Toko Faha 12

1 Ary i Yaveh nandefa an'i Natana tagny am’i Davida. Avy taminazy izy ary niroho hoe: "agny evao andro raiky, da nisy lelah roilah tame tanà raiky. 2 Nanan-karia gne lelah raiky ary gne raiky hafa nahantra. Gne raiky nanan-karia da nana gn’ondry aman'osy sy gn’aomby maro be, 3 fa gne lelah nahantra tsy nana ndre ino ndre ino afa-tsy ondrivavy kidy raiky, izay novidiany sy nofahanany ary nompiany. Niara-zakabe taminazy sy tame zanany iza. Niara-nihina taminazy sy nindrano tame kapokany mihitsy aza gn’ondry, ary natory tame sandriny akoigne zanany vavy iza. 4 Nisy andro raiky da nisy mpitsidiky avy tame lelah manan-karia, fa gne lelah manan-karia tsy te-angala biby raiky avy ao ame andian'ondry aman'osiny sy gn’aombiny ba home ho hany ho anazy. Fa nalainy kosa gne zanak'ondrine lelah mahantra ary nandrahoany ho ane mpamangy enazy iza." 5 Nagnadary gne havignira tame lelah manan-karia i Davida, ka niroho an-katezerana tam’i Natana hoe: "Raha ambola velo koa Yaveh, da mendrika ny ho vonoina ho faty ny lelahy izay nanao iza. 6 Tsy mentsy honerany efatra heny ny zanak'ondry satria nanao raha akoigne iza izy, ary satria tsy nanana antra tam’ilay lelahy nahantra izy." 7 Ary hoy i Natana tam’i Davida se: "Enao iza lelah iza! i Yaveh, gn’Andriamanitr'Israely, niroho hoe: 'Nagnosotry enao ho mpanjakan'Israely Iaho, ary namonjy enao hiala tatanan'i Saoly. 8 Nagnome enao gne tragnone tomponao Iaho, ary gne vadine tomponao ho eo ame sandrinao. Nomeko anao evakoa gn’ankohonan'Israely sy Joda. Fa raha ambola kidy lotry iza, da ho nagnome anao raha maro hafa ho fagnampiny iah. 9 Ka nahoa enao gne nagnano tsinontsino gne didin'i Yaveh, ary nagnano gne ratsy tamasony? Novonoinao tame sabatry i Oria gne Hetita ary nalainao ho vadinao gne vadiny. Novonoinao tame sabatry gne tafik'i Amona izy. 10 Ka amizao fotoa zao da tsy hiala ame taranakao mandrakizay gne sabatry, satria nagnano tsinontsino enah sy nangala gne vadin'i Oria gne Hetita ho lasa vadinao enao.' 11 Hoy i Yaveh se: 'Igny, hapidi-doza hanohitry enao avy ao ame gn’ankohonanao evao Iaho. Eo agnoloane masonao evao, gn’angalako gne vadinao ary hagnomezako andreo ho ane namanao, ary hiaraky hatory am-pahalalaha ame vadinao ame atoandrobe-nanahary izy. 12 Fa nanota gnambadiky enao, Nefa hamboariko eo agnatrehan'Israely aby iza raha iza, ame atoandrobe-nanahary."' 13 Da hoy i Davida tam’i Natana se: "Nanota tam’i Yaveh iah." Namaly an'i Davida i Natana hoe: "Yaveh evakoa efa namela gne fahotanao. Tsy ho vonoy enao. 14 Kanefa, satria tame gn’alalan'iza fihetsiky za gne nagnamboaranao tsinontsino an'i Yaveh, da ho faty tokoa gne zaza izay aterakao." 15 Avy eo da niala i Natana ary nody tagny an-tragno. Namango gne zaza nateraky gne vadin'i Oria tam’i Davida i Yaveh, ka narary mafy izy. 16 Avy eo da nangataky mafy tamin'Andriamanitry ho ane zazalah i Davida. Nifady hany i Davida ary niditry tao ka natory tame tagny gn’aly tontolo. 