1 Da niroho tam’i Absaloma i Ahitofela hoe: "Apetray iah hifidy lelah roy arivo sy iray aly, ary hitsanga sy hagnenjiky an'i Davida iah androany ariva. 2 Ho avy eo aminazy iah laha ambola valaky sy malemy iny izy ary hagnapoky enazy ame tahatry iah. Hilefa gne vahoky mindray aminazy, ary gne mpanjaka avao gne ho tafihiko. 3 Ho indesiko mipody aminao evokoa gn’olo aby, akoigne viavy akary avy eo ame vadiny, ary gn’olo aby da hilamy eo ambany fahefanao." 4 Izay nozakain'i Ahitofela da nankasitrahan'i Absaloma sy gne loholon'Israely aby. 5 Da hoy i Absaloma se: "Angio evakoa i Hosay gn’Arkita izao, ary ao ba isika hahare gne zakainy." 6 Lefa avy tam’i Absaloma i Hosay, da nazavain'i Absaloma taminazy gne nozakain'i Ahitofela ary nagnontany an'i Hosay izy hoe: "Tokony hagnano gne nozakain'i Ahitofela ve isika? Laha tsy iza, zakay aminay gne torohevitryo.'' 7 Da niroho tam’i Absaloma i Hosay hoe: "Tsy tsara gne torohevitry nomen'i Ahitofela tam’ity." 8 Da nagnampy i Hosay hoe: "Fantatrao fa mpiady mahery n’iabanao sy gne lelahany, ary maseky indreo, ary akoy bera very anaky atonda. Lelah mpiady n’iabanao; tsy hatory mindray ame tafiky izy androany ariva. 9 Eh, mety misitriky an-davaky na ame toeran-kafa izy zao. Lefa misy maty eo ame fanombohane fanafiha gne lelahanao sasany, ndre ia ndre ia mahare en’iza da hiroho hoe: 'Misy famonoa miboda eo ame miaramila magnaraky an'i Absaloma.' 10 Ka ndre gne miaramila be herim-po be aza, akoigne fone liona gne fondreo, da hatahatry satria fantatry gn’Israely aby fa lelah mahery iabanao, ary gne lelah mindray aminazy da tena matanjaky. 11 Noho iza da manoro hevitry enao iah fa tokony havory mindray etoa aminao gn’Israely aby, manomboky agny Dana ka hatre Beri-sheba, izay maro isa akoigne fasiky eo amorondranomasy, ary gne vatanao mihitsy gn’andeha hiady. 12 Avy eo da ho avy eo aminazy iahay ndre aia ndre aia mety hahita anazy, ary handrakotry enazy akoign’ando milatsaky ame tany iahay. Tsy misy adobokyy ho velo ndre raiky ame gn’olony, na gne vatategnany. 13 Laha misintaky agny ame tanà raiky izy, da hinday tady ho any am’iza tanà za gn’Israely aby ka ho tarihinay ho ame renirano iza, mandra-pahatsisy ndre vato kidy raiky gne hita ao." 14 Da hoy i Absaloma sy gne lelahan'Israely se: "Gne torohevitr'i Hosay gn’Arkita da tsara dato nohone gnan'i Ahitofela."i Yaveh da nampisy fandava gne torohevitry tsaran'i Ahitofela ba hindesa loza eo am’i Absaloma. 15 Da hoy i Hosay tam’i Zadoka sy tam’i Abiatara mpisoro hoe: "Ahitofela nanoro hevitry an'i Absaloma sy gne loholon'Israely tame fomba akoy iza, nefa iah manan-kevitry hafa. 16 Ka amizao fotoa zao, da mandihana malaky ary atero agny am’i Davida; zakay izy hoe: 'Ka mikombo ao ame fitàn'i Araba androany ariva, fa miampità ame fomba aby, laha tsy iza da ho vately mindray ame vahoky aby mindray aminazy gne mpanjaka.''' 