Toko faha 5

1 Fa gne mpisorombe ab da vofidy avy tame olo, da notendre mba hiasa am'gn'agnaran'eolo am'ireo raha makasiky an'Andriamanitry, ka mba hagnomezany fanatitry hoan'e ota. 2 Izy da afaky mifanaraky ame tsy mafatatr sy gne maniasiasia satria izy da vofidin'e fahaleme. Noho izany, izy avakoa da vodidin'e fahaleme. 3 Noho izany, izy avakoa da notakia mba hagnome sorona hoan'e fahotany manoka, ako gne naniny tame fahotan'gn'olo. 4 Tsy ho hitan'gn'ainy gne handraisan'gn'olo an'izany voninahitry izany. Fa izy da nangian'Andriamanitry ako i Arona. 5 Da mitovy am'izany i Kristy mba tsy hagnome fagnaja gne tegnany mitsy tame fagnamboara gne tegnany ho mpisorombe. Faraiky avao izay niroho taminazy nizaka hoe: ''Zanako Anao; androany da lasa Iabanao Iaho.'' 6 Mitovy am'izany koa gne nizakainy tagny ame toera sasany hoe: ''Anao da mpisoro mandrakizay araky gne fomban'i Melkizedeka.'' 7 Nandritry gne andron'e nofony, i Kristy nagnome vavaky sy fangataha niaraky tame kiaky mafy sy ranomaso an'Andriamanitry izay raiky afaky magavotry Anazy ame fahafatesa. Re Izy noho gne fahalelovany. 8 Ndre da zanaky aza Izy da nianatry gne fankatoaa tam'gne raha izay niaretany. 9 Nany ho lasa lafatry Izy ka tonga tam'izany, ho an'gn'olo aby izay magneky Anazy, izay lohranon'e famonje mandrakizay. 10 Da notendren'Andriamanitry mitovy ame misorombe Izy araky gne fomban'i Melkizedeka. 11 Magnambara gne momba an'i Jesosy iay, fa sarotry gne magnazava izany hatrame naha laly gne fandresesnareo. 12 Fa am'izao fotoa izao da tokony ho mpampianatry anareo, anareo da mbola mila olo hampianatry anareo gne fitsipiky fototry gne hfatr'Andriamanitry. Ronono gne ilainareo fa tsy sakafo! 13 Fa gne olo izay mindrano ronono fotsiny da tsy ampy traikefa ame hafatry ne fahamarina, satria izy da ,mbola zaza. 14 Fa gne foka-sakafo da hoandreo zakabe. Indreo da efa vohofana tame fagnavaha gne tsara sy gne ratsy gne fahatakara avy tame fahamatora.