Toko faha 4

1 Noho izany, aleo hitandrina tsara atsika mba tsy hisy aminareo gne tsy afaky hatratry gne zaka fampagnategna napetraky ho anareo mba hidiranareo ame fitsaharan'Andriamanitry. 2 Fa atsika da nagnambara gne vaovao mahafaly mitovy amindreo. Fa izany hafatry izany da tsy nisy tombony ho andreo izay tsy nitambatry tame finoa niaraky tam'ireo izay nagneky. (''Fagnamaria: gne dikan'e zaka sasany da mivaky hoe: ''Fa izany hafatry iza da tsy nisy tombony hoandreo izay nahare anazy tame tsy finoa.'') 3 Fa isika izay nino da gn'izay hiditry am'izany fitsara izany, araky izay efa nizakany hoe:''Mitovy gne niagnako tame gne havignirako, da tsy hiditry velively ao ame gne fitsaharako indreo io.'' 4 Fa na izany avakoa aza, gn'asa famorognany da vita tame gne fagnamboara izao tontolo izao. Fa izy niroho mombany gn'andro faha-fito hoe: ''Andriamanitry nitsahatry tame gn'andro faha-fito tame gn'asany rehetra.'' 5 Sady mbola niroho izy hoe: ''Indreo io da tsy hiditry velively ao ame gne fitsaharako.'' 6 Noho izany, satria mbola voatoka hoan'gne sasany gne fidira ao ame gne fitsaharany, satia maro gn'Israelita nare gne vaovao mahafaly tsy niditry tao nohony gne tsy fankatoava, 7 da nametraky andro raiky koa nagne hoe: ''Androany'' Andriamanitry. Tafara gn'andro maro, da niresaky tame gn'alalan'i Davida Izy, ako gne voazaka volohany teo hoe: ''Androany rxaha mare gne feony anareo, da ka magnamafy gne fonareo.'' 8 Fa raha Josoa gne nagnome fitsahara andreo, da tsy nizaka momba gne andro raiky hafa Andriamanitry. 9 Noho izany da mbola misy sabata fangala valaky votoka hoan'e vahokan'Andriamanitry. 10 Fa izay miditry ame fangala valak'Andriamanitry da niala valaky tame asany avakoa, ako gne nanain'Andriamanitry Taminazy. 11 Noho izany aleo atsika hazoto hiditry am'izany fitsahara izany, mba tsy hisy na raiky aza ho tafalatsaky ame karazan'e tsy fagneke izay nanindreo 12 Fa gne zakan'Andriamanitry da velo sy mandaitry sady marangitry noho gne sabatry roy lela. Izany da misindrogny hatramin'e fanaraha gne ay ame fagna, sy gne fitognona ame tsoka aza. Ka afaky fantary gne eritreritry ne fo sy gne fikasa. 13 Tsy nisy fagnamboara nafiny tagnatrehan'Andriamanitry iza. Fa gne raha aby da mibaribary sy mivoha eo imasony izay tokony hamoa atsika. 14 Avy tam'izany, satria atsika da mana mpisorombe zakabe izay lasa namaky gne lagnitry, Jesosy Zanak'Andriamanitry, da andeha atsika hifikitry mafy ame finoatsika. 15 Fa atsika da tsy mana mpisorombe izay tsy mahatsapa fahalelova ame falemetsika. Fa atsika da mana olo raiky izay efa nana eritreritry tame raha aby mitovy amitska, nefa Izy tsy mana fahota. 16 Ka aleo atsika andeha ame fahatokia ho ame seza fiandrianan; e fahasoava, mba hangalatsika gne famindra-po sy hahitatsika fahasoava hagnampia ame fotoa ilana izany.