17 Ary i Jonatana sy Ahimaza nitoetry tame loharanon'i En-rogela. Nisy mpanompo vavy nany handeha sy hampahafantatry endreo gname tokony ho fantatrindreo, fa tsy natahora ho hita gne fidirandreo ao an-tanà. Lefa avy gne hafatra, da nandeha sy niroho an'i Davida Mpanjaka indreo. 18 Nefa nisy koraolahy nahita andreo tam’io fotoa io ka niroho tam’i Absaloma. Da nijotso malaky i Jonatana sy Ahimaza ary negn’andragnone lelah raiky tao Bahorima, izay nana lava-drano tatokontaniny, tao gne nidignandreo. 19 Nangala fandrakofa gne lava-drano gne vadin-dralelah ary nandrakotry en’iza tame vavane lava-drano, ary nagnaparitaky vary tam’iza, ka da tsy nisy nahafantatry fa tame lava-drano i Jonatana sy Ahimaza. 20 Avy tame viavy tandragno gne lelahan'i Absaloma ary nagnano hoe: "Aia i Ahimaza sy Jonatana?" Hoy raviavy tamindreo se: "Efa nitsaky gn’ony indreo." Ka lefa avy nagnety gne magnodidy indreo ka tsy nahita andreo, da nipody tagny Jerosalema. 21 Ary lefa lasa indreo da niakatry avy tao ame lavadrano i Jonatana sy Ahimaza. Nandeha nitadidy roho tagny am’i Davida Mpanjaka indreo; hoy indreo taminazy se: "Mitsangàna ary mitsaky malaky gne rano satria i Ahitofela efa nagnome torohevitry akoizao sy akoizao mikasiky enao." 22 Da nitsanga i Davida sy gn’olo aby nindray taminazy, ka nitsaky an'i Jordana indreo. Talohane namparandray gn’andro da tsy nisy tsy tafita an'i Jordana indreo. 23 Lefa hitan'i Ahitofela fa tsy naraha gne torohevitriny, da nagnisy lasely gne borikiny izy ary lasa. Nody tagny atanàny izy, nandamy raharahany, ary nagnanto-tegna. Tam’iza fomba iza gne nahafaty enazy ary nalevy tagny ame fasan’iabany izy. 24 Avy eo i Davida da avy tagny Mahanaima. Laha gnam’i Absaloma, da nitsaky an'i Jordana izy, izy sy gne lelahan'Israely aby nindray taminazy. 25 Ary i Absaloma nagnapetraky an'i Amasa fa tsy Joaba hifehy gne tafiky. I Amasa da zanaky lahan'i Jitra gn’Ismaelita, [Fagnamariha: gn’avarapenara da tsy miombon- kevitry fa ndre gne teny farita hoe i Jitra da tokony hoe "Ismaelita" akoign’ame dikan-teny Grika taloha sasany, na hoe "Israelita" akoign’ame lahatsoratry gn’Hebreo taloha. Gn’avara-penara sasany da mino fa fahadisoane mpanao dika soratry ame gn’Hebreo gne hoe "Israelita". Gne hoe "Ismaelita" da teny nampesay ame gnandalanteny mitovy (jereo 1Kor 2:17), na ao ame lahatsoratry Hebreo taloha na Grika.], izay natory niaraky tam’i Abigaila, izay zanaky vavin'i Nahasa ary rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba. 26 Ary i Israely sy Absaloma da nikombo tame tanin'i Gileada. 27 Ary lefa avy tao Mahanaima i Davida, i Soby zanaky lahan'i Nahasa avy ao Raba ao ame gn’Amonita, sy Makira zanaky lahan'i Amiela avy ao Lo-debara, ary Barzilay gne Gileadita avy any Rogelima, 28 da ninday fandria sy bodofotsy, lovia sy vilany, sy vary, kobam-bary hordea, lango, tsaramaso, voanemba, 29 tantely, dibera, ondry, ary ronono mandry, ba hafahan'i Davida sy gne vahoky nindray taminazy mihina. Hoy gne lelah hoe: "Mosare, valaky, ary mangetaheta agny agn'efitry gne vahoky."