Toko Faha 13

1 Ary tafaran'iza i Amnona zanaky lahan'i Davida, da tena vasariky tam’i Tamara anakaviny tsara tarehy, tena anakavin'i Absaloma, zanaky lahan'i Davida hafa. 2 Niady say be i Amnona ary nanjary narary izy nohone gnam’i Tamara anakaviny. Virijiny izy, ary da tena tsy nety tam’i Amnona mihitsy gne hagnano raha aminazy. 3 Fa i Amnona da nana nama i Jonadaba gnagnarane zanaky lahin'i Simea, rahalahan'i Davida. i Jonadaba da lelah fetsy dato. 4 Hoy i Jonadaba tam’i Amnona se: "Nahoa, ry zanaky gne mpanjaka, gne ketraky isa-marandray enao? Tsy hiroho aminah me enao?" Da namaly enazy i Amnona hoe: "Tiako i Tamara, anakavin'i Absaloma rahalahako." 5 Da hoy i Jonadaba taminazy se: "Mandria eo ame fandrenao ary modia marary. Lefa avy hagnety enao iabanao, da agnontanio izy hoe: 'Afaky alefanao aty aminah me i Tamara anakaviko azafady ba hagnome raha ho haniko sy hahandro eniza etoa agnoloako, ka ba ahafahako mahita eniza sy mihina eniza avy ame tagnany?'" 6 Noho iza da natory i Amnona ka nody narary. Lefa avy nagnety enazy gne mpanjaka, da hoy i Amnona tame mpanjaka se: "Ba alefaso ro i Tamara anakaviko ba hagnano sakafo etoa agnoloako am’izao aretiko zao ba ahafahako mihina izay avy ame tagnany." 7 Da nandefa roho ho an'i Tamara tandapany i Davida, nagnano hoe: "Mandihana agny ame tragnon'i Amnona analahanao izao ka magnomà sakafo ho anazy." 8 Da nandeha tagny ame tragnon'i Amnona analahany tagny ame nandriany i Tamara. Nangala koba izy ary namolavola iza ka nagnambotry mofo tamasony, ary da nahandro eniza izy avy eo. 9 Nalainy gne lasitry ka nomeny enazy gne mofo, fa nandà tsy hihina izy. Avy eo da hoy i Amnona tame gn’hafa teo se: "Avohay agny ivelany gnolo aby, ho lavitry enah." Ka nandeha niala taminazy gnolo aby. 10 Ary hoy i Amnona tam’i Tamara se: ''Ento ao ame gn’efitragnoko gne sakafo ba hihinanako enazy avy ame tagnanao." Da nalain'i Tamara gne mofo izay efa namboariny, ka nindesiny tao ame gn’efitragnon'i Amnona analahany. 11 Lefa nitondra gne sakafo taminazy izy, da nitazo enazy izy ka niroho taminazy hoe: "Avia, mandria miaraky aminah, ry anakaviko." 12 Namaly enazy izy hoe: "Tsia, ry analahako, ka tere iah, fa tsy fany etoa ame gn’Israely e raha akoiza. Ka magnano eniza raha maharikoriko iza! 13 Akongaia gne helako ame fahamegnarako? Ary gn’aminao? Ho akoigne raiky ame gnadala etoa ame gn’Israely enao! Amizao fotoa zao, ba miresaha ame mpanjaka, fa tsy hisaka anah tsy ho anao izy." 14 Fa na iza aza da tsy niteno enazy i Amnona. Satria natanjaka noho i Tamara izy, da nanambotry enazy izy ary natory nindray taminazy. 15 Ary nankahala an'i Tamara tame fankahala tafahotry i Amnona. Nankahala anazy lavitry noho gne nagniriany enazy izy. Hoy i Amnona taminazy se: "Mitsangàna ary mandihana." 16 Fa izy da namaly enazy hoe: "Tsia! Satria izao faharatsia zakabe ame fandroahanao enah zao da ratsy noho gne namboarinao taminah!" Nefa tsy niteno enazy i Amnona. 17 Fa da, nangaiky gne mpanompony izy ka nagnano hoe: "Alay tsy ho eto aminah ity viavy ity, ary hidio gne varangara lefa tafavoky izy." 18 Da navokine mpanompony tagny ivelany izy ary nidiany gne varangara lefa tafavoky izy. Nisiky akanjo lava varavaky tsara i Tamara satria gne zanaky vavine mpanjaka izay virijiny da niakanjo akoiza. 19 Nasian'i Tamara lakevo tame lohany ary norotainy gnakanjony. Niloloha gne tagnany tame lohany izy ary nandeha, notagny mafy tegny am-pandehana. 