1 Taty afara da maty gne mpanjakane vahokin'i Amona, ary lasa mpanjaka tame toerany i Hanona zanany lah. 2 Hoy i Davida se: "Hagnano soa am’i Hanona zanak'i Nahasy iah, akoigne nagnamboaran’iabany soa taminah." Ka da nandefa gne mpanompony hampahery an'i Hanona mahakasiky en’iabany i Davida. Niditra tame tanine vahokin'i Amona gne mpanompony. 3 Nefa hoy gne mpitariky gne vahokin'i Amona tam’i Hanona tompondreo se: "Mihevitry marigny me enao fa magnome voninahatry en’iabanao i Davida satria nandefa gne mpanompony hampahery enao izy? Tsy efa nandefa gne mpanompony taminao me i Davida ba hagnety gne tanà, hitsikilo en’iza, ba handrava en’iza?'' 4 Ka nosamborin'i Hanona gne mpanompon'i Davida, noharatany gn’antsasaky gne volombavandreo, notapahany hatrame foto-tsobeny gn’akanjondreo, ary noroahany. 5 Lefa nagnazava en’iza tam’i Davida indreo, da nandefa olo hitsena andreo izy, satria afa-baraka tanteraky gne lelah. Hoy gne mpanjaka hoe: "Mitoera ao Jeriko mandra-pitsiriane volombavanareo indraiky, ary miveregna avy eo." 6 Lefa hitane vahokin'i Amona fa lasa mangidy hoditry am’i Davida indreo, da nandefa mpinday hafatry gne vahokin'i Amona ary nagnarama gne Syriana avy ao Beti-rehoba sy Zoba, miaramila nandeha tomboky roy aly, sy gne mpanjakan'i Maka niray tame lelah arivo, ary gn’olon'i Toba niray tame lelah roa arivo sy iray aly. 7 Lefa nahare en’iza i Davida, da nandefa an'i Joaba sy gne tafiky miaramila aby izy. 8 Avy gn’Amonita ary nilahatry hiady tame fidira tame vavahadine tanàndreo, raha ambola nitsanga tame tondane Syriana avy agny Zoba sy Rehoba, ary gn’olo avy agny Toba sy Maka. 9 Lefa nahita gne fahavalo takatrefany sy tafarany i Joaba, da nisafidy gne sasany tam’izay mahay miady indrindra izy ary nandamina andreo hiady ame Syriana. 10 Laha gname tafiky sisa tavela, da nomeny ho bekon'i Abisay rahalahany, ka nalahiny hiady ame tafik'i Amona indreo. 11 Hoy i Joaba se: "Laha mafy lotry ho anah gne Syriana, da enao, Abisay, gne tsy mentsy magnavotry enah. Fa raha mafy lotry ho anareo gne tafik'i Amona, da ho avy iah ary hagnavotry enareo. 12 Mahereza, ary andeha isika hampiseho gne tanjakintsika ho ane vahokintsika sy gne tanàn'Andriamanitsika, satria i Yaveh da hagnano izay tsara ho ane tanjony.'' 13 Ka nandroso i Joaba sy gne miaramila tame tafikiny ba hiady hanohitry gne Syriana, izay vatery nilefa takatrefane tafik'Israely. 14 Lefa nahita gne miaramilane Syriana nilefa gne tafik'i Amona, da nilefa an'i Abisay koa indreo ary nipody tao ame tanà. Avy eo i Joaba nipody avy tagny ame vahokin'i Amona ary nipody tagny Jerosalema. 15 Lefa hitane Syriana fa ho resin'Israely indreo, da nivondro niray indraiky indreo. 16 Avy eo Hadadezera nampangaiky Syriana maromaro avy agny an-dafin'Onin'i Eofrata. Avy tao Helama niray tam’i Sobaka, gne mpifehy gne tafik'i Hedadezera lohandreo indreo. 17 Lefa norohony en’iza i Davida, da namory gn’Israely aby izy, niampita an'i Jordana, ary avy tany Helama. Nilahatry hiady hanohitry an'i Davida gne Syriana ary niady taminazy. 18 Nilefa an'Israely gne Syriana. Nahafaty miaramila mpinday kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsovaly efatr'aly i Davida. Naratra i Sobaka mpifehy gne tafikindreo ary maty tagny. 19 Lefa hitane mpanjaka aby mpanompon'i Hadadezera fa resin'Israely indreo, da nagnano fihavana tam’israely indreo ka lasa mpanompony. Noho iza gne Syriana da natahatry gne hagnampy gne vahokin'i Amona.