toko faha 12

1 Nanomboky nampianatry tame gnalalany gne fagnohara i Jesosy. Hoy Izy hoe: " Nisy lehilahy nagnano tanim-boaloboky, nagnano vala magnodidy anazy, sady nandavaky famiaza. Nananga tilikambo izy da aviteo nampagnofa gne tanim-boaloboky tame mpamboly voaloboky. Daniala nandeha lavitry izy aviteo. 2 Tame fotoa mety, da nagniraky mpanompo ho agny ame mpamboly voaloboky izy mba hangala amindreo gne tokony ho anjarany ame vokatry tanim-boloboky. 3 Fa nosamborindreo izy, nofihy, sady noroahy tsy hinday ndre ino ndre ino. 4 Nagniraky mpanompo hafa koa izy ho agny amindreo, da noratraindreo tame lohany da nalainy baraka . 5 Da mbola nadefa hafa avao izy, da novonoindreo koa io raiky io. Namborindreo mitovy amizany avao koa gne sasany, nofihiny gne sasany da novonoiny gne marobe hafa koa. 6 Mbola mana olo raiky hirahy izy, da zanaky malala. Izy gne farany nalefa tagny amindreo. Hoy izy se: " Mba hagnaja gne zanako lahy indreo." 7 Nefa efa nifampijaka gnempamboly voloboky hoe: " Ity gne mpandova. Malaky, andasika ho vonointsika izy, da azontsika gne lova." 8 Nosamborindreo izy, da novonoiny, da natorakiny tagny abadiky ny tanim-oaloboky. 9 Da ino moa zany gne amboariny gne tompny e tanim-boloboky? ho avy da handrignagy gnempamboly voaloboky da hagnome e tanim-boaloboky ho an'olokafa 10 Tsy novakinareo me ity Soratra Masina ity? Gne vato izay halany gne mpanaga-tragno, gne agnamboara tsangambato. 11 Avy tame Zagnahary izany, ary da mahagaga eo agnoloantsika." 12 Nitady hevitry hanamboragny an'i Jesosy endreo, nefa natahotry gne vahoaky, satria fatandreo fa indesy hanohera andreo gne nizakany an'igny fagnohara igny. Da napetrakindreo izy ary da lasa nadeha indreo. 13 nagniraky gne Fariseo sy gne Herodiana sasany handeha Aminazy mba hamandriky Anazy ame zaka indreo. 14 Raha avy tagny indreo, da hoy indreo taminazy se: " ô ramose, fantanay fa tsy miraharaha gne hevitr' olo enao, da tsy magnisy fagnavakavahagny ame olo. Mpampianatra marigny e lalan'Andriamanitra Enao. Ara-dalagny me sa tsy ara-dalagny gne mandoa hetra amy Kaisara ? Tokony handoa hetra iaysatsy mandoa ?" 15 Fantan'i Jesosy gne fiatsarambelatsihindreo da nizaka taimndreo hoe: "Nagnino enareo me mitsapa Enahy ? Indeso vola denaria raiky Iaho mba hagniteko enazy." 16 Da nitondrasandreo vola raiky i Jesosy. Da hoy Izy tamindreo se:" Sary sy soratrinia gne mipetaky aminazy ty?" Da hoy indreo: " An'i Kaisara." 17 Hoy Jesosy se :" Omeo an'i Kaisara gnan'i Kaisara, da omeo an'Andriamanitra gn'Anandriamanitra." Da gaga taminazy indreo. 18 Avy eo gne Sodoseo, izay mizaka fa tsy misy e fitsangana ame maty, da avy teo Aminazy. Nagnotany Enazy indreo, nagnano hoe:" 19 ô Ramose, nanoratra akô izao taminay i Mosesy hoe:' Raha maty gne rahalahiny gne lehilahy raiky, da nagnapetraky vady izy, nefa tsy managn'anaky , da tokony hatao vady lova izy, da hana taranaky ho any gne rahalahiny .' 20 Nisy Fito mirahalahy; nanambady e raiky voalohany da maty, tsy nagnapetraky taranaky . 21 Aviteo nagnakatry anazy gne faharoy da maty, tsy nagnapetraky taranaky , da mitovy amizay avaokoa gne fahatelo. 22 Tsy nisy nagnapetraky taranaky indreo fito. Gne viavy e maty farany. 23 Ame fitsangana ame maty, raha hitsanga indraiky indreo, da ho vadinia izy? satria samby nanambady enazy aby indreo fito mirahalahy." 