20 Hoy i Absaloma analahany taminazy se: "Nindray taminao ve i Amnona analahanao? Nefa mangy, ry anakaviko. Analahanao izy. Ka mandray en’iza raha iza am-po." Da nitoetra raiky tame tragnon'i Absaloma analahany i Tamara. 21 Fa lefa henon'i Davida mpanjaka iza raha aby iza, da vignitry mafy izy. 22 Ary i Absaloma tsy niroho ndre ino ndre ino tam’i Amnona, satria i Absaloma nankahala anazy nohone gn’efa namboariny taminazy sy gne fomba nangalany baraka an'i Tamara anakaviny. 23 Ary nony afaky roy tao katroky da nana mpagnety ondry niasa tao Bala-hazora i Absaloma, izay akekin'i Efraima, ary Absaloma nanasa gne zanaky lahine mpanjaka aby ba hitsidiky ao. 24 Negny ame mpanjaka Absaloma ka nagnano hoe: "Indro amizao fotoa zao, gne mpanomponao da mana mpanety ondry. Ka, aoky gne mpanjaka sy gne mpanompony hindray aminah, mpanomponao.'' 25 Da namaly an'i Absaloma gne mpanjaka hoe: "Tsia, ry zanako, tsy tokony handeha hiaraka aminao avokoa izahay aby satria ho enta-mavesatry ho anao." Nampirisika gne mpanjaka i Absaloma, nefa tsy nandeha izy, kanefa nitso-drano an'i Absaloma izy. 26 Da hoy i Absaloma hoe: "Raha tsy iza, apetray ro i Amnona rahalahiko andeha hiaraky aminay." Da hoy gne mpanjaka taminazy se: "Fa nahoa i Amnona gne tokony hiaraky aminareo?" 27 Noteren'i Absaloma i Davida, ka da namela an'i Amnona sy gne zanaky lahine mpanjaka aby andeha hiaraka aminazy izy. 28 Nandidy gne mpanompony i Absaloma nagnano hoe: "Mitenoma tsara. Lefa manomboky mamone divay i Amnona, ary lefa miroho aminareo iah hoe: 'Tafiho i Amnona,' da vonoy izy. Aza matahatry. Tsy efa nandidy enareo me iah? Mahereza ary manàgna herim-po." 29 Ka da namboarine mpanompon'i Absaloma tam’i Amnona araky izay efa nandidiany andreo. Da nitsanga gn’anaky lah ne mpanjaka aby, ary nipitiky gn’ampondrany gn’olo aby ka nilefa. 30 Ary raha ambola tandalana indreo, da avy tagny am’i Davida gne vaovao magnano hoe: "Novonoin'i Absaloma gne zanaky lah ne mpanjaka aby, ka tsy nisy ndre raiky ba afaky nienga tamindreo." 31 Da nitsanga gne mpanjaka ka nandrivatry gne rahisikiny, da natory tame tany; ary gne mpanompony aby nitsanga takeky teo nindray tame lamba rivatry. 32 Ary i Jonadaba zanak'i Simea, rahalahan'i Davida, namaly ary nagnano hoe: "Aoky gne tompoko tsy hino fa namono gne tovolah aby gne zanaky gne mpanjaka indreo, satria i Amnona raiky evao gne maty. I Absaloma efa nagnoma an’izao nanomboky tame gn’andro izay nagnolan'i Amnona an'i Tamara anakaviny. 33 Noho iza aoky gne tompoko mpanjaka tsy handray en’iza tatitry za ampo, ka hino fa gne zanaky gne mpanjaka aby gne maty, satria i Amnona raiky evao gne maty." 34 Nilefa lavitry i Absaloma. Nisy mpanompo mpiamby nampiakatry gne masony ka nahita olo maro tame lala tegny gne vohitry akandrefany. 35 Da hoy i Jonadaba tame mpanjaka se: "Igny, tame zanaky lah ne mpanjaka. Akoigne norohonine mpanomponao mihitsy iza." 36 Ary lefa tapitry gne zakany, da avy gne zanaky lah ne mpanjaka ka napiakatry gne feondreo ary notagny. Gne mpanjaka sy gne mpanompony aby koa da notagny mafy. 37 Fa i Absaloma nilefa ary negnam’i Talmay, zanaky lahan'i Amihoda, gne mpanjakan'i Gesora. Nandala gne zanany isan'andro i Davida. 38 Noho iza i Absaloma da nilefa ary nirogny te Gesora, izay nipetrahany telo tao. 39 Fa gne sain'i Davida Mpanjaka da nagniry be gne hagnety an'i Absaloma, fa nionogny mahakasiky gnam’i Amnona sy gne fahafatesany izy.