Toko Faha 15

1 Ary tafaran'iza da nagnoma gne kalesy sy sovaly ho anazy i Absaloma, niaraky tame lelah dimampolo ba hialoha anazy. 2 Nifoha marandray i Absaloma ary nitsanga tame lala megname vavahadine tanà. Lefa nisy olo nana gn’ady ho enty eo ame fitsaràne mpanjaka, da nangaiky enazy i Absaloma ary niroho hoe: "Avy aia gne tanà nevisanao?" Da namaly gne lelah hoe: "Avy ame raiky ame fokon'Israely gne mpanomponao." 3 Da niroho taminazy i Absaloma hoe: "Eh, tsara sady marigny gne raharahanao, Nefa tsy misy olo nomene mpanjaka fahefa hiteno gne raharahanao." 4 Da nampian'i Absaloma hoe: "Iriako raha ba namboary ho mpitsara tetoa ame tany iah, ba ho eo aminah gn’olo aby izay mana gn’ady na raharaha, ary hagnome rariny ho anazy iah!" 5 Ary lefa nisy olo avy tam’i Absaloma ba hagnome haja anazy, da nagnajotso gne tagnany izy ary nandray enazy ka nagnorok’enazy. 6 Nagnano akiza tame gn’Israely aby izay negname fitsarane mpanjaka i Absaloma. Ka da nangala gne fone gn’olon'Israely i Absaloma. 7 Ary tame fiafarane tao efatry da hoy i Absaloma tame mpanjaka hoe: "apetray ro iah ba handeha ary hagnefa gne voady namboariko tam’i Yaveh tagny Hebrona. 8 Fa nagnano voady gne mpanomponao fony iaho nipetraky tagny Gesora tagny Syria, nagnano hoe: 'Raha ho indesin'i Yaveh mipody any Jerosalema dato iah, da hanompo an'i Yaveh."' 9 Ka hoy gne mpanjaka taminazy se: "Mandihana am-piadana." Ka nienga i Absaloma negname gn’Hebrona. 10 Nefa avy eo da nagniraky mpitsikilo nagnera gne fokon'Israely aby i Absaloma, niroho hoe: "Vantany vao mahare gne feone trompetra enareo, da aoka hiroho hoe: 'Absaloma gne mpanjaka agny Hebrona."' 11 Nisy lelah roan-jato avy agny Jerosalema nandeha nindray tam’i Absaloma, izay vaasa. Nandeha tame tsy fanagnan-tsigny indreo, ary tsy nahafantatry ndre ino ndre ino tame nomagnin'i Absaloma. 12 Lefa nanolotry soro i Absaloma, da nangala an'i Ahitofela avy agny ame tanà nevisany any Gilo izy. Mpanolo-tsainan'i Davida izy. Nahery vaiky gne fikonokononan'i Absaloma, satria vomaiky nitombo gn’olo nagnaraky enazy. 13 Nisy iraky negnam’i Davida nagnano hoe: "Magnaraky an'i Absaloma gne fone gn’olon'Israely." 14 Ka hoy i Davida tame mpanompony aby izay nindray taminazy tao Jerosalema se: "Mitsangàna ary alaska hilefa, raha tsy iza da tsy hisy ho afaky hilefa an'i Absaloma isika. Miomàgna hiala dien’izao, raha tsy iza da hahatratry entsika malaky izy, ary hitondra loza etoa amintsika izy ka hanafiky gne tanà ame lelan-tsabatry." 15 Da hoy gne mpanompone mpanjaka tame mpanjaka se: "Eh, vonogny gne hagnano gne raha tapaky aby gne mpanjaka tomponay gne mpanompony." 16 Da niala gne mpanjaka ary narahane fianankaviany aby, fa nagnapetraky viavy folo, izay vaditsindrano, ba hiamby gne lapa gne mpanjaka. 17 Lefa avy nijotso gne mpanjaka sy gnolo aby tafarany, da nisihy tame tragno farany indreo. 18 Nandeha nindray taminazy gne tafikiny aby, ary nandeha talohany gne Keretita, sy gne Peletita ary gne Gatita aby—lelah eninjato gne nagnaraky enazy avy agny Gata. 19 Da hoy gne mpanjaka tame Gatita se: "Nahoa enao gne handeha hindray aminay? Miveregna ary mijanògna miaraky ame mpanjaka, fa vahiny sady sesin-tany enao. Miveregna agny ame fipetrahanao evao. 20 Satria vao niala omaly enao, da nahoa iah gne tokony hagnapetraky enao hireriry hindray aminay? Tsy fantatriko akory izay alehako. Ka mipodia ary indeso mipody gne firene raiky namanao. Engany ba hindray aminao gne fahitsia sy gne fahatokisa.'' 