Toko faha 4

1 O Tompo,mba omeo ireo andevo marina sy rariny. Fantatrinareo fa anareo avakoa mana tompo raiky an-dagnitry agny. 2 Mahareta mandrakariva ame fivavaha. Miambena amin'izany ame gne fagnomeza gne fisaora. 3 Miaraha mivavaky hoanay avakoa, mba hosokafan'e Zagnahary varangara hoan'e zaka, mba hizakà gne fahamarigna mifiny am'i Kristy. Noho izany, da voafehy iaho. 4 Mivavaha mba ahafahako magnazava izany, raha tokony hizaka iaho. 5 Mandeana ame fahendre hagny amindreo ambadiky agny, ary araraoty gne fotoa. Aoky gne raha zakainareo mba ho ame fahasoava fezay. 6 Ary aleo gne raha zakainareo mba hagnaraky gne tokony ho izy, mba ahafanareo mafantatry gne fomba hamalinareo gne olo tsiraikiraiky. 7 Raha gne momba ana, da i Tykyko gne hampafantatry an'izay aminareo. Izy da rahalaha malala, mpanompo atokisa, ary mpiara-manompo ao am'i tompo. 8 Nalefako agny aminareo izy noho izao, mba ahafanareo mafantatry gne raha momba anay, ary mba ahafany mampahery gne fonareo. [ Fagnamaria: Egny ambany takelaky: ireo dikan'e zaka sasany taloha da mivaky hoe: '' Nalefako agny aminareo izy noho izao, mba ahafa mafantatry ireo raha momba anareo, ary mba ahafa mankahery gne fonareo.''] 9 Nalefako izy niaraky tam'i Onesimosy, izay rahalahy mahatoky sady malala, izay raiky aminareo. Indreo gne hizaka aminareo gne raha rehetra efa niseho tatiky. 10 I Aristarko, izay niaraky nigadra tamina da magnotsafy anareo, ako izany koa i Marka, havan'i Barnabasy (izay nahazahoanareo baiko; raha mandeha aminareo izy, da raiso), 11 ary i Jesosy koa da azo atsova hoe: Josto. Ireo avy ame vôfora avao no mpiara-miasa amina hoan'e fanjakan'e Zagnahary. Fampahereza ho ana indreo io. 12 I Epafra da magnotsafa anareo. Nitovy aminareo izy sady mpanompon'i Jesosy Kristy. Miady am-bavaky ho anareo sinitry izy, mba hahatanteraky anareo sady hahazo antoky tanteraky ao amin'gne sitrapon'e Zagnahary rehetra. 13 Fa mitsanga vavolombelo hoan'azy iaho, fa miasa mafy ho anareo izy, sy hoandreo agny Laodika, ary ho andreo izay agny Hierapolia. 14 I Lioka, izay mpitsabo malala sy Demasy da magnosafy anareo. 15 Atsafio ireo rahalaha any Laodika, sy Nymfa, ary gne Eglizy izay andragnony. 16 Raha vovaky eo ankatrefanareo ity taratasy ity, da vakio ao amin'e Eglizy Laodikiana avakoa, ary anio vovakinareo koa gne taratasy avy agny Laodika. 17 Zakay i Arikipo hoe: '' Tandremo gne asa fanompoa izay noraisinareo tam'i tompo, fa tokony ho tanterahinareoi izany.'' 18 Ity fagnanovam-beloma ity da ataon'e tagnako manoka- Paoly. Tadidio gne fifatorako, ho aminareo anie gne fahasoava.