Toko faha 2

1 Fa tiako ho fantanareo gne haben'è ady namboariko ho anareo, ho andreo agny Laodikia, sy ho andreo maro mbola tsy nahita gne tareko tame nofo. 2 Miasa aho mba hampatazaka gne fondreo ame fampiraisagny andreo miaraky amè fitiava sy gnarena aby amè fahalala azo antoky, ho amè fahafatara gne fahamarinana miafin'Andremanitra, izany hoe i Kristy. 3 Ao ame harena gne fahendrena sy izay fahalalana rehetra no misitriky. 4 Mizaka anizany aho mba tsy hisy hinday anareo amè lahateny madresy lahatry. 5 Ndre da tsy miharaky aminareo amè nofo aho. Da miaraky aminareo ame fanahy. Faly aho mahita gne filaminanareo tsara sy gne tanjakin'è finoanareo an'i Kristy. 6 Ra nandray an'i Kristy Tompo anareo, da mandehana aminazy. 7 Mifatora mafy aminazy, miorena avakoa, miorena ame finohagny izay efa nampenariny anareo, ary mazotoa magnome fisaora. 8 Mitandrema mba tsy hagnome olo hisambotry anareo ame alalany gne Filozofia, na gne fitaky any gn'olo. Izay magnaraky gnendrik'izao tontolo izao,fa tsy arak'i Kristy. 9 Fa ao aminy gne mipetraky fahatara gne tenin'Andriamanitra. 10 Feno anareo aminazy,Izy gne loharano gne hery sy gne fahefahagny rehetra. 11 Tao aminazy anareo gne noforagny tame famoragny tsy namboary gn'olombelo ame fagnesoragny gne nofo ame vatagny,ame famoragny an'i Kristy. 12 Niara-nalevigny tame batisa anareo, ary taminazy gne nananganagny anareo tame lalany gne finona maherin'Andriamanitra, izay nanangagny azy tame maty. 13 Tame anareo maty nohon'ny gne fahotagny sy gne tsy fahavitane nofonareo fanamorangy. Izy gne namela anareo niaraky taminy, sy namela antsika tame fahotan-tsika rehetra. [Fagnamarinana : misy dika-teny taloha sasany mivaky hoe " ary namela gne fahotantsika rehetra]. 14 Nofafany gne rakitsoratrin'gne trosam-pahahagny sy gne fitsipiky mifnohitry tamintsika. Nalaigny aby zany rehetra zany ary da nofatsihagny tame hazo fijaliagny. 15 Nalagny gne hery sy ireo fahefagny ary Izy da nagnano fampisehogny ampahabemaso an'izy reo, nandresy mihotry an'izy ireo tame hazo fijaliagny. 16 ka tKoa, kasiagny hisy hitsara anareo ame fihinangny na ame fitsotroagny, na ame andro fety na ame vologny vaovao, na ame andro sabata. 17 Izany gne marikin'gne zavatra hoavy, fa gne tena izy da i Jesosy Kristy. 18 ka misy asia ndre ia ndre ia mila gne fanetren-tegne sy gne fideran-anjely hitsara anareo ka tsy azahanareo gne vokatrareo. Gne olo akoizany da mditry ame raha nitiany ary manjary mirehareha ame fisian'gne nofotriny. 19 Tsy mitazogny gne lohany izy.Izany da avy ame loha nomen'Andriamanitra gne vatana manotolo magneragny gne vanitolagny sy gne hozatriny izay magnome ka mitazogny izany rehetra izany mitambatry; izany da mitombo miaraky ame fampitoboagny nomen'Andremanitry. 20 Raha maty niaraky tamin'i Kristy anareo tamin'ireo endrik'izao tontolo izao, nagnino ary ianareo gne miaina toy gne votery ame tany: " 21 aza miodigny, aza magnandra, ary aza mikasiky"? 22 Izany rehetra zany da ho ane fahalo, araky gne torolala sy gne fampenaranè gn'olombelo. 23 Io fitsipiky io da managny fahendren'gne fomba fivavaha,gne fagnetre-tegna izay naniny gne tegnany manokagny ary gne fampinjaliany gne vatany. Fa indreo da tsy manan-danja ame fanohera gne fandefera gne filan'gne nofo.