21 Fa i Itahy da namaly gne mpanjaka ary niroho hoe: "laha ambola velo evao i Yaveh, ary laha ambola velo koa gne mpanjaka tompoko, any ame toera aby andihanane mpanjaka tokoa, da any koa gne handihanane mpanomponao, na midika fahaveloma iza na fahafatesa." 22 Ka hoy i Davida tam'i Itahy hoe: "Mandrosoa ary manohiza mindray aminay." Ka da nandeha nindray tame mpanjaka Itahy Gatita sy gne lelahany aby sy gne fianankaviany aby izay nindray taminazy. 23 Notagny mafy gne tanà aby laha nandalo gne Lohasahan'i Kidrona gne vahoky, ary laha nitsaky evakoa gne mpanjaka. Nandeha tandala nirogny ho agny ame tany efitry gn’olo aby. 24 Na i Zadoka nindray tame Levita aby, izay nilanja gne tobilone fagneken'Andriamanitry aza da teo. Nahidindreo gne tobilon'Andriamanitry, da negnamindreo i Abiatara. Nandigny mandra-pevisane vahoky avy latame tanà indreo. 25 Hoy gne mpanjaka tam’i Zadoka hoe: "Lanjay mipody agny atanà gne tobilon'Andriamanitry. Raha mahita fitia amason'i Yaveh iah, da hinday enah hipody Izy ary hagnaboda gne tobilo sy gne toera hipetrahany indraiky. 26 Fa laha miroho Izy hoe: 'Tsy mankasitraky enao Iaho,' eh, inty iah, aoky hamboariny aminah izay aby hitany fa mety aminazy." 27 Hoy gne mpanjaka tam’i Zadoka mpisoro se: "Tsy mpahita angaha enao? Miveregna agny atanà apedana, miaraky ame zanakao roy lah anao, da i Ahimaza zanakao, sy Jonatana zanak'i Abiatara. 28 Eh, handigny agny ame gn’efitr'i Araba iah mandra-pevisane teny avy aminao hampahafantatry enah." 29 Ka da ninday gne tobilon'Andriamanitry nipody tagny Jerosalema i Zadoka sy Abiatara, ary nipetraky tagny indreo. 30 Fa niakatry tsy nikiraro sy notagny negname Tendrombohitr'Oliva i Davida, ary nisarondoha. Gn’olo aby tame vahoky nindray taminazy da nandrakotry gne lohany, ary nandeha niakatry ampitomagnia tegny ampandihana indreo. 31 Nisy olo niroho tam’i Davida nagnano hoe: "Isane mpikonokono mindray am’i Absaloma i Ahitofela." Ka nivavaky i Davida hoe: "I Yaveh o, avadiho ho fahadala ro gne torohevitr'i Ahitofela." 32 Ary i Davida lefa avy tatampone lala, izay efa fanompoa gnan'Andriamanitry, da avy nifankahazo taminazy i Hosay gne Arkita nindray tame gnakanjony rivatry sy vovon-tany tame lohany. 33 Hoy i Davida taminazy hoe: "Laha mandeha mindray aminah enao, da ho enta ho anah. 34 Fa laha mipody agny atanà enao ka miroho am’i Absaloma hoe: 'Ho mpanomponao iah, ry mpanjaka, akoigne naha-mpanompon’iabanao enah tame gnandro taloha, da ho mpanomponao evakoa iah amizao fotoa zao,' da hampikoronta gne torohevitr'i Ahitofela ho anah anao. 35 Tsy mana an'i Zadoka sy Abiatara mpisoro hiaraky aminao me enao? Ka ndre ino ndre ino renao ao ame lapane mpanjaka, da aoky ho lazainao am’i Zadoka sy Abiatara mpisoro iza. 36 Ezaho tsara ba hiaraky amindreo agny gne zanany roy lahy, da Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara. Aoky ba halefanao aty aminah ame tanandreo gne raha aby izay renao." 37 Ka da negn’atanà i Hosay, naman'i Davida, raha vao avy sy niditry an'i Jerosalema i Absaloma.