24 Da hoy Jesosy Hoe: " Tsy izany moa gne mahatonga anreo diso hevitry ,satria tsy fantatrareo na gne Soratra Masina na gne herin'Andriamanitra? 25 Satria satria raha mitsanga ame maty indreo, da tsy hanambady na halefa handeha hanambady, mivadiky mitovy ame anjely andagnitry. 26 Fa mikasiky gne fitsanganan'e tegna ame maty, tsy novakinareo me gnao ame bokin'i Mosesy, ao ame andala mikasiky gne voandroy, gne nizakan'Andriamanitra taminazy da nizakany hoe:' Iao gne Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanit'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba'? 27 Izy da tsy Zagnahariny gne maty, fa an'e velo. Somary diso hevitry enareo. 28 Nisy raiky tame mpanora-dalàna nagnato da nahare gne zakandreo; hitany fa voavalin'i Jesosy tsara indero. Ary nagnotany Enazy izy hoe:" Ino gne didy tena zakabe amin-izy agnaby?" 29 Jesosy namaly hoe:" Gne zakabe da gne hoe:' Mitenoma,gne Tompo Andriamanitsika, ry Israely ,raiky gne Zagnahary. 30 Tsy maintsy mitia gne Tompo Andriamanitrao ame fonao agnaby anao, ame fagnahinao agnaby, ame sainao agnaby, sy ame herinao agnaby.' 31 Ity gne didy faharoy:' Tsy maintsy mitia gne namanao mitovy ame tegnanao enao.' Tsy misy didy hafa zakabe mihotry anio." 32 Hoy gne mpanora-dalàna hoe: " Da tsara izany Ramose! Nozakainao marina fa Andriamanitra da Raiky, ary tsy agny koa hafa fa Izy avao. 33 Ary gne mitia Enazy ame fo agnaby sy ame say agnaby sy gne hery agnaby, da gne mitia e nama mitovy ame tegnany, da tsara lavitry miôtry gne raha atery ho doroa sy gne soro agnaby." 34 Raha hitan'i Jesosy fa nagnome valin-jaka marigny izy, da nijaka taminazy Izy hoe: " Tsy lavitry gne fanjakan'Andriamanitra enao." Ary tafaran'izany da tsy nisy olo nasahy nagnapetraky fagnotania tamin'i Jesosy esanaky. 35 Namaly jesosy, raha nampianatry tao ame tempoly izy ,da hoy izy hoe:akoinga me gne izakany mpanoran_dalana fa zanak'i kristy i Davida? 36 Davida tegnany tame fanaimasina 'nagnano hoe: "ny tompo nizaka nizaka taminazy tompoko hoe : mipetraha eo atagna akavanako ,mandrampagnamboarako gne fimpetraky gne tomboky 37 .Davida tegneny gne nangeky anazy oe :tompo ,ka akoinga gne maha zanak'i Davida an'i Kristy ? niteno en'azy ampifalia gne vaoka maro be . 38 Tame fampenaran'i Jesosy da nizaka oe:mitandrema ame mpagnara_dalana ,izay tia mandeandea ame akazo lava 39 ary tiandreo gne fiaraba azondreo egny atsena ary tiandreo gne mahazo e seza voalohany agny ame senagagasy e toera voaloany agny ame fety 40 .Ho mandrava e tragnondreo mpitondra tegna indreo ,ary magnano vavaka lava be mba ho hitan'olo. Io lalah io da ahazo fagnadisoa zakabe . 41 Avy teo i jesosy nidoboky nifakahitsy gne vatan_drakotra tao ame faritra ne tempoly ,nagnety gnolo mpandatsaky tao ame vatan_drakotry .Mpanakarena maro gne nandatsaka vola be tao. 42 Da nisy viavy mahatra mpivatotry raiky avy nandatsaka farantsakely roy ,izay kidy variroavety ampitovizy ame iraimbilaza . 43 Da nangiandreo gne mpianatrin'ny ary hoy izy tamin_dreo oe: zakaiko aminareo marigny dato ,fa ity viavy mahatra mitondran-tegna ity gne mandatsaka maro ame gn'olo , izay nandatsaka vola tao ame vatandrakotry 44 . Satria gne maro da nagnome tame fanagnamben_dreo .Fa ity mpitondra tegna ity ,tame fahatrany ,da nandatsaka e volan'ny agnaby izay tokony hivelomany tao .