Toko Faha 23

1 Itoa masa gne rohon'i Davida farany— Davida zanaky lahan’i Jese, gne lelah tena nomemboninahitry, gne lelah vahosotry gn’Andriamanitr'i Jakoba, gne mpagnano salamo mahafinaritry gn’Israely. 2 "Gne fagnahan'i Yaveh niroho tame gnalalako, ary tame lelako gne rohony. 3 Niroho gn’Andriamanitr'Israely, niroho taminah gne pelapelambaton' Israely hoe: 'Gne manapaky gn’olo ame fahamarigna, gne manapaky ame fahatahora gn'Andriamanitry. 4 Izy da akoigne fahazavane marandray lefa miboda gne masoandro, marandray tsy misy mika, lefa mitsimoky avy ame tany gne ahi-metso ame gnalalane famirapiratane masoandro afaran’erikandro. 5 Eka dato, tsy akoiza eo agnatrehan'Andriamanitry me gn’ankohonako? Tsy efa nagnano faneke mandrakizay, valahatry sy azo antoky tame raha aby taminah me Izy? Izy me ko tsy mampitombo gne famonjea enah sady magnatanteraky gne fagniriako aby me Izy? 6 Kanefa gne tsy mendriky da ho akoigne fatsy aria agnaby, satria tsy valagnone tagnane gn’olo iza. 7 Gn’olo mikasiky endreo da tsy mentsy mampiasa fitova vita ame vy na zana-tsipiky gne lefo. Tsy mentsy oroa eo ame ipetrahany iza.'" 8 Itoa aby gnagnarane miaramila sangan'i Davida: Josebala gne Takemonita gne mpitariky gne miaramila sangany. Nahafaty lelah valonjato tao agnatine gnady raiky izy. [Fagnamariha: laha tokony ho "Josebala," da gne dikane teny sasany magnano hoe "Joseba-basebata," "Jasobima", "Isbala", na "Isboseta". Io aby io da mety gnagnara raiky evao.] 9 Magnarakaraky enazy i Eleazara, zanaky lahan’i Dodo, zanaky lahan’i Ahohita, raiky ame lelah telo maherin'i Davida. Teo izy tame nandresendreo gne Filistina nitambatry nindray ba hiady, sy tame nihemorane lelahan’israely. 10 Nitrotry i Eleazara ary niady tame Filistina mandra-pahavalaky enazy ary nirekitry tame tahone sabatriny gne tagnany. Nitondra fandresea zakabe tam’iza andro iza i Yaveh. Nipody nagnaraky en'i Eleazara gne tafiky, ba hitsimpo gname faty fotsiny evao. 11 Nagnarakarak’enazy i Sama zanaky lahan’i Age, gne Hararita. Niaray nilagno tame nisy tanim-boagnemba gne Filistina, ary gne tafiky nilefa andreo. 12 Fa i Sama da nitrotry takatrefane saha ary niaro en’iza. Novoiny gne Filistina, ary ninday fandrese zakabe i Yaveh. 13 Gne telo tame miaramila telopolo da nidy tagny am’i Davida tame fotoane fararano, tame zohin'i Adolama. Nitoby tame Lohasahan'i Refaita gne tafik'igne Filistina. 14 Tam’iza fotoa za i Davida da tame ferovany mafy, zohy raiky, laha nipetraky tao Betlehema gne Filistina. 15 Nitadia rano i Davida ka hoy izy se: "laha ba misy olo magnome enah rano hindranomy avy ame lava-drano ao Betlehema, gne lavadrano eo akeky gne vavahady!" 16 Ka da namakivaky gne tafiky gne Filistina gne telo lah mahery ary nangala rano avy tame lava-dranon'i Betlehema, gne lava-drano eo akeky gne vavahady. Nalaindreo gne rano ary nentiny tagny am’i Davida, kanefa nandà gne hindrano eniza izy. Fa nararakiny ho an'i Yaveh iza. 17 Avy eo da hoy izy se: "Ry Yaveh, sagnatria, laha agnano eniza iah. Tokony hindrano gne ràne lelah nagnano soro gnainy me iah?" Ka da nandà gne hindrano eniza izy. Io raha io gne namboarin'iza telo lah mahery za. 18 Abisay, rahalahan’i Joaba ary zanaky lahan’i Zeroia, gne kapirohon'izy telo. Niady tame telo arivo lah izy ary namono endreo tame lefo. Vatonogny matetiky nindray tame miaramila telo izy. 19 Tsy nalaza noho gne telo lahy me izy? Namboary kapirohondreo izy. Kanefa, gne lazany da tsy nitovy tame lazane miaramila telo lahy malaza indrindra. 20 Benaia avy agny Kabezela da zanaky lahan’i Joiada; izy da lelah matanjaky izay nagnano asa zakabe. Namono gne zanaky roy lahan’i Ariela tagny Moaba izy. Nidy tagnaty lavaky evakoa izy ary namono liona laha ambola nisy pitsipitsik’erikandro igny. 21 Ary da namono lelah Egyptiana maro izy. Nana lefo tatanany gne Egyptiana, kanefa tame tehina gne nedian'i Benaia taminazy. Nalainy tame tagnan'iza Egyptiana za gne lefo ary tame lefony evao gne namonoany enazy. 22 Benaia zanaky lahan’i Joiada gne nagnano en’iza asa zakabe za, ary nankalazay nindray tame telo lah mahery izy. 23 Nalaza ambonine miaramila telopolo izy tame gn’ankapobeny, kanefa tsy da tena nalaza akoigne miaramila telo sangany indrindra. Nefa i Davida nampiandrekitry enazy ho mpiamby enazy. 24 Agnisane telopolo lelah magnaraky: Asahela rahalahan’i Joaba, Elanana zanaky lahan’i Dodo avy agny Bethlehema, 25 Sama gne Harodita, Elika gne Harodita, 26 Heleza gne Paltita, Ira zanaky lahin' Ikesy gne Tekoita, 27 Abiezera gne Anatotita, Mebonay gne Hosatita, 28 Zalmona gne Ahohita, Maharay gne Netofatita; 29 Haleba zanaky lahan’i Bana, gne Netofatita, Itahy zanaky lahan’i Ribay avy agny Gibeane taranak'i Benjamina, 30 Benaia gne Piratonita, Hiday avy ame lohasahane Gasy. 31 Abi-albona gne Arbatita, Azmaveta gne Psaromita, 32 Eliaba gne Salbonita, zanaky lahan’i Jasena, Jonatana zanaky lahan’i Sama gne Hararita; 33 Ahiama zanaky lahan’i Sarara gne Hararita, 34 Elifeleta zanaky lahan’i Ahasbay gne Makatita, Eliama zanaky lahan’i Ahitofela gne Gilonita, 35 Hezray gne Karmelita, Paray gne Arbita, 36 Jigala zanaky lahan’i Natana avy agny Zoba, Bany avy ame fokone Gadita, 37 Zaleka gne Amonita, Navaray gne Berotita, mpitondra gne fitovampedia ho an'i Joaba zanaky lahan’i Zeroia, 38 Ira gne Jitrita, Gareba gne Jitrita, 39 Oria gne Hetita—fito amby telopolo izy aby.