1 Hoy i Davida se: "Misy olo tafajano afaky agnambarako hatsaram-pagnah nohone am’i Jonatana me ao ame fianankavian’i Saoly ?" 2 Nisy mpanompo raiky angia hoe: Ziba tao ame fianankavian’i Saoly, ary niantso enazy ho agny am’i Davida indreo. Hoy gne mpanjaka taminazy se: "Enao me gne Ziba?" Da namaly izy hoe: "Eny, mpanomponao iah." 3 Ka hoy gne mpanjaka se: "Tsy misy olo tavela ba azoko agnambara gn’hatsaram-panahan'Andriamanitry ve avy ao ame fianankavian'i Saoly?" Namaly gne mpanjaka i Ziba hoe: "Jonatana da ambola managnanaky lelah, malemy tomboky." 4 Hoy gne mpanjaka taminazy se: "Aia izy?" Da namaly gne mpanjaka i Ziba hoe: "Igny, ao andragnon'i Makira zanaky lahan'i Amiela any Lo-debara izy." 5 Avy eo i Davida mpanjaka nagniraky enazy sy nampamoky enazy tandragnon'i Makira zanaky lahan'i Amiela avy any Lo-debara. 6 Noho iza i Mefiboseta zanak'i Jonatana zanaky lahin'i Saoly, da nagnam’i Davida ary nampiankohoky gne tarehiny tame tany ho vononahitr'i Davida. Hoy i Davida se: "Mefiboseta." Da namaly izy hoe: "Eh, mpanomponao iah!" 7 Hoy i Davida taminazy se: "Ka matahatry, fa hagnambara hatsaram-pagnah aminao ho an'i Jonatana nohone gnam’iabanao dato iah, ary hagnapody aminao gne tanin'i Saoly iababenao aby iah, ary hihina eo ame latabatriko mandrakariva enao." 8 Niankohoka i Mefiboseta ary nagnano hoe: "Ino ity mpanomponao, gne tokony hagnety amin-tsitraka amboa maty akoign’anah enao?" 9 Avy eo gne mpanjaka da nampangaiky en'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ary nagnano taminazy hoe: "Izay an'i Saoly sy gne fianankaviany aby da nomeko gne zafine tomponao. 10 Enao, gne zanakao lah, ary gne mpanomponao da tsy mentsy miasa gne tany ho anazy ary tsy mentsy mijinja gne vokatry enao ba hanagnane zafine tomponao hany ho hany. Fa i Mefiboseta, zafine tomponao, da tsy mentsy hihina mandrakariva eo ame latabatriko." Ary i Ziba da nanagnanaky lah dimy amby folo sy mpanompo ropolo. 11 Avy eo i Ziba niroho tame mpanjaka hoe: "Ho amboarine mpanomponao gne raha andidiane mpanjaka tompoko gne mpanompony." Da nampiane mpanjaka hoe: 12 "Laha gnam’i Mefiboseta da hihina eto ame latabatriko izy, akoigne raiky ame zanaky lahane mpanjaka." Nanagnanaky lelah tanora angia hoe Mika i Mefiboseta. Gn’olo aby nipetraky tandragnon'i Ziba da mpanompon'i Mefiboseta aby. 13 Ka da nipetraky tagny Jerosalema i Mefiboseta, ary nihina tame latabatry gne mpanjaka mandrakariva izy, ndre da nalemy gne tombokiny roy.