1 Ary lefa avy gne lohamboari, ame fotoa fandihanane mpanjaka hiady, da nirahan'i Davida i Joaba, mpanompony, sy gne tafik'Israely aby. Noravàndreo gne tafik'i Amona ary nagnano fahirano an'i Raba. Nefa nisihy tagny Jerosalema i Davida. 2 La avy gn’hariva da nifoha tam-pandriany i Davida ary nandeha tagny ame tafone lapany. Avy egny izy gne nahatsijo viavy raiky izay tame fandroa, ary tena mahafinaritry e magnety en’iza viavy za. 3 Noho iza da nandefa sy nagnontagny gn’olo mahafantatry gne mikasiky en’iza viavy za i Davida. Nisy olo raiky niroho hoe: ''Tsy i Batseba, zanaky vavin'i Eliama me iza, ary tsy gne vadin'i Oria gne Hetita me izy?" 4 Da nandefa mpitondra hafatry i Davida ary nangala anazy; da avy tagny aminazy izy, ary niara-natory taminazy izy (satria vao avy nagnadio gne tegnany tame fadimbola izy). Avy eo da nipody tagny ame tragnony izy. 5 Nitoe-jaza gne viavy, ary nampagniraky sy niroho an'i Davida izy; hoy izy se: ''Mitraboky iah.'' 6 Avy eo i Davida nampagniraky tagny am’i Joaba nagnano hoe: ''Alefaso aty aminah i Oria gne Hetita.'' Da nalefan'i Joaba tagny am’i Davida i Oria. 7 Lefa avy i Oria, da nagnontagny enazy i Davida hoe nagnano akory i Joaba, nagnano akory gne tafiky, ary nagnano akory gne fandehane gn’ady. 8 Da hoy i Davida tam’i Oria hoe: ''Midìgna agny ame tragnonao, ary sasay gne tombokao.'' Ka da niala tao ame lapane mpanjaka i Oria, ary nandefa fagnomeza ho an'i Oria gne mpanjaka tafarane nandehanany. 9 Fa natory tambarangarane lapane mpanjaka nindray tame mpanompone tompony aby i Oria, ary tsy nidy tagny ame tragnony izy. 10 Lefa niroho tam’i Davida indreo hoe: ''Tsy nidy tame tragnony i Oria", da hoy i Davida tam’i Oria se: ''Tsy avy nandeha me enao?'' Nahoa enao da tsy nandeha nidy tame tragnonao?" 11 Namaly en'i Davida i Oria hoe: ''gne tobilo, sy Israely ary i Joda da misihy ao ame lay, ary i Joaba tompoko sy tompone mpanompoko da nitoby tagny ame lohasaha. Akoingaia gnahafahako megname tragnoko ba hihina sy hindrano ary hatory hiray ame vadiko? Laha ambola velo dato enao, da tsy hagnano eniza iah." 12 Ka hoy i Davida tam’i Oria se: ''Mijanògna etoa heky gn’androany, fa homaray enao homeko mandeha." Ka nisihy tao Jerosalema tam’io andro io sy gn’homarain’io Oria. 13 Lefa nangaiky enazy i Davida, da nihina sy nindrano tagnatrehany izy, ary nomamoin'i Davida izy. Gne hariva i Oria da nijotso ba hatory miaraky ame mpanompone tompony eo am-pandriany; tsy nandeha nidy tagny ame tragnony izy. 14 Ary lefa narandray da nanoratry taratasy ho an'i Joaba i Davida, ary nandefa eniza tame gnalalane tagnan'i Oria. 15 Davida nanoratry tame taratasy niroho hoe: "Apetrahy agnoloane gn’ady mafy indrindra i Oria, ary melà eo aminazy avy eo, ba mety ho vavango sy vafiky izy." 16 Ka laha nagnano fahirano tame tanà i Joaba, da nanendry an'i Oria tame toera nahafantarany gne miaramila fahavalo matanjak’indrindra hiadagny izy. 17 Lefa nijotso gne lelahane tanà ary niady tame tafik'i Joaba, da lavo gne sasany tame miaramilan'i Davida, ary Oria gne Hetita evakoa da vavango tagny. 18 Lefa nandefa roho tagny am’i Davida mikasiky gne raha maangalasiky gn’ady i Joaba, 19 da nandidy gne mpitondra hafatry izy, niroho hoe: ''Lefa vazakanao ame mpanjaka gne raha aby maangalasiky gn’ady, 20 gne mety hiboda da hoe ho vignitry gne mpanjaka, ka hiroho aminao izy hoe: 'Nahoa gne nagnakeky lotry gne tanà enao gne niady? Tsy fantatrao me fa mety avy egny ame manda indreo gne hitifitry? 21 Ia gne namono en'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta? Izy me ko tsy viavy raiky gne nandefa vato fikosoham-bary taminazy avy egny ame manda, izay nahafaty enazy tagny Tebeza? Nahoa enao gne tegny ame gn’akeky be gne manda gne nandeha?' Ary tsy mentsy hamaly enao hoe: ''Oria gne Hetita mpanomponao evakoa da maty."' 22 Noho iza da lasa gne mpitondra hafatry ary nandeha tagny am’i Davida sy niroho taminazy gne raha aby izay nagnirahan'i Joaba enazy ho lazay. 23 Ary hoy i gne mpitondra hafatry tam’i Davida se: ''Natanjaka noho iza gne fahavalo tagny ame voalohany; nijotso taminay tatonda indreo, fa noroahanay nipody tagny ame fidira ame vavahady. 24 Avy eo nitifitry tagny ame miaramilanao avy egny ame manda gne mpitifitrindreo, ary vavono gne sasany tame mpanompone mpanjaka, ary maty evakoa i Oria gne Hetita mpanomponao." 25 Da hoy i Davida tame mpitondra hafatry se: ''Rohono an'i Joaba izao: 'k’hany mahavignitry enao ity, fa gne sabatry da handevo raiky raiky hafa. Hamafiso kokoa hanohera gne tanà gn’adinao, ka ravao iza,' ary ampirisiho izy.'' 26 Ka lefa rene vadin'i Oria fa maty i Oria vadiny, da nisaona tanteraky gne vadiny izy. 27 Lefa nisinda gn’alahelony, da nampagniraky sy nampody enazy tagny ame lapany i Davida, ka lasa vadiny izy ary niteraky zazalahy taminazy. Kanefa tsy nankasitrahan'i Yaveh gne namboarin'i Davida.