Toko Faha 14

1 Ary i Joaba zanaky lahan'i Zeroia da nahafantatry fa nagniry gne hahita an'i Absaloma gne fone mpanjaka. 2 Noho iza da nandefa roho ho agny Tekoa i Joaba ary ninday viavy hendry ho anazy. Hoy izy tam’iza viavy za se: "Ba mengavy re amboaro akoigne mandala enao ary mitafia akanjo fandala. Ba mengavy ro ka hosora diloilo gne tegnanao, fa magnamboara akoigne viavy izay nandala gne maty efa ela. 3 Avy eo da mandihana megname mpanjaka ary koragno aminazy gne mikasiky gne ho faritako." Da norohonin'i Joaba taminazy gne roho izay tokony ho rohony tame mpanjaka. 4 Lefa nizaka tame mpanjaka iza viavy avy agny Tekoa, da nampiankohoky gne tarehiny tame tany izy ary nagnano hoe: "Ampio iah, ro mpanjaka." 5 Da hoy gne mpanjaka taminazy se: "Ino gn’olagny?" Da Namaly izy hoe: "gne marigny da mpitondratena iah, ary maty gne vadiko." 6 Iaho, mpanomponao, da managnanaky roy lah, ary niady tatonda indreo, ka tsy nisy nagnasaraky endreo. Gne raiky namango gne raiky ary nahafaty enazy. 7 Amizao fotoa zao da mitsanga manohitry gne mpanomponao gne fianakaviambe manontolo, ary hoy indreo se: 'Homeo gne lelah izay namango gne rahalahany, ba hamonoanay enazy ho faty, ba hagnonitry gnaine rahalahany izay novonoiny.' Ka da ho vonoindreo koa gne mpandova. Da akoiza koa gne hangalandreo gne vain'afo mirehitry izay napetrakiko, ary tsy hagnapetraky gnagnara na gne taranaky etoa ambonine tany ho ane vadiko indreo." 8 Ka da hoy gne mpanjaka tamiza viavy za se: "Mandihana agny andragnonao, ary handidy raha hamboary ho anao iah." 9 Da namaly gne mpanjaka iza vehivavin'i Tekoa za hoe: "Ry mpanjaka, tompoko, aoky ho aminah sy ho ame fianankavian’iabako gne heloky. Tsy manan-tsigny gne mpanjaka sy gne seza fiandrianany." 10 Namaly gne mpanjaka hoe: "ndre ia ndre ia miroho raha aminao, da ento aty aminah izy, ary tsy hikasiky enao koa izy." 11 Da hoy i izy se: "Ba mengavy ro, aoky gne mpanjaka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitryo, ka tsy hamotiky ndre ia ndre ia bebe kokoa gne mpamaly rà, ba tsy hamotehandreo gne zanako lah." Da namaly gne mpanjaka hoe: "Raha ambola velo koa i Yaveh, da tsy hisy ndre da singam-bolo raiky ame zanakao aza hihintsa ame tany." 12 Da hoy iza viavy za se: "Ba mengavy ro ba apetray gne mpanomponao ba hiroho teny fagnampiny ame tompoko gne mpanjaka." Da hoy izy se: "Mirohona." 13 Da hoy iza viavy za se: "Ka nahoa ary enao gne mihevitry raha akoiza ame vahokin'Andriamanitry? Fa ame fizaka iza raha za, da akoign’olo meloky gne mpanjaka, satria gne mpanjaka da tsy ambola namerigny andragno koa gne zanany lah varoky. 14 Fa tsy mentsy ho faty isika aby, ary akoigne rano araraky ame tany isika, izay tsy azo rofy koa. Fa gn’Andriamanitry tsy angala gn’ay; fa kosa, mahita lala ho agne izay varoky Izy ba ho apody koa. 15 Ka amizao fotoa zao ary, avy hizaka iza raha za ame mpanjaka tompoko iah, iza da satria nampitahatry enah gne vahoky. Ka niroho tame tegnany gne mpanomponao hoe: 'Hizaka ame mpanjaka iah izao. Angamba hagnatanteraky gne fangatahane mpanompony gne mpanjaka. 16 Satria hiteno enah gne mpanjaka, ba hanolora gne mpanompony ho afaky ame tanane lelah izay hamotiky enah sy gne zanako lah, ho afaky ame lovan'Andriamanitry.' 