17 Gne loholone tragnony da nisihy sy nitsanga tagnilany, ba hampiarigny enazy avy eo ame tany, fa tsy nety niarigny izy, ary tsy nety hisakafo nindray tamindreo. 18 Ary tame gn’andro fahafito gne nahafaty gne zazalah. Gne mpanompon'i Davida da natahotry gne hiroho taminazy fa maty gne zaza, fa hoy indreo se: "Igny, raha ambola velo gne zaza da nizaka taminazy iahay, ary tsy niteno gne feonay izy. Ino gne mety ho hamboariny ame tegnany raha miroho aminazy iahay fa maty gne zazalah?!" 19 Fa lefa hitan'i Davida fa nifampibitsibitsiky gne mpanompony, da fantatr'i Davida fa maty gne zaza. Hoy izy tame mpanompony hoe: "Maty me gne zaza?" Namaly indreo hoe: "Maty izy." 20 Da nitsangana avy tame tany i Davida ary nanasa gne tegnany, nihosotry diloilo, ary nanolo gne fitafiany. Nandeha negname tabernakelin'i Yaveh izy ary nagnano fanompoam-pivavaha tagny, ary avy eo nipody nody tagny ame lapany izy. Lefa nangataky izy, da napetrakindreo tagnoloany gne sakafo, ka nihina izy. 21 Avy eo gne mpanompony niroho taminazy hoe: "Nahoa gne nagnano en’izao enao? Nifady hany enao ary notagny gne zaza tame nahavelo enazy, fa lefa maty gne zaza, da nitsanga enao ary nihina." 22 Da namaly i Davida hoe: "Raha ambola velo gne zaza da nifady hany sy notagny iah. Hoy i aho se: 'Ia gne mahafantatry na hamindra fo aminah Yaveh na tsia, ka mety ho velo gne zaza?' 23 Fa amizao fotoa zao maty izy, ka nahoa iah gne tokony hifady hany? Afaky hamerigny enazy indraiky me iah? Handeha ho agny aminazy iah, fa tsy hipody aminah izy." 24 Nampionona an'i Batseba vadiny i Davida, ary niditry tao aminazy, ka niara-natory taminazy. Taty afara da niteraky zazalah izy, ary nomeny gnagnara hoe Solomona gne zaza. Nitia anazy i Yaveh 25 ary nandefa roho tam’i Natana mpaminany Izy ba hagnano gnagnarany hoe Jedida, satria tia anazy i Yaveh. 26 Ary i Joaba da niady tam’i Raba, gne tanàne mpanjakane vahokin'i Amona, ary babony gne ferova mafy. 27 Noho iza da nandefa mpitondra hafatry ho agny am’i Davida i Joaba ary niroho hoe: "Niady tam’i Raba iah, ary nalaiko gne famatsian-dranone tanà. 28 Amizao fotoa zao ary angony miray gn’ambine tafikao ary mitobia hanohitry gne tanà ary alay iza, satria raha alaiko gne tanà, da hinday gnagnarako iza." 29 Da namory gne tafiky aby i Davida ary nandeha tagny Raba; niady tame tanà izy ary nambabo iza. 30 Nalain'i Davida tame lohane mpanjakandreo gne satro-boninahatry—talenta volamena raiky gne lanjan'iza, ary nisy vato sarobidy tagnatiny. Napetraky tambony lohan'i Davida gne satro-boninahatry. Avy eo da nindesiny nijotso gne babone tanà maro be. 31 Nindesiny nijotso gn’olo tao ame tanà ary notereny hiasa ame tsofa, sy vy fagnaketoha, ary famaky indreo; nasainy niasa tagny ame laforo fandoroam-biriky indreo. Notakian'i Davida ba hagnano iza asa iza gne tanàne vahokin'i Amona aby. Avy eo da nipody te Jerosalema i Davida sy gne tafiky aby.