Toko faha 3

1 Ka raha Andriamanitra no nananga anareo niaraky tamin'i Kristy, tadiavo ireo raha agny ambony, izay ipetrahan'i Kristy eo an-tagnan-kavanan'Andriamanitra. 2 Saino ireo raha agny ambony, fatsy ireo raha eto an-tany. 3 Fa efa maty anareo,ary gne fiainanareo da miafigny miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitry. 4 Rehefa miseo i Kristy, izay fiainanareo, da anareo koa hiaraka hiboaka aminy ao amim-boninahitra.[Fagnamarina egny ambonen'e pejy:"rehefa miseho Kristy, izay fiainanareo, da anareo evakoa da hiara-hiseo miaraka aminy am-boninahitry.] 5 Vonoy, avy eo, ireo mpikambana izay eto an-tany - ny filan-dratsy, fahaloa taona, firehetan'e filana, fagniria ratsy, ary fahatendana, izay fanompoan-tsampy. 6 Noho iregny raha iregny no hahatongavanè fahatezeran'Andriamanitry aminareo zanaky gne tsy fankatoava. [Fagnamaria egny ambaninè pejy: gne dikan-teny taloa sasany mivaky hoe:" noho iregny raha iregny no mahavy gne fahatezeran'Andriamanitra."] 7 Tao amin'ireny raha izay nandehananareo iregny taloa evakoa rehefa mbola niagny tao amin'ireny anareo. 8 Fa amizao anareo da tsy maitsy magnary iregny raha rehetra iregny-fahavignirana, ary resaka vetaveta avy amè vavanareo. 9 Aza mifampivandy, fa efa narianareo gne toetra taloha miaraka amin'ireo fampihara izà, 10 ary notafinareo gne toetra vaovao izay nohavoazy ao amè fahalala araka gne endrek'izay namorogna izany. 11 Ao amin'izany da tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barabaray,Skytiana, andevo, olon'afaka,fa i Kristy no rehetra, ary ao ame rehetra. 12 Koa, misikina,araka gne maha-olom-boafidin'Andriamanitra, masina ary malala, famindram-po, hahatsaram-pagna, ary fahareta. 13 Mifampitondra tsara. Mifamelà. Raha misy olo raiky mana fitaraigna momba gne olo hafa, mamela toy izay namelan'e tompo anareo. 14 Ambonin'ireny raha rehetra regny, manà fitiava, izay mamototra anatsika ame fahatanterana. 15 Aoka gne fiadanan'i Kristy hanapaka ao ame fonareo. Fa ho an'izany fiadagna izany no nangia anareo ho vatana raiky. ary misaora. 16 Aoka gne tenin'i Kristy hipetrka betska ao aminareo. Amè fahendre rehetra ho enara ary hifagnara aminareo salamo sy fihira ary ara-pagna. Mihirà ame fisaora ao am-ponareo ho an'Andriamanitra. 17 Na ino na ino amboarinareo, na amè resaka na amè asa, amboro amè agnaran'e tompo jesosy gne rehetra. Mgnomeza fisaora ho an'Andriamanitra izay ray ame alalany. 18 Ra viavy, magneky gne vadinareo, fa izany no mety ao ame tompo. 19 Ra lehilah, tiavo gne vadinareo, ary masiaky amin'izy ireo. 20 Ra zanaka, mankatoava gne ray aman-dreninareo amè raha rehetra, fa izany no ankasitrana ao amè tompo. 21 Ry ray, aza magnano izay mampalahelo ireo zanakareo, mba tsy ho kivy izy ireo. 22 Ra andevo, magneke gne tomponareo araka gne nofo aminareo raha rehetra,tsy amè asa eo imaso mitovy gn'olo mpila sitray, fa ame fo tsotra. Matahora gne tompo. 23 Na ino na ino ataonareo, miasa avy ame fagnanareo mitovy gne ho anè Tompo fa tsy hoanè gn'olo. 24 Fantanareo fa anareo da handray gne valisoan'e lova avy ame tompo. Izy no tompo Kristy izay tompoinareo. 25 Fa izay magnano gne tsy fahamarigna da handray gne sazy ho an'e tsy fahamarigna izay namboariny, ary tsy misy fizaha tareh!