1 Nozakay tam’i Joaba hoe: "Eh, mitomagny sy misaona ho an'i Absaloma gne mpanjaka." 2 Ka da nivadiky fisaona hoane tafiky aby gne fandrese tam’io andro io, fa gne tafiky nahare en’iza tam’io andro io hoe: "Misaona hoane zanany lelah gne mpanjaka." 3 Tsy mentsy niala mangingy gne tanà tam’io andro io gne miaramila, akoigne vahoky megnatry miala moramora raha handeha ame gn'ady indreo. 4 Nosarognane mpanjaka gne laharany ary notagny mafy hoe: "Ry Absaloma zanako, Absaloma, gne zanako, gne zanako!" 5 Ary niditry tandragno tame mpanjaka i Joaba ary niroho taminazy hoe: "Nangala baraka gne laharane miaramilanao aby tandroany, gne nagnavotry gne vatanao tandroany, gn’aine zanakao lahy sy gne zanakao vavy, sy gn’aine vadinao ary gn’aine vadine gn’andevonao enao, 6 satria enao da tia gne malaign’enao, ary tsy tia gne tia anao. Fa tandroany da nabodanao fa tsinontsino aminao gne mpifehy sy miaramila. Amizao fotoa zao da mino iah fa laha velo i Absaloma, ary maty daholo isika, da nahafaly enao iza. 7 Ka noho iza mitsangàna ka mijotsoa ary izakay moramora gne miaramilanao, fa misoma ratsy am’i Yaveh iah, fa raha tsy mandeha enao, da tsy hisy olo ndre raiky aza hijano hiray aminao tandroany ariva. Ho ratsy dato aminao nohone loza aby gn’efa nahazo enao hatrame fahatanoranao ka hatram’izao iza." 8 Ka nitsanga gne mpanjaka ary nidoboky tame fefine tanà, ary gne vahoky aby nirohona hoe: "Eh, midoboky ame fefy gne mpanjaka," ary negnaloany gne vahoky aby. Da nilefa gn’Israely, samy negnandragnony aby gn’olo aby. 9 Ary gne vahoky aby niady hevitry gname fokon'Israely aby nagnano hoe: "Namonjy entsika tantana gne fahavalontsika gne mpanjaka, ary nagnavotry entsika tatanane Filistina izy, fa amizao fotoa zao da nilefa gne tany izy noho i Absaloma. 10 Absaloma, gne nohosorantsika ba ho re laza tamintsika tetoa, da efa maty tagny ame gnan'ady. Ka nagnino enareo da tsy miroho n’ino n’ino gname fampodia gne mpanjaka?" 11 Davida mpanjaka nagniraky tagny am’i Zadoka sy Abiatara mpisoro nagnano hoe: "Izakay gne loholon'i Joda hoe: 'Ino e nahafarany e nampodia gne mpanjakanareo tame lampany sa, nefa gne rohone gn’Israely aby da misaotry zakabe gne mpanjaka, ba hinday enazy hipody any ame lapany? 12 Rahalahako enareo, nofo aman-drahako dato. Ka aminio da nagnino enareo koa gne lasa farany ame fampodia gne mpanjaka?' 13 Ary izakay i Amasa hoe: 'tsy nofy aman-drahako me enao? Lonoky hohamboarin'Andriamanitry aminah iza, ary mihotry en’iza aza, laha tsy kapitenine tafikiko eo ame toeran'i Joaba enao manomboky zao." 14 Ary da babony akoign’olo raiky gne fone lelahan'i Joda aby. Nagniraky tagny ame mpanjaka indreo nagnano hoe: "Miveregna, enao sy gn’olo aby." 15 Da nipody gne mpanjaka ka avy tame Jordana. Ary gne vahokin'i Joda avy te Gilgala ba hitsena gne mpanjaka ary avy eo hinday gne mpanjaka hitsaky gne Jordana. 16 Simey zanaky lahan'i Gera, gne Benjamita, izay avy agny Bahorima, da nidy malaky nindray tame vahokin'i Joda ba hitsena an'i Davida Mpanjaka. 17 Nisy arivo lahy avy agny Benjamina nindray taminazy, ary i Ziba gne mpanompon' i Saoly, sy gne zanany lahy dimy amby folo ary gne mpanompony ropolo nindray taminazy. Nitsaky gne jordana takatrefane mpanjaka indreo. 18 Nitsaky ba hinday gne fianakaviane mpanjaka sy hagnano gne raha aby noheveriny fa tsara indreo. Niankohoky takatrefane mpanjaka i Simey zanaky lahan'i Gera mialohane hitsakiany gne Jordana. 19 Hoy i Simey tame mpanjaka se: "Avandesa, ry tompoko, ka magnameloky enah na mahatsiaro gne namboarine mpanomponao tame fahamasignane loha tame gn’andro nialane mpanjaka tompoko tao Jerosalema. Mengavy, ao ba tsy handray eniza agnatitroky gne mpanjaka. 20 Fa gne mpanomponao da mahafantatry fa efa nanota iah. Eh, iza gn’antony nevisako valohany tame fianakavian'i Josefa aby tandroany ba hidy hitsena gne mpanjaka tompoko." 21 Fa i Abisay zanaky lahan'i Zeroia da namaly ary nagnano hoe: "Tsy tokony ho vonoy ve i Simey noho iza, satria nagnozo gne voahosotr'i Yaveh izy?" 22 Ary i Davida niroho hoe: "Mpifanino me itsika roy, ry zanaky lahan'i Zeroia, gne tokony ho mpanohitry enah enareo amizao fotoa zao? Tokony hisy lelahy ho vonoy ve gn’etoa ame gn’Israely androany? Izy me ko tsy fantatrao fa iah gne mpanjakan'Israely amizao?" 