1 Nagnisa gne miaramila nindray taminazy i Davida ary nanendry kapitenine gn’arivo sy kapitenine zato tamindreo. 2 Avy eo da nalefan'i Davida gne tafiky, gn’ampahatelony tambany fifehezan'i Joaba, gn’ampahatelony raiky hafa tambany fifehezan'i Abisay zanaky lahan'i Zeroia, rahalahan'i Joaba, ary gn’ampahatelony raiky hafa tambany fifehezan'Itahy Gatita. Hoy gne mpanjaka tame tafiky se: "Iaho evakoa da handeha hindray aminareo." 3 Fa hoy gne lelah se: "Ao ba tsy handeha ame gn’ady enao, fa raha milefa ame gn’ady iahay da tsy hiraharaha gne mikasiky enay indreo, ndre maty gnantsasakay da tsy hiraharaha indreo. Fa enao da mendriky gne ray aly aminay! Noho iza da tsara raha vonogny hagnampy anay avy aty ame tanà enao." 4 Ka namaly endreo gne mpanjaka hoe: "Ho amboariko gne mety ho tsara aminareo." Da nitsanga tame vavahady gne mpanjaka mandrapivoky isan-jatony sy isan'arivony gne tafiky. 5 Nandidy an'i Joaba, Abisay, ary Itahy gne mpanjaka nagnano hoe: "Nohone gn’aminah da mifagnaraha amin-katsaram-pagnah ame koraolah, am’i Absaloma." Gne vahoky aby da nahare fa nagnome en’iza beko za ane kapiteny mikasiky en'i Absaloma gne mpanjaka. 6 Ka lasa negn’ambanivohitry nanohitry an'Israely gne tafiky; niparitaky tame gn’alan'i Efraima gn’ady. 7 Resy tagny takatrefane miaramilan'i Davida gne tafik'Israely; nisy famonoa gn’olo roy aly tagny tam’io andro io. 8 Niparitaky eraky gne faritry raiky manontolo gn’ady, ary maro be gn’olo rava gn’ala nohone sabatry. 9 Ary nifanehatry tame sasany tame miaramilan'i Davida i Absaloma. Nipitiky gn’ampondrany izy, ary nandeha tambany sampa matevine gn’hazo terebinta be gn’ampondrany, ka vatazo tame rantsan-kazo gne lohany. Tavela nikiraviravy tagnelagnelane tany sy gne lagnitry izy raha lasa gn’ampondra nipitiany. 10 Nisy olo raiky nahita en’iza ka niroho tam’i Joaba hoe: "Eh, hitako nihanto tame gn’hazo terebinta i Absaloma." 11 Hoy i Joaba tame gn’olo niroho taminazy gne mikasiky en'i Absaloma: "Eh, hitanao izy! Nahoa gne tsy nafefikinao tame tany izy? Mety ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehinkibo enao." 12 Da namaly an'i Joaba gn’olo hoe: "Ndre da nandray sekela volafotsy arivo aza iah, da ambola tsy haninjitry gne tagnako ame zanaky gne mpanjaka, satria renay aby fa gne mpanjaka da nibeko anao, an'i Abisay, sy an'Itahy, nagnano hoe: 'Ao ba tsy hisy ndre ia ndre ia hikasiky ane koraolahy da i Absaloma.' 13 Laha nahafoy gne vatako tame vandy iah (ary tsy misy raha miafy ame mpanjaka), da mety ho nagnary enah enao." 14 Da hoy i Joaba se: "Tsy hiamby enao iah." Ka nangala lefo telo tatagnany i Joaba ary nandetiky gne tame fon'i Absaloma, laha ambola velo sy nihanto tame hazo terebinta izy. 15 Avy eo gne koraolah folo nibata gne fitaovam-pedian'i Joaba nagnodidy an'i Absaloma, namango enazy, ary namono enazy. 16 Avy eo i Joaba nitsoky gne trompetra, ary nipody avy tame fagnenjeha an'Israely gne tafiky, satria i Joaba gne nifehy gne tafiky. 