Toko faha 2

1 Avy am'izany atsika da tsy maitsy mitandry ame raha zay rétsika, mba tsy hagnara-drenirano am'iza atsika. 2 Fa raha mariny gne hafatry izay norohonin'gn'anjely, sady gne fandika gne lalagna aby izy ame tsy fagneke da mahazo sazy araky gne rariny, 3 da akongaia gne ahafatsika milefa raha tsy mivakiloha iza famoje zakabe izany atsika? Io gne famonje izay nambaran'e Tompo voloany sady namafisindreo izay nahare an'izany tamitsika. 4 Tamin'io fotoa io avakoa Andriamanitry da nagnaporofo an'izany tame famantara, sy fahagaga sady asa matanjaky samy hafa, sady tame fizara gne fagnomezam-pahasoava ne Fagna Masy araky gne sitrapony. 5 Fa tsy tam'gn'anjely gne nampagneke n'Andriamanitry an'izao tontolo izao ho avy, mikasiky gne raha norohonitsika. 6 Fa koa nisy olo nitsanga vavolombelo am'izany tany hoa agny, mizaka hoe: ''Ino gne ola, gne mieritreritry anazy anao? Na gne zanak'olo gne mikarakara anazy? 7 Anao da nagnano gne olo ambany noho gne anjely; nosatroinao satroo-boninahitry tame voninahitry sy dera izy. [ Fagnamaria: Gne dikan'e zaka sasany taloa da miampy hoe: ''Sady anao nagnapetraky anazy ambonin'e asa tagananao.''] 8 Gne raha aby da nampagnekenao ambanin'e tombony.'' Fa anazy gne nampagneken'Andriamanitry gne raha aby. Tsy nagnapetraky na ino na ino izy ka tsy nampagneke anazy. Fa am'izao andro zao atsika da tsy mbola mahita gne raha nampagneke anazy. 9 Fa atsika mahita ilayraiky naniny ambany noho anjely nandritry gne fotoa fohy: Jesosy da nijaly sy maty sady nosatrohy satro-boninahitry sy dera. Ka am'izao tam'gn'alalan'e fahasoavan'Andriamanitry, gne nagnandramany gne fahafatesa ho an'e olo aby. 10 Fa mety amin'Andriamanitry izany satria gne rahada misy ho Anazy sady am'gn'alalany, mba hinday zanaky maro ame voninahitry. Mety ame aminazy gne nahavy gnempitariky gne famonje andreo ho feno am'gn'alalan'e fijaliany. 11 Fa na gne olo izay magnamasina na izay efa voamasy da mana loharano raiky. Avy am'izany da tsy megnatry gne mangaiky andreo ho rahalah Izy. 12 Ho Izy hoe: ''Hagnambara gn'agnaranao ame ralako Iaho, hihira gne momba anao avy agnatin'e fivondrogna Iaho.'' 13 Sady koa, ''Hatoky anazy iaho.'' Sady koa : Ity iaho ineso agny sy gne zanako zay nomen'Andriamanitry ana. 14 '' Noho iza, satria nofo aman-dra gne zanak'Andriamanitry, da nizara raha akoiza niaraky tamindreo avakoa i Jesosy, mba am'gn'alalany gne fahafatesa gne hagnafoagna gne raiky izay mana gne herin'e fahafatesa, da gne devoly. 15 Izany da mba hahafaha olo ame tahotry gne fahafatesa da niaina gne fiainan'e rehetra indreo tame fagnandevoza. 16 Fa mazava ho azy fa tsy gn'anjely gne ho vonje; fa gne taranak'i Abrahama. 17 Noho izany da tokony ho Anazy gne atao ho fangala tahaky am'reo ralahany ame fomba aby, mba ho mpisorom-be feno famindra-po sy fahatokisa Izy ame fifandraisa ame rahan'Andriamanitry, sady mba hinday mikasiky gne famela gne fahotan'e olo. 18 Satria i Jesosy mitsy gne nijaly sy nalay fagna, da afaky magnampy andre izay alaim-pagna Izy.