo koa gne agnambara, fa gne fagnahy masina. 12 Ny rahalahy hagnome gne rahalan'ny gno faty, ka gne Ray agnome è! Zanany. Gne zanaka hitsanga hanohitry gne ray aman-dreny ka hahafaty andreo. 13 Ho lalanè olo aby anareo noho nè agnarako. Fa na iza iza mahadigny hatramē farany, da ho voavonjy, iza e olo iza. 14 Fa raha hitanareo mitsanga eo ame tsy tokony hitsangana gne tsivadivadinè fandrava ( aoka hisaignyizay mamaky), da aoka izay avy agny Jodia rehetra hilefa egny ame tendrim-bohitra, 15 izay ao amboninè tafi-tragno aoka tsy hihidigny ao andragno na hagnazotso raha avy ao amizany, 16 ary izay agny ankoraky aika tsy hipody gne lambany. 17 Lozan-dreo viavy bevoky sy mampinono amiza andro zà! 18 Mivavaha anareo mba tsy ho ame meriky gn'andro gne hiboanizà. 19 Fa hisy fahoria be, ka tsy mbola misy hatramē voalohany, rehefa nagnamboatry an'izao tontolo izao gne Andriamanitry, da mandrak'amizao, tsia, ka mandrakizay da tsy hisy koa izà. 20 Ka raha tsy hoe nidilavan'ny Tompo iza andro iza, da tsy hisy ē! ahy ho voarombaky. Fa avy ame olo-voafidy, izay nifidihy, da nangala ē! isan'izà andro zà. 21 Ka raha misy olo mizaka aminareo hoe : Hiteo, aty i Kristy!'' Na koa hoe : '' Hiteo eriky izy! da ka mino anizà. 22 Fa hisy Kristy sandoky sy mpaminagny sandoky ka agnaboaky famantara sy fahagaga, mba hamitaha, na gne olo voafidy aza, raha azo atao. 23 Miambena! Efa voazakako taminareo mialoha gne fiboan'ireo raha rehetra ireo. 24 Kanefa afarany gne fahorian'ireo andro ireo, da hiamizy gne masoandro, ka ē! vola tsy ho balaky, 25 ka ireo kitana horaraky avy egny ame lagnitry, ary ireo tazaky izay ao andagnitry gno hizikizeze. 26 Ka ho hitan-dreo gne zanak'olo avy egny ame mika ame tazaka zakabe sy fahefa. 27 Ary agniraky gne anjeliny izy ka handagno miaraka indreo olo-voafidy avy agny ame vazan-tany efatry, avy agny ame farany ē! tany ka hatragny ame faranē! lagnitry. 28 Mangala lesona avy ame hazonē! viavy. Raha vao mandrakotry sy manamboatra gne sapany, da fatatrinareo fa akaiky ē! voalon-tao. 29 Akô izany koa, raha vao hitanareo miboaka izany raha rehetra izany, da fatanareo fa efa akaiky izy, marihiny gne varangara. 30 Zakaiko aminareo, marina koa, ity taranaka ity da tsy ho lany ritry mandram-piboan'izany raha rehetra izany. 31 Ho mizy gne lanitry sy nē! tany, fa gne zakako koa tsy ho faty mandrakizay. 32 Fa gne mahakasiky anizà andro na lera zany, da tsy misy mahafatatry, na da io anjely andagnitry io aza, na gne zanaka, fa gne Ray avao. 33 Mitandrema! Miambena, satria tsy fatanareo gne lerà. ( Fagnamariana : ireo hafahefany taloha da hoe : Mitandrema! miambena ary mivavaha, satria ...). 34 Iza da mitovy ame lelahy raiky handea lavitra niala gne tragnony izy ka indreo mpanompony gne nizakan'ny hiandraikitra gne tragnony, samy ame raharahany aby, ary nibaikogne mpiamby izy mba tsaha hatory. 35 Ka miambena, satria tsy fatanareo hoe rahovia gno ho avy gne tompon-tragno; mety ho ame ariva izany, na ame sasak'aly, na magnano akoho, na maraindray. 36 Fa raha avy tampoky izy, da ka avela haita anareo matory izy. 37 Izay zakaiko aminareo da zakaiko ame olo aby evakoa : '' Miambena!''