17 Nalaindreo i Absaloma ka natsipindreo tagnaty lavaky zakabe tagn'ala; nalevindreo tambany gnantontam-bato zakabe gne vatany, laha toa ka nilefa gn’Israely aby, gn’olon-daby ho agny andragnony avy. 18 Ary i Absaloma, laha ambola velo, da nananga antontam-bato zakabe tame Lohasahane Mpanjaka ho anazy, fa hoy izy se: "Tsy manan-janaky lah hinday gnagnarako iah." Nomeny gnagnarany gn’antontam-bato, ka tam’io andro io evao da nangia hoe: Tsangam-baton'i Absaloma iza. 19 Ary hoy i Ahimaza zanak'i Zadoka hoe: "Apetray hihazakazaky hinday vaovao mahafaly ho agny ame mpanjaka iah, da gne fomba namonjen'i Yaveh enazy tatana gne fahavalony." 20 Namaly enazy i Joaba hoe: "Ts’enao gne ho mpinday vaovao androany; ao ba ame gn’andro magnaraky enao gne magnano en’iza. Tsy hinday vaovao enao androany satria maty gne zanaky lahane mpanjaka." 21 Ary hoy i Joaba tame Kosita raiky hoe: "Mandihana, zakay ame mpanjaka gn’hitanao." Da niankohoky tam’i Joaba gne Kosita, ary lasa nihazakazaky. 22 Avy eo i Ahimaza zanak'i Zadoka ambola niroho tam’i Joaba indray hoe: "n’ino n’ino mety hitranga, da apetray hihazakazaky evakoa iah ka hagnaraky gne Kosita."i Joaba da namaly hoe: "Nahoa enao gne ta-hihazakazaky, gne zanako, nefa mahita fa tsy hahazo valisoa ame vaovao enao?" 23 "N’ino n’ino mitranga," hoy i Ahimaza, "Da hihazakazaky iah." Ka namaly enazy i Joaba hoe: "Mihazakazaha." Ary nihazakazaky tame tany lemaky i Ahimahaza, ka nihotry ane Kosita. 24 Ary i Davida nidoboky tagnelagnelane agnatiny sy ivelane vavahady. Nandeha tame tafone vavahady tame manda gne mpiamby ary nampiakatry gne masony. Laha nagnety izy, da nahita lelah nagnato, nihazakazaky raiky. 25 Nitoreo gne mpiamby ary niroho tame mpanjaka. Da hoy gne mpanjaka se: "laha raiky izy, dia misy vaovao ao am-bavany." Nagnato akeky gne mpihazakazaky ary nagnakeky gne tanà. 26 Avy eo da nahita mpihazakazaky raiky hafa gne mpiamby, ka nampangaiky gne mpiamby vavahady izy; hoy izy se: "eh, misy olo raiky hafa mihazakazaky raiky." Hoy gne mpanjaka se: "Minday vaovao evakoa izy." 27 Ka niroho gne mpiamby hoe: "Akoigne fihazakazak'i Ahimaza zanak'i Zadoka gne fahitako gne fihazakazak'olo raiky taloha." Hoy gne mpanjaka se: "Lelah tsara izy ary avy mindray ame vaovao mahafaly." 28 Da nangaiky mafy i Ahimahaza ary niroho tame mpanjaka hoe: "Mety gne raha aby." Nampiankohoky gne tegnany tame tarehiny tame tany takatrefane mpanjaka izy ary nagnano hoe: "Deray ro i Yaveh Andriamanitrao! Nagnafaky gn’olo izay nampiakatry gne tanandreo nanohitry gne mpanjaka tompoko Izy." 29 Ka namaly gne mpanjaka hoe: "Mety tsara ve gname koraolah Absaloma?" Namaly i Ahimaza hoe: "Lefa nandefa anah, mpanompone mpanjaka, hegnaty aminao i Joaba, ry mpanjaka, da nahita koronta zakabe iah, fa tsy fantako hoe ino iza." 30 Da hoy gne mpanjaka se: "Mitodiha kidikidy ary mitsangàna etoa." Ka nitodiky kidy i Ahimaza, ary nitsanga. 31 Da avy teo no eo gne Kosita ka niroho hoe: "Misy vaovao mahafaly ho anao ry mpanjaka tompoko, fa amizao fotoa zao i Yaveh da namaly faty anao tame raha aby nitsanga nanohitr’enao." 32 Ary hoy gne mpanjaka tame Kosita se: "Mety tsara ve gname koraolah i Absaloma?" da namaly gne Kosita hoe: "gne fahavalone mpanjaka tompoko, sy gne raha aby mitsanga manohitr’enao ba handratr’enao, da tokony ho akoy en'io koraolah io." 33 Da ketraky fatratry gne mpanjaka, ka niakatry tagny ame gn’efitragno ambonine vavahady izy ary notagny. Sady nandeha izy gne nimenimeny hoe: "Absaloma zanako, gne zanako, Absaloma zanako! Tokony ho iaho gne maty fa tsy enao, ry Absaloma, gne zanako, gne zanako!"