Toko faha 4

1 Avy eo Jesosy notarihinè Fagahy ho avy agn'efitry mba halain'i devoly fagnahy. 2 Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, da mosarè. 3 Nagnato gne mpaka fagnahy ka nizaka taminazy hoe: ''raha Zanake Zagnahary Enao, da zakay ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 '' Fa Jesosy namaly ka nagnano taminazy hoe: ''voasoratry hoe: 'tsy gne mofo avao gne hivelomanè gn'olo fa zaka avokinè vavanè Zagnahary.''' 5 Avy eo gne devoly nitondra anazy tagny amignè tanàgna masigny ka nametraky anazy teo amè faratamponè tempoly, 6 ary nizaka taminazy hoe: ''raha Zanak' Andriamanitry enao, da milatsaha agny ambany agny, fa voasoratry hoe: 'Izy handidy gn'anjeliny hitahy anao' sy 'handratra Anao eo amè tagnandreo, ka tsy ho tafato amè vato gne tombokao. 7 Jesosy nizaka taminazy hoe: ''da mbola voasoratry evakoa hoe: 'tsy tokony hitsapa gne Tompo Andriamanitry Enao.''' 8 Nindesiny gne devoly hoagny amè toera ambony koa Izy ary nagnambara anazy gne fanjakana aby amin'izao tonyolo izao sy gne hatsaran'ireo. 9 Hoy izy taminazy hoe: ''izy aby io da homeko anao, raha mandoaliky agnatrehako sy magnorobo anah enao.'' 10 Avy teo jesosy nizaka taminazy hoe: ''melà etoa enao, ry Satana! Fa efa voasoratry hoe: enao da hidera gne Tompo Andriamanitrao, ary izy raiky avao gne ho tompoinao.''' 11 Avy eo niala Anazy gne devoly, ary igny nisy anjely avy ka nanompo Anazy. 12 Ary nonigne ren'i Jesosy fa voasambotry Jaona, da niverigne nandeha tagny Galilia izy. 13 Hiala an'i Nazareta izy ka nandeha ary nipetraka tao Kapernaomy, izay amoron-dranomasin'ny Galilia, ao amigne tapatanin'i Zebolona sy Naftaly. 14 Izà gne nitranga mba ho hahatantareky gne nambaran'Isaia mpaminany hoe: 15 ''gne tanin'i Zebolona sy gne tanin'i Naftaly, megnagny amigne ranomasy, agny an-dafin'i Jordana, Galilia an'ireo Jentilisa! 16 Gn'olo nipetraky tamigne mizy da nahita fahazava zakabe, ary ireo izay nipetraky tamignè faritry sy gn'alotry gne fahafatesa, da teo amindreo gne nibodanè fahazava.'' 17 Ary tamizà fotoa izà Jesosy da nanomboky nitory teny sy nizaka hoe: ''mibebà, fa efa akeky gne fanjakanè lagnitry.'' 18 Raha nandeha tegny amorony gne Ranomasin'i Galilia Izy, da nahita mpirahalahy roy, Simona izay angia hoe Petera, ary Andrea rahalahany, nanipy gne haratony tegny amè ranomasy, fa mpagnarato indreo. 19 Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''andeha, hagnarato Iaho, fa haniko mpagnarato olo enareo.'' 20 Teo tampotampoky teo da niala gn'aratony indreo ka nagnaraky Anazy. 21 Ary raha mbola nikisaky Jesosy da nahita mpirahalahy roy hafa, Jakoba zanak'i Jebedio, sy Jaona rahalahiny.Nagnambotry gn'aratony tao agnatine sambo indreo niaraky tamin'i Zebedio raindreo. Nangaiky andreo Izy, 22 ka tampotampoky teo da niala gne sambo kidiny sy iaban-dreo da nagnaraka Enazy. 23 Nandeha nagneragnen'i Galilia Jesosy, nampianatra tao amè synagogondreo, nitory gne filazantsarany gne fanjaka, ary nagnasitragny ireo karazan'arety maro miaraky amè malemy aby teo amign'olo. 24 Niely magneragnen'i Syria gne vaovao mahakasiky Enazy, ka da netinign'olo teo Aminazy gne marary aby, marariny gne karazan'arety sy fangirifiria, ireo demoniaka,sy marainy gn'androbe sy marariny gne paralysisa. Nositragnin'i Jesosy izy iregny. 25 Vahoky maro avy tagny Galilia, Dekapolisy, Jerosalema, Jodia ary gne avy agny an-dafin'i Jordana gne nagnaraka Anazy.