Toko faha 26

1 Da hoy i Agripa tam'i Paoly: "Zakay gne ferova-tegnanao." Jijiky i Paoly gne nagnatatry gne tagnany sady nizaka gne ferova-tegnany. 2 "Ambarako eto androany fa faly iaho, ry mpanjaka Agripa, magnambara aminao gne fanoerako gne raha hitorian'itoa Jiosy 'toa Anà aminao etoa; 3 fa indrindra da anao gne hitako olo mahay gne fomba sy gne fagnotania mikasiky gne Jiosy agnaby. Noho izà sa da mangataky enao aho hiteno enà hatram'farany. 4 Marihiko etoa fa fatatry gne Jiosy magnety etoa io agnaby gne fiainako latagny amè fahatanorako sy gne tao Jerosalema. 5 Indreo koa nahafatatry hatram'gne vôlohany sady tokony agneky fa Fariseo gne fiainako, 'zay da tena sarotony amè fivavahatsika. 6 Mahasà mitsanga etoa iaho androany, ho tsaray satria mitadia gne marigny amè fampagnategnà nanihin'Andriamanitry tam'gne razatsika iaho. 7 Satria io gne fampagnatenà nibitrihin'gne fokotsika roy ambinifolo ho azony raha nanopo gn'Andriamananitry isan'andro indreo. Izany fampagnategnà zany, ry Agripa mpanjaka gn'antony hitorian'toa Jiosy 'toa anà. 8 Nagnino me anareo gne tsy mino fa mananga gn'olo amè maty gn'Andriamanitry? 9 Nisy fotoa avao iaho nihevitra tamin'ny tenako fa tokony hanao raha maro hanohitry an'i Jesosy avy agny Nazareta. Tagny Jerosalema gne nagnamboarako enio. 10 Nagnagadra gne mpino maro iaho raha nomen'gne mpisoro fahefà, sady raha matiko agnaby indreo da nametraky gn'oro-patso hanohitry endreo hatram'farany iaho. 11 Nosaziako tagny amè synagoga indreo sady nobekoiko hagnopa agnaby. Vignitry mafy endreo ihao sady nagnejiky endreo na dia tany amin'ireo tanàna any ivelany aza. 12 Da mbola notihizako evao gne fagnejeha andreo, da raoky nandeha tagny Damaskosy iaho niaraky tam'gne fahefà sy gne didy nomen'gne lehiben'gne mpisoro; 13 kaiky tan-dala tegny, tokony efa lagnary igny gn'andro, sa mpanjaka, da nahita hazavà nangilangilatry noho gne masoandro avy t'an-dagnitry iaho raiky, nagnodidy enà sy gn'olo niaraky tamnà. 14 Raha nikarapapofoky tamè tany iahay agnaby, da naharè feo niresaky tamnà iaho raiky evao sady mizaka Hebreo izy hoe: "Saoly, Saoly, nagnino anao me magnejiky enà? Sarotry haminao sa gne handeha avao.' 15 Da hoy iaho hoe: "Ia me anao, Tompo? Da hoy izy namaly: "Iaho io Jesosy henjehenao io aza." 16 Mitsangàna anao, am'tsia koa am'tsia; io gn'antony gne nibohahako taminao, ho tendreko ho mpanompo sady ho vava velon'gne raha agnaby anao sy 'zay mikasiky enà am'zao sy gne mbola ho avy zay ho ambarako anao; 17 sady koa hagnavotry enao amè vahôka Jentilisa zay hagnirahako anao, 18 gn'hanokatry gne masondreo sady hapitodiky endreo hiala amè mizy ho agny amè fahazavà, ham'gne herin'ny satana ho agny amin'Andriamanitry, am'zay indreo mahazo gne famotsora heloky avy amin'Andriamanitry sy gne lova 'zay homeko endreo sady efa noamasigniko tamè finoa.' 19 Noho izany, Agripa mpanjaka, nagneky gne fahazavà avy t'an-dagnitry iaho; 20 fa gn'olo avy tagny Damaskosy, lahatagny Jerosalema sy tagny Jodia mbam'gne Jentilisa, afatry evao gne nomeko endreo mba afahan-dreo mibebaky sy mitodiky amin'Andriamanitry, mba hagnano asa soa. 21 Izany gn'antony nisamboran'toa Jiosy 'toa anà tagny amè tempoly sady namonoandreo Enà. 22 Kanefa sa da nagnapy enà gn'Andriamanitry hatram'zao, noho izany da mitsanga etoa iaho sady mijoro ho vava velo am'gn'olo agnaby sy am'gne olo mana-kaja, sady tsy hijaka raha afa akoatr'gne nozakain'gne mpaminany Mosesy tamnà fa hibôky; 23 hijaly sindritry i Kristy, sady izy gne vôlohany hitsanga amè maty sy hitory gne fahazavà ho an'gne vahôka Jiosy sy gne Jentilisa." 24 Raha vitan'i Paoly gne ferova-tegnany, da nikoiky tamè feao mafy i Festosy hoe: "Very say anao Paoly, be lôtry gne fenara vitanao ka lasa mola anao." 25 Da hoy i Paoly hoe: "Aeky, tsy very say aho, Festosy tsara indrindra; fa iaho gne mahasahy gne mijaka gne fahamarigna sy gne fahamatora. 26 Kanefa efa fatatrin'gne mpanjaka 'zany raha zany agnaby; noho 'zany, mizàka amin'zay iaho, fa resy lahatry sady tsy nisy havandesa ndre raiky gne raha nozakainy tetoa na nafininy; satria da hita fa tamè mazava gne nibohan'zany raha zany aby tagny. 27 Mino gne mpaminany anao, Agripa mpanjaka? Efa aiko fa mino anao." 28 Da hoy i Agripa tam'i Paoly: "Fotoa fohy sa nda gn'andresenao lahatry enà sady hijakanao enà ho Kristiana?" 29 Hoy i Paoly namaly enazy hoe: "Hivavahako amin'Andriamanitry, na ho ela na tselatsela, sady tsanao raiky evao fa, ho an'gn'olo maharè gne feoko androany, mba hitovy aminà anareo fa tsy miaraky am'gne rojy vy etsana." 30 Raha vita izany, da nitsanga gne mpanjaka, gne governora, i Berenika, sy gn'olo niara-nipetraky tamindreo teo; 31 raha nijotso gne tragno fivoria indreo da niresadresaky sady nizàka hoe: "Tsisy raha ratsy nanihin'ty zalahy 'ty ka tokony hamonoa na hamieza tady enazy." 32 Da hoy i Agripa tam'i Festosy hoe: "I zalahy 'ty da afaky navosotry raha tsy izy gne nangataky nandeha taty am'i Kaisara."