Toko faha 25

1 Nitsoky tao ame faritany i Festony, telo andro tafara, niakatry tagny Kaisaria izy sady nahitsy ho agny Jerosalema. 2 Nitondra fagnameloa sy fempangaha an'i Paoly agnaby gne lohan'gne mpisoro sy gne Jiosy manakaja tao, nandrisiky 3 sady nangataky indreo mba ho vonoy i Paoly, am'zay i Festosy da hangaiky an'i Paoly ho agny Jerosalema hafahandreo mamono enazy egny an-dala egny. 4 Kanefa namaly endreo i Festosy fa i Paoly da gadra ao Kaisaria sady koa izy hipody agny tselatsela. 5 "Noho zany, zay afaky," hoy izy: "da tokony handeha hiaraky aminay ho agny. Raha nagnano ratsy i zalahy io da afaky mempanga anazy enareo." 6 I Festosy da tsy nijano tagny folo andro na valo andro sady avy teo nidigny tagny Kaisaria, fa tamè gn'andro magnaraky nidobòky t'amè fitsaraha teo izy sady nibeko an'i Paoly mba entina any aminy. 7 Ra tonga izy, gne Jiosy avy tagny Jerosalema nipetraky nariny teo, sady nitondra fempangaha maro an'i Paoly nefa tsy nana porofo. 8 Fa i Paoly koa sa da niaro tegna mafy sady nizaka hoe: "Tsy nagnano ratsy sady tsy nanohitry gne lalàn'gne Jiosy iaho, sady koa tsy nanohitry na gne tempoly na i Kaisara." 9 Fa i Festosy koa ta ahazo dera tamè Jiosy da namaly an'i Paoly izy hoe: "Te hiakatry agny Jerosalema anao sa, ho tsaraiko enao agny agnaby gne raha naninao tagny igny? 10 Da hoy i Paoly: "Efa mitsanga etoa aloha amè seza fitsaràn'i Kaisara iaho, 'zay hitsaràgny enà signitry. Fa iaho tsy nagnano ratsy gne Jiosy sady lahateo efa lalanao agnaby 'zany. 11 Kanefa sa, raha nagnano ratsy iaho, tsy matàtry gne maty iaho, vonoy. Fa raha tsisy koa sa gne fempangahandreo enà, da tsy tokony hisy olo hitondra anahy ho agny am'ndreo. Noho izà, mapiakatry am' Kaisara iaho. 12 Raha avy nikoraha tamè filankevitry i Festosy da namaly hoe: "I Kaisara gne tadiavinao. Da ho agny am'i Kaisara anao. 13 Tafaran'io andro io, avy tagny am'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika hamangy an'i Festosy. 14 Nandritry enazy tagny, da nozakain'i Festosy sady nomeny enzay gne fitsaraha mikasiky an'i Paoly; da hoy izy: "Ity zalahy raiky nigadra 'ty nalefan'i Feliksa aty toy ny gadra. 15 Raha tamnà tagny Jerosalema, nitory an'ity zalahy ty tamnà gne Jiosy sy gne loholo mpisoro sady nangataky enazy ho faty. 16 Da namaly endreo iaho tam'zay fa tsy fomba'gne Romana gne magnome olo ho vonoy raha tsy avy tsaray izy sady mbola hapifagnatrea amè mpitory enazy izy gne mitondra gne ferova tegnany. 17 Noho izà, raha niaraky avy tetoa indreo, da tsy nandigny ela iaho fa nipetraky teo amè seza fitsarà sady nibeko gn'ampidira an'io zalahy io. 18 Raha nitsanga gne mpitory ka nagnameloky enazy, da hitako fa tsy mavesatry gne fempengahandreo anazy. 19 Fa indreo koa da nifamaly mikasiky gne fivavahandreo sy mikasiky an'zany Jesosy efa maty zanagny, nambaran'i Paoly io Jesosy io fa velo agny. 20 Kaperatry iaho am'ty resaky 'ty, ka noho izany da nagnotaniako indreo raha mazoto gne ho agny Jerosalema mba ho tsaray agny mikasiky en'io fempangaha io. 21 Fa raha nangataky gne hijano tao amè figadrà i Paoly, da nibeko enazy iaho hijano tao mandram-pandefasa anajy agny am'i Kaisara." 22 Fa i Agripa niresaky tam'i Festosy hoe: "Ndre iaho toa da ahare n'ity zalah'ty evakoa." "Homaray," hoy Festosy: "Mahare en'azy anao." 23 Tamè andro magnaraky, niaraky nagnety fety i Agripa sy Berenika; niaraky nandeha amè efitry misy gne maramila sy gn'olo manakaja tamè tanà indreo. Raha nijaka gne didy i Festosy, da nindesindreo i Paoly. 24 Da hoy i Festosy hoe: "I Agripa mpanjaka, anareo lelahy miaraky aminay etoa, ity zalahy ty; anareo Jiosy tagny Jerosalema nifagnaraky tamnà, nitoreo taminà anareo fa tsy tokony hovelo etsana ity zalahy 'ty. 25 Ekeko fa tsy mana hadisoa tokony ahafaty enazy izy; fa noho izy nangataky gne Amperora, da nanapa-kevitry iaho gne handefa anazy. 26 Kanefa sa tsy misy taratasy mazava hosoratako agny am'i Amperora. Izany gne nitondrako enazy aminareo etoa, indrindra aminao mpanjaka Agripa, am'zay iaho mana raha ho sorata maromaro mikasiky en'ty fitoria 'ty. 27 Sady evakoa, tsy mety amnà gne mandefa gadra nefa tsy magnambara gn'antony hitoria anazy.