Toko Faha 20

1 Tazoa nisy mpagnakoronta raiky tame toera ary i Seba gnagnarany zanaky lahan'i Bikry, Benjamita raiky izy. Nitsoka gne trompetra izy sady niroho hoe: "Tsy mana anjara agny am’i Davida itsika, sady tsy mahazo lova agny ame zanaky lahan'i Jese. Apetray gne lelah aby hody any an-tragnony, ry Israely." 2 Noho iza da niala an'i Davida gne lelahan'Israely aby ary nagnaraky en'i Seba zanaky lahan'i Bikry. Nefa gne vahokin'i Joda nifikitry nagnaraky gne mpanjakandreo, avy ame lalan'i Jordana aby ka hatre Jerosalema. 3 Lefa avy tame lapany tao Jerosalema i Davida, da nangala gne vady andevo folo izay napetrany hiamby gne lapa izy, ary napetrany tao ame tragno raiky voamby indreo. Nagnome gne raha nilainy aby izy, fa tsy nindray natory tamindreo koa. Ka nihidy tao indreo mandra-pevisane gnandro nifatesany, niaigny akoigne bandy atitry indreo. 4 Ary hoy gne mpanjaka tam’i Amasa se: "Vorio ao agnatine telo andro gne lelahan'i Joda; tsy mentsy etoa evakoa enao." 5 Da lasa i Amasa namory gne lelahan'i Joda, nefa nahadigny elabe nohone fepotoa izay nandidiane mpanjaka anazy izy. 6 Ka hoy i Davida tam’i Abisay se: "Amizao fotoa zao i Seba zanaky lahan'i Bikry da hagnano ratsy entsika mihotry nohone namboarin'i Absaloma. Indeso gne mpanompone tomponao, gne miaramilako, ka iagno izy, laha tsy iza hahita tanà mimanda izy ka tsy ho hitantsika." 7 Da lasa nagnenjiky endreo lelahan'i Joaba, nindray tame Keretita sy gne Peletita ary gne mpiady mahery aby. Niala tao Jerosalema indreo ba hagnenjiky an'i Seba zanaky lahan'i Bikry. 8 Lefa tame vatobe tao Gibeona indreo, da avy i Amasa ba hitsena andreo. Efa nagnanovan'i Joba roho taminazy gne raisiky hindesy miady, izay nisy fehinkibo tame vaniany nindray tame fagnapetrany e sabatriny nifehy tamiza. Ary laha nandeha izy, da latsaky gne sabatry. 9 Ka hoy i Joaba tam’i Amasa se: "Salama tsara me enao, rahalahako? Noresin'i Joaba tamim-pitiava tame tagnany ankavana gne volombavan'i Amasa ba horofany. 10 Tsy tsikaritr'i Amasa gne sabatry kidy tatagna akavian'i Joaba. Notsindromin'i Joaba tame trokiny i Amasa, ka latsaky tame tany e tsinainy, tsy namango enazy koa i Joaba, ary maty i Amasa. Noho iza da nagnenjiky an'i Seba zanaky lahan'i Bikry i Joaba sy i Abisay rahalahany. 11 Avy eo da nisihy tam’i Amasa gne raiky tame lelahan'i Joaba, ary hoy gne lelah hoe: "Gne mikasiky an'i Joaba, sy gne mikasiky an'i Davida, apetray izy hagnaraky an'i Joaba." 12 Feno e ràny tagnelagnelane lala i Amasa. Lefa hitane lelah fa nisihy gn’olo aby, da nafindrany niala tame lala ho agny ame saha i Amasa. Nosarognany lamba gne tamboniny satria hitany fa gn’olo mandalo eo aminazy da misihy. 13 Lefa avy nala tame lala i Amasa, da nagnaraky en'i Joaba hagnenjiky en'i Seba zanaky lahan'i Bikry gne lelah aby. 14 I Seba da namakivaky gne fokon'Israely aby tagny Abela agny Beti-maka, sy nagnera gne tanine Berita aby, gne nivondro ary nagnenjiky an'i Seba evakoa. 15 Tratr’izy ka namboarindreo fahirano tagny Abelane Beti-maka. Nampiakatry korao raiky tagny magnoloa gne manda tame tanà indreo. Gne tafiky aby izay nagnaraky an'i Joaba da nandrava gne rindry ba hampianjera en’iza. 16 16Avy eo da nisy viavy raiky hendry nangaiky gne tatanà hoe: "tenomo, ba tenomo saro, ry Joaba! Mandika akaikiko etoa fa hikora aminao iah." 17 Ka nagnato enazy i Joaba, hoy gne viavy se: "Enao me i Joaba?" Da namaly izy hoe: "iah izy." Ary hoy izy taminazy se: "Tenomo gne zakane mpanomponao." Da namaly izy hoe: "Miteno iah." 18 Da hoy izy se: "Zakandreo taloha gne hoe: 'Mitadiva hevitry agny am’i Abela,' ary iza hevitry iza gn’ampisihy gne fahasahiragna. 19 Iahay da tanà raiky ame tena milamy sady da azo itokisa tsara etoa ame gn’Israely. Mikasa hagnapotiky tanà raiky reny eto Israely enao. Nagnino enao gne mitadia lalakevitry hihina gne lovan'i Yaveh?" 20 Ka namaly i Joaba ary niroho hoe: "Sagnatria, da sanatria aminah andra, gnangala na hambilavila. 21 Tsy marigny iza. Fa misy lelah raiky avy agny ame tany havoan'i Efraima, angia hoe Seba zanaky lahan'i Bikry, nampiakatry gne tagnany hanohitry gne mpanjaka, hanohitry an'i Davida. Izy taiky gnatolory, da hiala etoa ame tanà iah." Hoy raviavy tam’i Joaba se: "Ho atsipy eo aminao hihotry gne rindry gne lohany. 22 Ary tamimpahendreny gne nagnato gne viavy gn’olo aby. Notapahandreo gne lohan'i Seba zanaky lahan'i Bikry ary natsipindreo tam’i Joaba. Avy eo nilefa gne trompetra izy ary nandao gne tanà gne lelahan'i Joaba, gne lelahy aby ho agny andragnony avy. Avy eo i Joaba da nipody tagny Jerosalema ho agny ame mpanjaka. 23 Ary i Joaba da ambonine tafiky gn’Israely aby, ary i Benaia zanaky lahan'i Joiada da ambonine Keretita sy gne Peletita. 24 I Adorama da ambonine lelah izay nagnano asa anterivozo. Ary i Josafata zanaky lahan'i Ahiloda da mpitahiry. 25 I Seva gne mpanora-dalàna, ary i Zadoka sy i Abiatara gnr mpisoro. 26 I Ira gne Jairita gne mpanoro-kevitry en'i Davida.