Toko faha 2

1 Taranigne nahaterahan'i Jesosy Betleheman'i Jodia tamè gn'andron'i Herodampanjaka, da avy tao Jerosalema ireo lehilahy manam-pahalalana avy agny atsignana nizaka hoe: 2 ''aia Izy izay ho traka mpanjakane Jiosy? Nahita gne kitany avy egny atsignanaizay ary avy mba hidera Anazy. 3 '' Rehefa naharè izà i Heroda mpanjaka, da nangitakitaky izy, sy i Jerosalema aby niraka taminazy. 4 Nindesin'i Heroda niaraky gne lohane mpisorona aby sy gne mpanora-dalàgnany gn'olo, ary nagnotany an'i Kristy? 5 Nizaka tamizy indreo hoe: ''ao Betleheman'i Jodia, fa izao gne voasoratry gne mpaminany hoe: 6 ''fa enao, Betlehema, agny amignè tanin'ny Joda, da tena tsy kidy amin'ireo mpitondran'i Joda, fa avy. 7 Ary nangaiky moramora ireo lelahyanam-pahalalana i Heroda mba hagnotany andreo mazava tsara gne fotoa niboahan'ilay kinta. 8 Nalefany tagny Betlehema indreo, magnano hoe: ''mandehana ary fantaro tsara gn'amin'ilay zaza. Rehefa hitareoizy, da ampizakay iaho, mba hahafahako mandeha agny evao ka hidera anazy.'' 9 Tafarany gne naharesandreo gne mpanjaka, da nandeha tame gn'alalany indreo, ary gne kita izay hitandreo t'atsignana gne talohandreo mandra-pijanognany teo ambonine toera nisy ilay zaza. 10 Rehefa nahita gne kita indreo, da nifaly tam-pifalia. 11 Niditry tao amin'ilay tragno indreo ary nahita gne zaza niaraky tamin'i Maria reniny. Nandoaliky sy dera azy indreo. nanokatry gne fipetrahan-karena indreo ary nanolotry fagnomeza volamena, hodikazo magnitry, ary ranomagnitry ho anazy. 12 Nampitandrigny andreo tamigne nofo Zagnahary mba tsy hiverigny agny amin'i Heroda, ka lalana hafa no nandehanandreo namonjy gne fireneny aby. 13 Rehefa lasa indreo, da nisy anjelin'ny Tompo niboda tam'i Josefa tamine gn'alalane nofo ary nizaka hoe: ''mipetrà tsara, indeso gne zaza sy gne reniny, ary milefa agny Egypte. Mipetrà agny mandra-pizakako aminao, fa i Heroda da mitadia ilay zaza mba hamonoa anazy. 14 '' Arivan'igny Josefa da nifoha ary ninday gne sy gne reniny ka nandeha agny Egypte. Nipetraka tagny izy mandrapahafatin'i Heroda. 15 Izà da nagnatanteraky izay nambarany gne Tompo tamign'alalanè mpaminany hoe: ''nangiako hiala tagny Egypta gne zanako.'' 16 Avy teo Heroda, rehefa nahita fa voafitak'ireo lelahy manam-pahalala, da vignitry mafy. Nagniraka sy nampamono gne zaza lelahy rehetra roy tao gne midigny izay tao Betlehema sy tao amin'igny faritry rehetra igny izy, arakigne fotoa izay nagnanoany fagnadihadia tamin'ireo lelah manam-pahalala. 17 Avy eo da tanteraky gne zaka izay nozakay tame alalan'i Jeremia mpaminany hoe: 18 ''nisy feo re tao Rama, sanomaso sy halahelo, notagny nohonè zanan'i Rahely, ary ts nagneky gne ho ampangigny izy, satria efa banga indreo.'' 19 Rehefa maty i Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tagny Egyota tamigne nofo ary nizaka hoe: 20 ''mifohàza ary indeso gne zaza sy iendriny da mandehàna agny amigne tanin'Israèly, fa efa maty gne namofo gn'ainy gne zaza. 21 '' Nifoha josefa, nindesiny gne zaza sy gne reniny, ary nandeha tagny amè tanin'Israèly. 22 Fa rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tagny Jodia nandimby an'i Heroda rainy,da natahotra gne ho agny izy. Tafarane nampitandremane Zagnahary anazy tamine nofo, da niala tagny amè Galillia izy 23 ka nandeha ary nipetraky tao amè tanagna angia hoe Nazareta. Izany da nahatanteraky izay voalaza tamigne alalan'ireo mpaminany hoe: ''Nazarena no angia anazy.''