Toko faha 5

1 Rehefa nahita ireo vahoky Jesosy, da niakatry teo an-tendrombitry. Rehefa tafapetraky Izy, da nagnato Anazy gne mpianatriny. 2 Nanokatry gne vavany Izy ary nampianatra andreo, mieteny hoe: 3 ''Sambatry gny mahantra amè fagnahy, fa andreo gne fanjakanè lagnitry. 4 Sambatry misaogny, fa hampitraka andreo. 5 Sambatry gne malemy fagnahy, fa indreo gne andova gne tany. 6 Sambatra ireo mosarè sy mangetaheta ny gne fahamarigna, fa ho vokisa indreo. 7 Sambatry ireo mpamindra fo, fa hahazo famindram-po indreo. 8 Sambatra ireo madio am-po, fa hahita anè Zagnahary indreo. 9 Sambatry ireo mpampiavagny, fa indreo gn'angia hoe zanakè Zagnahary. 10 Sambatry gn'iagny nohony gne fahamarigna, fa andreo gne fanjakanigne lagnitry. 11 Sambatry enareo raha magnaratsy sy magnenjiky enareo gn'olo, ary mizaka gne karane gnavandesa ratsy aby hanoitry anareo nohonigne avy aminaha. 12 Mifalia sy miravoa fa zakabe gne valisoanareo agny andagnitry.Fa akoiza gne nagnenjehane gn'olo ireo mpaminany gne niaigny taloanareo. 13 Enareo gne ho siranè tany. Fa raha gne sira gne lasa matsatso, amè fomba akoignaia gn'ahamasy enizà indraiky? Tsy ho tsara na amign'ino na amign'ino etsanaky izà, fa hariva da ho hitshana gne tompodikiny gn'olo the sisa. 14 Enareo gne fahazavan'izao tontolo izao. Gne tanà mihorigny eo amign'ambonimbony da tsy azo hafiny etsanaky. 15 Tsy misy olo magnapetraka jiro da haisiny izà agny ambany haro, fa eo amigne fipetrahanigne jiro,da magnazava gn'antragno aby. 16 Apetray hazava gn'eo alohanign'olo da akoizà fomba zà gne fahazavà mba hahitandreo gn'asako tsara aninareo ary ankalazany gne Rainareo izay agny an-dagnitry. 17 Da ka mieritreritry gne handrava gne lalàgna ndre da mpaminany Iaho. Tsy avy animba an'ireo Iaho fa hagnatanteraky enireo. 18 Fa zakaiko marigny aminareo fa mandra-pahavelomanigne lagnitry sy gne tany da tsy ho afaky amigne lalàgna ndre da litera sy tendron-tsoratra raiky, mandra-pahatanteraky gne raha aby. 19 Noho izà, na ia na ia miala, ndre da faranè kidy amin'io didy io sy mampiantry gne hafa anao akoizà da ho angia hoe farany gne kidy ao amigne fanjakane lagnitry. Ndre ia ndre ia magneky na mampianatry indreo da ho angia hoe zakabe ao amigne fanjakanè lagnitry. 20 Fa zakaiko aminareo fa raha tsy mihotry nohonè gnany mpanora-dalàgna sy gne fariseo gne fahamarignanareo, da tsy hiditry ao amigne fanjakanigne lagnitry. 21 Efa renanareo fa vozaka tamindreo taloha hoe: 'ka mamono olo,' ary na ia na ia mamono olo da ho helohy agny amigne fitsara. 22 'Fa zakaiko aminareo fa gne vignitry amigne rahalahiny da mendriky gne ho helohy agny amigne fitsara; ary na ia na ia mizaka gne rahalahany hoe: 'enao da olo-tsisy raha!' da ho helohy agny amigne filan-kevitry; ary na ia na ia mizaka hoe: mola anao!' da mendriky gne ho agny amigne farihy mirehitry afo. 23 Noho izà raha magnatitry gne rakitrao eo amign'alitara enao, ka tsaroanao teo fa mana alahelo aminao gne rahalahinao, 24 da apetray eo aloane gn'alitara gne rakitrao, da mandihana tohizo gne lalanao. Mihavana aloha amigne rahalahinao, ary avy eo mipodia da atolory gne rakitrao. 