Toko faha 3

1 Tamin'iza andro iza da nandeha nitory tagny anefitr'i Jodia i jaona mpagnano batisa magnano hoe: 2 ''mandignasa fa efa akeky gne fanjakane lagnitry. 3 '' Fa izy gne nozakain'Isaia mpaminy, magnao hoe: ''misy feo raiky mangaiky mafy agn'efitra agny hoe: ''amboaro gne lalanè Tompo, ampahitsio gne lalany.''' 4 I jaona nisiky volon-drameva sy nagnano hetry tamigne vanihany. Valala sy titely remby gne naniny sakafo. 5 Ary Jerosalema, jodia aby , sy gne faritry magnodidy gne reniranon'i Jordana aby da nagnato anazy. 6 Naniny batisa tegny amè reniranon'i Jordana indreo, rehefa nagneky gne fahotany. 7 Fa rehefa nahita ireo Fariseo sy Sadoseo maro nagnato anazy mba ho atao batisa izy, da hoy izy tamindreo hoe: ''gne taraka menarà feno poizy, ia gne nampitandry anareo hilefa gne fahafatesa izay ho avy? 8 Mamoàza voany miendriky fibebaha. 9 Ary ka misaigny gne hizaka agnati-fo hoe: 'mana an'i Abrahama ho iabanay iahay.' Fa zakaiko aminareo fa Zagnahary da mahavita mananga zanaka ho an'i Abrahama ndre da avy am'toa vato itoa aza. 10 Ary efa napetraky eo amè vodiny gne hazo gne famaky. Io hazo aby izay tsy managnisy isiny tsara da ho tapà ary haria agny agnaty afo. 11 Magnano batisa anareo amè rano ho amigne fibebaha iaho. Fa matanjaka mihotry anah izy izay avy afara, ary iaho da tsy mendriky akory na dia gne hinday gne kapany. Hagnano batisa anareo amigne Fagnahy Masigny sy gne fo Izy. 12 Efa egny an-tagnany gne fikororohany mba hagnadiovany gne famoloany ary handagno gne variny agny ame tragnambo. Fa izy da hagnoro akofa amign'afo izay tsy mety maty. 13 Avy eo Jesosy avy tagny Galilia ka avy teo amigne reniran'i Jordana mba ho anin'i Jaona batisa. 14 Nefa i jaona da niezaka nanaka anazy, magnano hoe: ''Iaho no mila aninao batisa, nefa enao koa me gne nagnato anah?'' 15 Jesosy namaly ary nizaka taminazy hoe: ''ekeo izà amizao, fa izao gne mety amitsika hahatanteraka gne fahamarigna aby.'' Avy eo Jaona nagneky enazy. 16 Nony vita batisa Izy, da niala gne rano Jesosy, ary indro, nisokatry taminazy gne lagnitry.Hitany gne Fagnahinè Zagnary nidigny akogne voromamanga ary teo amboniny. 17 Ary indro, nisy feo avy agny an-dagnitry nagnano hoe: ''ity gne zanako malalako. Gne tsy foiko indrindra."