23 Ka niroho tam’i Simey gne mpanjaka hoe: "Tsy ho faty enao." Da nampagnantegna anazy tamim-pianiana gne mpanjaka. 24 Ary i Mefiboseta zanaky lahan'i Saoly da nidy ba hitsena gne mpanjaka. Tsy nanasa gne tombokiny izy, na nangala gne volom-bavany, na nanasa gne lambany nanomboky tame gn’andro nandihanane mpanjaka ka hatrame gn’andro nevisany soa aman-tsara tandragno. 25 Ka lefa avy lahatagny Jerosalema izy ba hitsena gne mpanjaka, da hoy gne mpanjaka taminazy se: "Ino e tsy nampindray enao taminah, ry Mefiboseta?" 26 Da namaly izy hoe: " Ry mpanjaka tompoko, namitaky enah gne mpanompoko, fa hoy iaho se: 'Hagnisy lasely gn’ampondrako iah ba hahafahako mipitsiky iza sy mindray ame mpanjaka, satria mandringa gne mpanomponao. 27 I Ziba mpanompoko da efa nagnendrikendriky enah, mpanomponao, tame mpanjaka tompoko. Fa gne mpanjaka tompoko da akoign’anjelin'Andriamanitry. Noho iza, amboaro gne tsara eo amasonao. 28 Satria gne taranak’iabako aby da efa lelah maty eo agnatrehane mpanjaka tompoko, kanefa enao nagnapetraky gne mpanomponao ho isane nihina tame latabatrao raiky. Ka ino koa noho iza gne rariny ho anah izay tokony ambola hitaraignako ame mpanjaka?" 29 Dia hoy gne mpanjaka taminazy se: "Nahoa laha magnazava laha mihotry?" Efa nanapakevitra iah fa enareo am’i Ziba gne hizara gne saha." 30 Ary i Mefiboseta da namaly gne mpanjaka hoe: "Eny, ao ba izy gn’angala anazy aby, satria gne mpanjaka tompoko da efa avy soa aman-tsara atoa andragnony." 31 Ary i Barzilay gne Gileadita da nidy avy agny Rogelima ba hitsaky gne Jordana mindray ame mpanjaka, ary nagnatitry gne mpanjaka nitsaky gne Jordana izy. 32 I Barzilay da lelahy efa tena antitry, valopolo tao. Efa nagnome vatsy gne mpanjaka izy fony izy nidoboky tao Mahanaima, satria lelah tena mpanefoefo izy. 33 Hoy gne mpanjaka tam’i Barzilay se: "Ndeha hiaraky mita aminah, ary hagnome enao toera mindray aminah any Jeroselama iah." 34 I Barzilay da namaly gne mpanjaka hoe: "Firy me gne sisa ame gn’andro hiainako, gn’ambola tokony hindray hiakatry ame mpanjaka any Jerosalema iah? 35 Valopolo taon iah. Mahay magnavaky gne tsara ame ratsy me iah? Mahavita mihina gne hohaniko sy tranomiko me gne mpanomponao? Izy me ko mahare gne feone mpihira lah sy mpihira vavy koa? Ka nagnino gne mpanomponao gn’ambola ho vesatry ho ane mpanjaka tompoko? 36 Ta-hitsaky gne jordana mindray ame mpanjaka fotsiny gne mpanomponao. Ka nagnino gne mpanjaka gne da hamaly fitia anah akoiza? 37 Ao ba gne mpanomponao hody, ba ho faty agny ame tanàko eo akaikine fasan’iabako sy iendriko iah. Fa igny, inty i Kimama mpanomponao. Ao ba izy hiara-mita ame tompoko mpanjaka, ary amboaro aminazy gn’heverinao fa tsara aminao." 38 Da namaly gne mpanjaka hoe: "Hiara-mita aminah i Kimama, ary hamboariko aminazy gn’heverinao fa tsara, ary n’ino n’ino irinao aty aminah, da hataoko iza ho anao." 39 Ary da nitsaky an'i Jordana gne vahoky aby, nitsaky gne mpanjaka, da nagnoroky en'i Barzilay izy ary nitso-drano enazy. Da nody tandragnony i Barzilay. 40 Da nita an'i Gilgala gne mpanjaka, ary i Kimama nita nindray taminazy. Gne tafik'i Joda aby da ninday gne mpanjaka nitsaky, ary koa gn’antsasane tafiky gn’Israely. 41 Vetivety da nanomboky avy tame mpanjaka gne lelahan'Israely aby ary niroho tame mpanjaka hoe: "Nahoa gne rahalahantsika, gne lelahan'i Joda, gne nangalatr’enao ary ninday gne mpanjaka sy gne fianakaviany nita an'i Jordana, ary gne lelahan'i Davida aby nindray taminazy?" 42 Da namaly gne lelahan'Israely gne lelahan'i Joda hoe: "Iza da nohone mpanjaka akekenay. Da nahoa enareo gne vignitry am’iza? Efa nandany e novidine mpanjaka me iahay? Efa nagnome fagnomeza ho anay me izy?" 43 Da namaly gne lelahan'i Joda gne lelahan'Israely hoe: "Mana foko folo mifandray ame mpanjaka iahay, noho iza manan-jo gnam’i Davida noho enareo iahay. Da nahoa enareo gne magnano tsinontsino enay? Moa ve tsy gne tolo-kevitray gname hindesa gne mpanjakanay hipody gne rè voalohany?" Fa gne zakane lelahan'i Joda da mahery dato nohone rohone lelahan'Israely.