17 Avy eo da nivavaky gne mpanomponao hoe: "Ry Yaveh, aoky hagnameva anah gne tenine mpanjaka tompoko, satria akoign’anjelin'Andriamanitry, da akoiza koa gne mpanjaka tompoko ame fizaka gne tsara avy ame ratsy.' Engany ba Homba anao ro i Yaveh Andriamanitrao." 18 Avy eo da namaly gne mpanjaka ka niroho tam’iza viavy za hoe: "ba mengavy ro kafiny aminah izay rehetry hagnontaniako enao." Da namaly iza viavy za hoe: "Aoky hiroho gne mpanjaka tompoko amizao fotoa zao ." 19 Da hoy gne mpanjaka se: "Izy me ko tsy miray aminao ame raha aby gne tanan'i Joaba?" Da namaly iza viavy za ka nagnano hoe: "Raha ambola velo koa enao, ry mpanjaka tompoko, da tsy misy afaky milefa megn’ankavana na megn’ankavia ame raha aby izay norohonine mpanjaka tompoko. I Joaba mpanomponao gne nandidy enah sy niroho taminah ba hiroho gne raha izay norohonine mpanomponao io. 20 Efa nagnano en’iza i Joaba mpanomponao ba hampiova gne zava-mitranga. Hendry gne tompoko, akoigne fahendrene gn’anjelin'Andriamanitry, ary fantatriny gne raha aby izay mitranga eo ame tany." 21 Da hoy gne mpanjaka tam’i Joaba se: "Eka ro, hagnano en’iza raha za iah. Mandihana, ary ento mipody gne tovolah Absaloma." 22 Noho iza i Joaba da nampiankohoky gne tarehiny tame tany ho voninahitry sy fisaora gne mpanjaka. Hoy i Joaba se: "Amizao fotoa zao da fantatry gne mpanomponao fa nahita sitraka tamasonao iah, ry mpanjaka tompoko, ame fagnatanterahane mpanjaka gne fangatahane mpanompony." 23 Da nitsanga i Joaba, ka negname Gesora, ary ninday an'i Absaloma nipody tagny Jerosalema. 24 Hoy gne mpanjaka se: "Aoky izy hipody agny ame tragnony, fa kamboary mahita gne tarehiko." Noho iza da nipody tandragnony manoka i Absaloma, fa tsy nahita gne tarehine mpanjaka. 25 Ary nagnera an'Israely da tsy nisy olo noderay tame gn’hatsaran-tarehiny mihotry gnan’i Absaloma. Manomboky ame tombony ka hatrame tampondohany da tsy nisy kilema ba hita heky taminazy. 26 Lefa manapaky gne volon-dohany izy isaky gne farane tao, satria navesatry taminazy eniza, da nolanjainy gne volony; milanja eo ame roanjato sekely eo iza, izay lanjay ame fandanjane mpanjaka. 27 I Absaloma da niteraky telo lah sy viavy raiky, i Tamara gnagnarany. Viavy tsara tarehy izy. 28 Nipetraky roy tao feno tao Jerosalema i Absaloma, fa tsy nahita gne tarehine mpanjaka. 29 Avy eo i Absaloma da nandefa roho ho an'i Joaba ba handefa anazy agny ame mpanjaka, Nefa tsy avy tagny aminazy i Joaba. Da nandefa roho fagnindroany i Absaloma, kanefa ts’ambola avy evakoa i Joaba. 30 Da hoy i Absaloma tame mpanompony se: "Eh, akekin’enah gn’horak'i Joaba, ary mana vary hordea ao izy. Mandihana ary oroy iza." Ka norohane mpanompon'i Absaloma gne horaky. 31 Avy teo da nitsanga i Joaba ary negnam’i Absaloma tandragnony, ka nagnano taminazy hoe: "Ino gne nagnoroane mpanomponao gn’horakiko?" 32 Da namaly en'i Joaba i Absaloma hoe: "Igny, nandefa roho taminao iah nagnano hoe: 'Avia aty ba hahafahako magniraky anao ho agny ame mpanjaka ba hiroho hoe: "nagnino iah gne niala tagny Gesora? Tsara kokoa ho anah gn’ambola misihy agny. Noho iza ary da aoky iah hagnety gne tarehine mpanjaka, ka laha meloky iah, da aoky izy hamono enah."'" 33 Da lasa negname mpanjaka i Joaba ary niroho taminazy. Lefa nampangaiky an'i Absaloma gne mpanjaka, da nagnato gne mpanjaka izy ary niankohoky tambany tame tany nagnoloa gne mpanjaka, ary norohane mpanjaka i Absaloma.