Toko Faha 24

1 Da nagnadary tam’israely indraiky gne fahavigniran'i Yaveh, ka namboariny nanohitry endreo i Davida nagnano hoe: "Mandihana, isao Israely sy Joda." 2 Niroho tam’i Joaba mpifehy gne tafiky, nindray taminazy gne mpanjaka hoe: "Mandihana magnera gne fokon'Israely aby, manomboky agny Dana ka hatre Beri-sheba, ary isao gn’olo aby, ba hahafantarako gne fitambarane gn’isane lelah sahaza ho ane gnady." 3 Hoy i Joaba tame mpanjaka se: "Afaky mampitombo gne isane vahoky injato me Yaveh Andriamanitrao, ary afaky magnety gne fitrangan'iza me gne masone mpanjaka tompoko. Nefa nahoa gne magniry en’iza gne mpanjaka tompoko?" 4 Ndre da eo iza, gne rohone mpanjaka da nanohitry an'i Joaba sy nanohitry gne mpifehy gne tafiky gne farany. Ka nijotso tame fagnatrehane mpanjaka i Joaba sy gne mpifehy ba hagnisa gne vahokin'Israely. 5 Nitsaky an'i Jordana ary nitoby takeken'i Aroera, atsimone tanà agny ame lohasaha indreo. Da nandroso te Gada ka hatre Jazera indreo. 6 Avy tany Gileada sy tany ame tanin'i Tatima-hodsy indreo, avy eo da tagny Danajana ary nagnodidy hatre Sidona. 7 Avy tagny ame ferova mafin'i Tyro sy gne tanàne Hivita sy gne Kananita aby indreo. Avy eo da nijotso negne Negeva agny Joda ao Beri-sheba indreo. 8 Ka lefa avy nitety gne tany aby indreo, da nipody tagny Jerosalema indreo tame farane sivy vola sy roapolo andro. 9 Da nitatitry gne fitambaran'isane lelah mpiady tagny ame mpanjaka i Joaba. Nisy lelah be herim-po 800.000 izay nagnajotso sabatry tam’israely, ary gne lelahan’i Joda da lelah 500.000. 10 Da nampahory enazy gne fon'i Davida lefa avy nagnisa gne lelah izy. Ka niroho tam’i Yaveh izy hoe: "Nanota tanteraky tame fagnamboara eniza iah. Amizao fotoa zao, ry Yaveh, alay gne heloky gne mpanomponao, f’efa nagnano fahadala dato iah." 11 Lefa nifoha i Davida gne narandray, da avy tam’i Gada mpaminany, mpahitan'i Davida gne rohon'i Yaveh, nagnano hoe: 12 "Andeha rohono am’i Davida hoe: 'Izao gne rohonin'i Yaveh: "Magnome safidy telo enao Iaho. Ka misafidiana raiky amiza.'''" 13 Da negnam’i Davida i Gada ka niroho taminazy hoe: "Sakave telo tao me da ho avy aminao ao ame taninao? Sa hilefa telo vola gne fahavalonao me enao laha magnenjiky enao indreo? Sa hisy areti-mamono telo andro ao ame taninao? Amizao fotoa zao manapaha hevitry gname valiny tokony havaliko Enazy gne nagnirak’enah." 14 Da hoy i Davida tam’i Gada se: "Ao agnaty fikorontagna tanteraky iah. Ao ba isika ho lavo eo atanan'i Yaveh akogn’eo antanane gn’olo, satria tena zakabe gne famindram-pony." 15 Ka nandefa gn’areti-mamono tame gn' Israely nanomboky narandray ka hatrame fotoa vatondro i Yaveh, ary olo fito aly gne maty nanomboky tao Dana ka hatre Beri-sheba. 16 Lefa nagninjitry gne tagnany negne Jerosalema ba hagnapotiky eniza gn’anjely, da niova hevitry nohone ratsy haterak'iza Yaveh, ka niroho tame gn’anjely nagnapotiky gn’olo Izy hoe: "Ampy izay! Ahhemoro e tagnanao." Tam’io fotoa io gn’anjelin'i Yaveh da nitrotry tam-pamoloan'i Araona Jebosita. 17 Da nikoraha tam’i Yaveh i Davida lefa nahita gn’anjely namango gne vahoky, ary nagnano hoe: "Efa nanota iah, ary ratsy fitondran-tegna. Nefa iza ondry za, ino gne namboariny?" Ao ro ba iaho sy gn’ankohonan’iabako gne ho saziane tananao!" 18 Avy eo da avy tam’i Davida tam’io andro io i Gada ary niroho taminazy hoe: "Mekara ary magnamboara alitara ho an'i Yaveh eo am-pamoloan'i Araona gne Jebosita." 19 Da niakatry arak’izay nandidian'i Gada anazy ho amboariny i Davida, arak’izay nandidian'i Yaveh. 20 Nagnety tagny ivelany Araona ary nahita gne mpanjaka sy gne mpanompony nagnato. Da nijotso i Araona ary nampiankohoky gne laharany tame tany tame mpanjaka. 21 Da hoy i Araona se: "Nahoa da avy eto aminah, mpanompony, gne mpanjaka tompoko?" Namaly i Davida hoe: "Hividy gne famoloanao, ba hahafahako magnano alitara ho an'i Yaveh, ba hialane gnareti-mamono eo ame vahoky." 22 Hoy i Araona tam’i Davida se: "Amboaro akoign’anao iza, ry mpanjaka tompoko. Amboaro am’iza gne tsara eo amasonao. Igny, io misy aomby atao fagnatitry oroa sy fifia vary ary ziogan'aomby amboary hitay. 23 Io raha aby io, ry mpanjakako, iah, Araona, da hagnome enao en’iza." Da hoy izy tame mpanjaka se: "Hagneky enao ro Yaveh Andriamanitrao." 24 Hoy gne mpanjaka tam’i Araona se: "Tsia, hovidiko ame vidiny iza. Tsy hanolotry fagnatitry oroa ho an'i Yaveh ame raha tsy nisasarako iah." Ka novidian'i Davida sekely volafotsy dimampolo gne famoloa sy gn’aomby. 25 Nagnano alitara ho an'i Yaveh tao i Davida ary nagnome fagnatitry oroa sy fagnatipihavana tam’iza. Da nitalaho tam’i Yaveh ho ane tany indreo, ka nampijano gn’areti-mamono nagnera an'Israely Izy.