1 Lefa niala tsy lavitry gne tampone tendrombohitra i Davida, da avy nitsena anazy i Ziba mpanompon'i Mefiboseta nindray tame gnampondra roy misy lasely; indreo da nitondra mofo roanjato, sampam-boaloboky zato sy fehezan'aviavy zato, ary divay raiky tavoara. 2 Niroho tam’i Ziba gne Mpanjaka hoe: "Nahoa gne ninday en’io raha io enao?" Namaly i Ziba hoe: "Gn’ampondra da namboary hipitiane gn’ankohonane mpanjaka, gne mofo sy gne mofo mamy misy aviavy da namboary ho hanine gn’olonao, ary gne divay da namboary ho sotroine izay torovagna tagny an-tany hay." 3 Hoy gne mpanjaka se: "Aia ary gne zafy lahane tomponao?" Namaly gne mpanjaka i Ziba: "Eh, nisihy tagny Jerosalema izy, fa hoy izy se: 'Androany da ho averine gn’ankohonan'Israely aminah gne fanjakan’iabako.'" 4 Da niroho tam’i Ziba gne mpanjaka hoe: "eh, izay an'i Mefiboseta aby da lasanao amizao fotoa zao." Namaly i Ziba hoe: "Miondrika am-pagnetretegna eo agnatrehanao iah, ry mpanjaka, tompoko. Aoky hahita sitraka amasonao iah." 5 Lefa nagnato an'i Bahorima i Davida Mpanjaka, da nisy lelahy avy ame fokon'i Saoly nipoitry avy tagny, angia hoe: Simey zanak'i Gera. Nijotso nagnozo teny ampandihana izy. 6 Notorahany vato i Davida sy gne manam-pahefane mpanjaka aby, ndre da teo gne tafiky sy gne mpiamby izay takavia sy takavanane mpanjaka. 7 Nangaiky fagnozogna i Simey: "Mandihana agny, mandihana mijotso etoa, enao mpagnano ratsy, enao mpandatsaky rà! 8 Novalian'i Yaveh taminareo aby gne ràne fianankavian'i Saoly nalatsakareo, tame toera nanjakanareo. Nomen'i Yaveh tatagnan'i Absaloma zanakao gne fanjaka. Avy ame faharava enao satria olone rà." 9 Da hoy i Abisay zanaky lahan'i Zeroia, tame mpanjaka se: "Nahoa io amboa maty io gne magnozo gne mpanjaka tompoko? Apetray ro iah handeha ary hanapaky gne lohany." 10 Fa niroho gne mpanjaka hoe: "Mpifagnino me iah sy enao, ry zanaky lahan'i Zeroia? Magnozo enah angamba izy satria nizaka taminazy i Yaveh hoe: 'Ozony i Davida.' Ia iza gn’afaky hiroho aminazy hoe: 'Nahoa enao gne magnozo gne mpanjaka?'" 11 Ka hoy i Davida tam’i Abisay sy gne mpanompony aby se: "Eh, gne zanako lah, naterakiko, da ta hamono enah. Ka maiky fa gne fagnirian’i Benjamina gname faharavako? Apetrao izy ary apetray izy hagnozo, satria nibeko enazy hagnano en’iza i Yaveh. 12 Hagnety gne fahoria miatefa aminah angamba i Yaveh, ary hamaly soa anah nohone ozo namboariny taminah tandroany." 13 Ka nandeha tandala i Davida sy gn’olony, ary i Simey kosa nagnaraky andreo avy eny ampita tatampone vohotry, nagnozo sy namafy vovoky ary nitora-bato enazy laha nandeha izy. 14 Avy eo da valaky gne mpanjaka sy gn’olo aby izay nindray taminazy, ka nangala gnainy izy lefa nisihy indreo gn’hariva. 15 Ary i Absaloma sy gn’olon'Israely aby izay nindray taminazy, da avy tao Jerosalema, ary nindray taminazy i Ahitofela. 16 Ary lefa avy teo am’i Absaloma, i Hosay gne Arkita, naman'i Davida, da nilaza tam’i Absaloma i Hosay hoe: "Ho ela velo ro gne mpanjaka! Ho ela velo ro gne mpanjaka!" 17 Hoy i Absaloma tam’i Hosay se: "Izao ve gne fahatokisanao abodanao ame namanao? Nahoa enao gne tsy nandeha nindray taminazy?" 18 Hoy i Hosay tam’i Absaloma se: "Tsia! Fa gne raiky izay nofidian'i Yaveh sy gne vahoky ary gn’olon'Israely aby kosa, gne lelah izay hombako, ary hipetraky eo aminazy iah. 19 Ia evakoa, gn’olo tokony ho tompoiko? Tsy tokony hanompo eo ame fagnatrehane zanany lah ve iah? Akoigne nanompoako tame fagnatrehane iabanao, da hanompo eo ame fagnatrehanao iah." 20 Da hoy i Absaloma tam’i Ahitofela se: "Omeo gne torohevitrao iahay gname tokony ho amboarinay." 21 Da namaly an'i Absaloma i Ahitofela hoe: "Mandihana miray matory ame vady mpanompon’iabanao izay napetrany hiamby gne lapa, ary ho ren'Israely aby fa nagnamembo tegna tam’iabanao enao. Avy eo da hatanjaky gne tanane gn’olo miray aminao." 22 Ary namelatry lay ho an'i Absaloma tatampone lapa indreo, ka niaray natory tame vady andefon’iabany tamason'Israely aby i Absaloma. 23 Ary gne torohevitry nomen'i Ahitofela tam’iza andro za da akoigne ren'olo avy tame vavan'Andriamanitry mihitsy. Iza gne fahitan'i Davida sy i Absaloma gne torohevitr'i Ahitofela aby.