1 Tafaran'iza da nanafiky gne Filistina i Davida ka nandresy endreo. Noho iza da nalain'i Davida tsy ho eo ame fifehezane Filistina i Gata sy gne zana-bohiny. 2 Da nandresy gne Moabita izy ka nandrefy gn’olondreo tame tsipiky tame fampandria andreo tame tany. Nandrefy indroane tsipiky izy ba hamonoa, ary indray mandeha monja ba hitazogna ho velo. Ka da lasa mpanompon'i Davida gne Moabita ary nanomboky nandoa hetra taminazy. 3 Ka da resin'i Davida i Hadadezera zanak'i Rehoba, gne mpanjakan'i Zoba, raha lasa nampody gne fanjakany tamorone Ony Eofrata i Hedadezera. 4 Nahababo kalesy 1,700 sy miaramila ame tomboky roy aly avy taminazy i Davida. Notraingon'i Davida aby gne kalesintsoavaly, fa nanoka izay tokony ho ampy gne kalesy zato tamindreo izy. 5 Lefa avy hagnampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba gne Syriana avy tagny Damaskosy, da nahafaty lelah Syriana roy arivo sy roy aly i Davida. 6 Avy eo i Davida nametraky miaramila tagny Syria any Damaskosy, ary lasa mpanompony ka nandoa hetra taminazy gne Syriana. Nampandresy an'i Davida tegny ame nandihanany aby i Yaveh. 7 Da nalain'i Davida gne apinga volamena izay tagny ame mpanompon'i Hedadezera ka nindesiny tagny Jerosalema iza. 8 Avy eo i Davida mpanjaka da nangala varahina maro be avy tao am’i Beta sy Berotahy, tanàn'i Hadadezera. 9 Lefa ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy gne tafik'i Hadadezera aby i Davida, 10 da nirahan'i Toy ho agny am’i Davida mpanjaka i Jorama zanany ba hiarahaba anazy sy hitso-drano enazy, satria i Davida niady tam’i Hadadezera ka nandresy enazy, ary satria Hadadezera da niady tam’i Toy. Gorama da ninday raha vita tame volafotsy, volamena ary varahina nindray taminazy. 11 Davida mpanjaka da nanoka en’iza raha za ho an'i Yaveh, niray tame volafotsy sy volamenane firene aby izay resiny— 12 avy tam’i Syria, Moaba, gn’olon'i Amona, gne Filistina, sy gn’Amalekita, niray tame gn’enta voaroba tam’i Hadadezera zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba. 13 Fanta-daza gnagnaran'i Davida lefa avy nahababo gne Syriana tagny ame Lohasahan-tsira, niray tame lelah valo arivo sy ray alin'indreo. 14 Nagnapetrahany miaramila magnera an'i Edoma aby, ary gne Edomita aby da avy mpanompony. Ary i Yaveh nampandresy en'i Davida tegny ame nombany aby. 15 Nanjaky teo am’israely aby i Davida, ary ninday gne rariny sy gne fahamarigna tame gn’olony aby izy. 16 Joaba zanak'i Zeroia gne mpifehy gne tafiky, ary Josafata zanak'i Ahiloda gne mpirakitra. 17 Zadoka zanak'i Ahitoba sy Ahimeleka zanak'i Abiatara gne mpisoro, ary Seraia gne mpanora-dalà. 18 Benaia zanak'i Joiada gne niandraikitra gne Heretita sy gne Paletita, ary gne zanak'i Davida gne mpanolotsainane mpanjaka.