Toko faha 3

1 Noho izany rahala masina, nizara gne fangian'e lagnitry anareo. Eritretreto gne mikasiky an'i Jesosy, gne apostoly sy mpisorombe izay eketsika. 2 Izy da natoky an'Andriamanitry, izay nanondro anazy, mitovy am'i Mosesy izay natoky tame tragnon'Andriamanitry avakoa. 3 Fa Jesosy da efa noraisy mendriky gne voninahitriny zakabe avy tam'i Mosesy satria izay mambotry gne tragno gne mana-kaza zakabe kokoa noho gne tragno. 4 Fa gne tragno aby da nisy olo nambotry anazy, fa gne raiky izay namboary gne raha aby da Andriamanitry. 5 Ame lafiny raiky hafa, i Mosesy da natokisa ako gne mpanompo tatragnon;Andriamanitry raiky agnaby. Izy gne vavolombelo mikaiky gne raha zay tokony efa nozakay ame hoavy. 6 Fa Kristy gne Zanaky miandraikitry gne tragnon'Andriamanitry. Atsika gne tragnony raha ohatry ka mitazo mafy gne heri-po sy fahatokiatsika atsika. 7 Noho izany, da ako iza zakay zany gne Fagna Masy hoe: ''Androany, raha mahare gne feon'ey anareo 8 da aza magnamafy gne fonareo mitovy ame fikomia, ame fotoa fitsapa agny agn'efitry. 9 Mitovy ame razambenareo raha mkomy tam'gn'alalan'e fitsapa Ana, sady raha mandritry gne efapolo tao da hitandreo gne asako. 10 Noho izany da tsy faly Iaho am'io taranaky io. 11 Hoy iaho hoe: ''Indreo da votariky mandrakariva agny ame lala-diso ame fny. Tsy nalala gne lalako indreo. Mitovy ame nianako tame fahavignirako hoe: ''Tsy hiditry ame fitsaharako mitsy indreo.'' 12 Mitandrema rahalah, mba tsy hisy na raiky aminareo gne hahana fo ratsy ne tsy finoa, fo izay mikisaky amin'Andriamanitry velo. 13 Fa fampahereza isan'andro, raha mbola misy gne any hoe: ''Androany,'' mba tsy hisy aminareo ho mafy fo am'gn'alalan'e fitaky ne fahota. 14 Fa atsika da avy mpipara-miasa am'i Kriisty raha ohatry ka mitazo mafy gne fahatokisatsika Anazy fezay lata ame voloany ka hatramin'e farany. 15 Fa gne mikasiky an'izany da vozaka hoe: ''Androany, raha mahare gne feony anareo da ka maganamafy gne fonareo, mitovy ame fikomia.'' 16 Ia izy zay efa nahare an'Andriamanitry ka nikomy? Fa tsy gne rehetra izay niboky avy tagny Egypta tam'gn'alalan'i Mosesy me izany? 17 Ia gne nahavignitry anazy nandritry gne efapolo tao? Tsy indreo zay nanota me, izay lavo tagny an'efitry gne fatindreo? 18 Ho an'ia gne nitangegnany fa tsy hiditry ame fitsaharany indreo, raha tsy hoandreo izay nagneky Anazy? 19 Hitatsika fa tsy afaky niditry tame fitsaharany indreo noho gne tsy finoa.