25 Mihavàna malaky amigne mpagnisy tobotiky anao raha mbola miara-dia aminazy agny amigne fitsarana enao, fa gne mpiampanga anao hanolotry anao amigne mpitsra, ary gne mpitsara mety hanolotry anao amigne manam-boninahitry, da anigny amè tragno mizy enao. 26 Zakaiko marigny aminareo, fa tsy ho afaky mivoaka ao mihitsy enareo mandra-pandohanao gne vola farany gny kidy amigne trosanao. 27 Efa renareo fa vozaka hoe: 'ka mijangajanga.' 28 Kanefa zakaiko aminareo fa rehefa magnety viavy ka magniry enazy da efa mijanganjanga tamè fony sahady. 29 Raha manafitogny anao gne masonao akavana da alay agny izy ary atoray lavitry enao. Mbola tsara aminao raha gn'asasany amigne vatanao gne tokony ho simbay fa tsy gne tegnanao aby gn'atsipy agny amigne helo. 30 Raha manafitogny anao koa gne tagnanao, da tapay ary ario lavitry hiala aminao. Fa mbola tsara ho anao raha gn'ampahany raiky amigne vatanao gne tokony ho very fa tsy gne tegnanao aby gn'atsipy amigne helo. 31 Ary efa voazaka evakoa hoe: 'na ia na ia misaraky amè vadiny, da aoky izy hagnome anazy gne taratasy fisaraham-panambadia.' 32 Fa Iaho koa da mizaka aminareo fa gn'olo misaraky amè vadiny aby, afa-tsy gne fijangazangà da mampijangajanga anazy. Na ia na ia manambady anazy afaranigne fisarahany da mijangajanga. 33 Ary koa, renareo fa vozaka tamign'olombè taloha hoe: 'ka mitangè amè raha diso, fa indeso eo agnatrehany gne Tompo gne raha itangegnanao.' 34 Fa Iaho koa mizaka aminareo, ka mitangè amigne raha aby, na amè lagnitry, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izà; 35 na amè tany, fa fipetrahane tombony izà; na amè Jerosalema, fa tanàne mpanjaka zakabe izà. 36 Ka misangisangy amigne lohanao, fa tsy afaky magnafotsy na magnamity gne tapa-bolo raiky enao. 37 Fa ao gne zakanao ho, 'Eka eka, na aha, aha . Gne mandika enizà da avy lahatamè ratsy. 38 Renareo fa voazaka fa hoe: 'maso solonè maso, ary nify solonè nify.' 39 Fa Iaho koa mizaka aminareo hoe, ka nanohitry gne ratsy. Fa kosa, na ia na ia mamely gne fifinao ankavana da atolory enazy koa gnilany. 40 Ary raha misy olo magniry gne hiaraky aminao ho agny amè fitsara magnedaky gn'ankanjonao, da apetray ho anazy agny koa gn'ankanjonao. 41 Na ia na ia manery anao andeha hoagny amè kilometatry raiky, mandehana miaraky aminazy amè kilometatry roy. 42 Omeo gne mangataky aminao, ary kà mandà na ia na ia magniry gne hindra aminao. 43 Efa renareo fa vozaka hoe: 'tsy maintsy mitia gne mpiara-belo aminao enao ary mankahala gne fahavalonao.' 44 Fa zakaiko aminareo, tiavo gne fahavaloanao ary mivavaha ho anè magnenjiky enareo,[Fagnamaria: Gne dikateny taloha tsara indridra da mangala gne hoe: '''misaora ireo izay magnozogny anareo, magnanova tsara amindreo izay mankahala anareo.'''] 45 mba ho tonga zanakè gne Rainareo izay agny an-dagnitry enareo. Fa Izy da mampiposaky gny masoandrony amigne ratsy, ary mampilatsaky gne rikandro amigne marigne sy gne tsy marigne. 46 fa raha gne tia anareo gne tianareo, ino gne valisoa azonareo? Ndre gne mpamory hetra tsy magnano akoizà koa? 47 Raha gne rahalahinareo raiky avao gn'arabainareo, ino gn'ataonareo mihotry gne hafa? Ndre gne jentilisa aza tsy magnano akoizà koa? 48 Noho izà da tsy maintsy tanteraky enareo, akoigne fahantaterahanè Rainareo izay agny an-dagnitry.