Toky faha 11

1 Ary rehefa nandeha tagny Jerosalema i Jesosy sy gne mpianatriny, ka nagnakaiky an'i Betifanga sy Betania , ame vohitry Oliva, nagniraky gne roa lahy tame mpianatrany i Jesosy. 2 Nizaka izy hoe: " Mandehana anareo amin'io vohitry mifagnatriky amitsika io. Raha avy egny anareo da mahita zanak'ampondra mbola tsy nisy nipitiky. Tatao gne fehiny da hoento aty. 3 Raha misy olo mahita resaky aminareo hoe: "nagnino io ampondra io gn'alainareo? Da valio hoe misy ampesahan'gne Zagnahary azy ka hapodiny avy eo. 4 Da nandeha tokôtry gne mpianatriny, da nahita zanak'ampondra nifehy teo ambadikin'e tragno, agnilan'gne varavara teo amoron-dala, ka notatahany-dreo gne fehiny. 5 Tsitapitapitr'izay, nisy olo nitsanga tokôtry teo ka nizaka tamin'dreo hoe: "Nagnino tatahanareo gne fèn'io zanak'ampondra io? " 6 Navilin-dreo anio olo io gne zaka nagnafarany Jesosy an-dreo ka navelan'io olo io nandeha in-dreo . 7 Rehefa nandeha in-dreo, ary noetin-dreo rohy lahy gne zanak'ampondra da nomeny an'i Jesosy ,ary nalafikiny teo ambon'gn' ampondra gne lambany ka nipitihany mandra-pahaviny agny. 8 Tegny an-dala anefa , maro gn'olo namelatry gne lambany ary gne sasany nametraky piripiky izay nindesiny tagny atonda. Maro gn'olo mandeha na taloha na tafara ka nikoikoiky mafy an'i Jesosy nagnano hoe: 9 "Hosana! Derao gne Zagnhary ame alalan'i Jesosy. 10 Derao gne zanak'i Davida iabatsika! Hosana ho an'gne avo indrindra an-dagnitry agny! " 11 Raha vita izany, nitsoky tao amè Tempoly tao Jerosalema i Jesosy sady nagnaramaso gne raha misy tao. Rehefa hariva kosa gn'andro, da nandeha agny Betania Izy sy gne mpianatry roa am-binifolo lahy. 12 Nagnarak'izany, mosary i Jesosy rehefa avy nipody avy tagny Betania. 13 Ary i Jesosy nahita hazon'aviavy nitsiry lavidavitry tegny sady nidoroboky gne raviny,nagnato teo akaiky teo izy nagnety raha mamoa na tsy misy voany ity hazo ity, kaiky tsy nisy na iono na iona ity aviavy ty afa tsy gne raviny satria mbola tsy fotoa famohany tamin'io fotoa io. 14 Hoy i Jesosy tamin'izay: "Tsy misy olo ihina gne voa avy aminao tsana ,da oetinao maty evao! " Rèn'gne mpianatry iza zaka izany. 15 Nisitaky nandeha agny Jerosalema i Jesosy sy gne mpianatry, da niditry tao an-tempoly ary nanomboky nandrôky gne mpivarotry sy gne mpividy rehera tao. Tamin'izay,naongany gne latabatry sy gne sezan'gnolo mpanakalo vola sy gne mpvarotry voromamanga. 16 Tsy navelany nisy olo na iza na iza hivarotry tao amè tempoly. 17 Tsitapitapitr'izay, nampenariny in-dreo ka hoy izy hoe: "Tsy efa nozakaiko anareo fa, gne tragnoko da hangia hoe tragno fengona ho an'gne firenena rehetra? Nefa da naninareo ho tragnon'gne mpagalatry". 18 Raha vao naharè izany gne loholo sy gne panoradalana da nitadia fika hamonoa an'i Jesosy. Tsapa anefa fa nataotry an'i Jesosy ireo satria gn'olo maro teo da kaperatry tame fampenarany. 19 Rehefa aly kosa gn'andro da namak' aly niala teo amè tana in-dreo. 20 Rehefa nandraigny gn'andro, ka nipody tamin'igny lalana igny ndry Jesosy,da nahita gn'azon'aviavy nalazo atramin'gne vatriny,izay nozognony. 21 Tadidin'i Petera izany ka hoy izy: " Ramosé ô, hiteo ity! 22 Hoy Jesosy tamè mpianatry: "Magnahna finoa an' Andriamanitra". Ambarako aminareo gne mazava fa na iza na iza, hizaka ami-ty vohitry ty hoe: " Mitsangana da mivaringarigna an-dranomasyagny,ho tanteraky raha tsy misalasala gne fony fa mino amè vava avôkiny , satria izany gne fomban'Andriamanitry. 24 Noho izany, ity gne mazava ambarako anareo: izay rehetre hivavahanareo sy angatahinareo ,minoa fa efa azonareo ary nda mbola ho azonareo. 25 Fa ity , rehefa mivavaky anareo, fafao nge helokin' gne namanareo eo aminareo na iza na iza; hamin'izay fafan' Gne Zagnahary agny ambony koa gne fahotanareo. 26 [ Fagnamarita: gne fandikà tena tsara da tsy asiagny hoe ( jereo ao am'i Matt.16. 15) MK . 11.26 " Fa ra tsy hamela gne heloky anareo da tsy ho avelan'i abanareo zay an-dagnitry koa.] 27 Lasa niakatry agny Jerosalema indreo raha vita izany. Fa raha nitsangatsanga tao amè tempoly i Jesosy nagnato azy gne lohandoham-pisorona, gne mpanoradalana ary ireo loholona. 28 Hoy ireo tam' Jesosy: " Fahefà avy aia gn'afahanao magnano an'izao rehetr'izao, Ary Ia gne nagnomè anao anizany?" 29 Hoy i Jesosy tamindreo hoe: " ity koa gne fagnotania apetrako aminareo: Ambarao nareo anā fa ambarako anareo koa hoe fahefà avy aia gn'afahako magnano an'ireo aminareo. 30 Gne batisan'i Jaona, Avy an-dagnitry sa avy am'gn' olo? Valianareo aho". 31 Nifandiniky niaraky ireo mpanoradalana sady nekàny ary da vaky zaka hoe: "Raha isika mamaly hoe avy an-dagnitry da hamaly atsika izy hoe nagnino anareo tsy nino sa? 32 Fa raha isika kosa mamaly hoe avy am'gn'olo,... Da natatry mafy gn'olo gne mpanoradalana satria fantany gne vahoaka fa i Jesosy da mpaminan'gne Zagnahary tokôtry. 33 Namaly an'i Jesosy farany ireo ka nizaka hoe "tsy hainay".Namaly andreo koa i Jesosy hoe: " tsy hamaly anareo koa aho hoe avy aiza gne fahefà nahavitako anireny"