1 Lefa nipetraky tandragnony gne mpanjaka, ary lefa nagnome fapetogna anazy tame fahavalony magnodidy enazy aby i Yaveh, 2 da hoy gne mpanjaka tam’i Natana mpaminany se: "Igny, mipetraky ame tragno sedara iah, fa gne tobilon'Andriamanitry kosa da misihy ao agnivone lay." 3 Da hoy i Natana tame mpanjaka se: "Mandihana, amboaro gnagnatine trokinao, fa homba anao i Yaveh." 4 Kanefa tam’io ariva io evao da avy tam’i Natana gne zakan'i Yaveh, ary nagnano hoe: 5 "Mandihana ary rohono i Davida mpanompoko hoe: 'Izao gnambaran'i Yaveh: Hagnano tragno hipetraha ho Anah me enao? 6 Fa tsy nipetraky tandragno Iaho hatrame gnandro nindaiko gne vahokin'Israely niakatry avy tao Egypta hatram’izao andro amizao fotoa zao; fa anefa, nifindrafindra lay Iaho, da gne tabernakely. 7 Tagny ame toera nifindrako aby da niray tame vahokin'Israely, ia niroho ndre ino ndre ino tame mpitarik'Israely izay notondroiko hiamby gn’Israely vahokiko me Iah, nagnano hoe: "Nahoa enareo gne tsy nagnambotry tragno sedara ho Anah?"" 8 Ka amizao fotoa zao ary, rohono i Davida mpanompoko hoe: "Izao gn’ambaran'i Yaveh tompone maro: 'Nalaiko avy tatonda anao, tame fagnaraha gnondry, ba ho mpanapaky an'Israely vahokiko enao. 9 Niray taminao matetiky Iaho ndre taia ndre taia nirognanao. Nalàko tagnoloanao aby gne fahavalonao manontolo. Amizao fotoa zao hamboariko zakabe gnagnaranao, akoigne agnarane zakabe teto an-tany. 10 Hisafidy toera raiky ho an'Israely vahokiko Iaho ary hamboly andreo agny, ba hiaigny ao ame toerandreo manoka indreo ary tsy ho voakorontana koa. Tsy hampijaly andreo koa gn’olo ratsy fagnah, akoigne namboarindreo taloha, 11 akoigne namboarindreo hatrame gnandro nandidiako gne mpitsara ba hanapaky an'Israely vahokiko aby. Amizao fotoa zao Iaho da hagnome fapetoa anao ame fahavalonao. Fagnampin'iza, Izah, Yaveh da magnambara aminao fa hagnano tragno ho anao Iaho. 12 Lefa tapitry gnandronao ary hodimandry miaraky ame razambenao enao, da hananga taranaky handimby enao Iaho, izay ho avy ame vatanao, ary hampipetrahako gne fanjakany. 13 Hagnambotry tragno ho ane gnagnarako izy, ary hametraky gne seza fiandrianane fanjakany mandrakizay Iaho. 14 Ho iabany Iaho, ary izy ho zanako. Lefa manota izy, da hagnanatr’enazy ame tsorakazone gn’olo sy ame fifia gne zanak'olo Iaho. 15 Fa gne fahatokisako da tsy hiala anazy, raha nalaiko tam’i Saoly iza, izay nesoriko talohanao. 16 Gne tragnonao sy gne fanjakanao da ho azo antoky mandrakizay eo agnatrehanao. Hitoetry mandrakizay gne seza fiandriananao.'" 17 Da nikoraha tam’i Davida i Natana ary nitadidy tamindreo tegny aby indreo, ary norohoniny taminazy gne mikasiky gne fahita manontolo aby. 18 Avy eo i Davida Mpanjaka nandeha ary nipetraky nagnoloa an'i Yaveh ka nagnano hoe: "ia iah, ry Yaveh Andriamanitry, ary ino gne fianankaviako gne nindesinao ho am’izao tanjogny izao iah? 19 Ary laha kidy eo amasonao iza, ry Tompo Yaveh. Nikoraha mmikasiky gne fianankaviane mpanomponao gname zakabe ho avy Enao, ary nagnaboda taranaky faramandimby taminah, ry Tompo Yaveh! 20 Ino gn’ambola azoko, iaho i Davida, koragny aminao? Nagnome voninahatry gne mpanomponao Enao, ry Tompo Yaveh. 21 Nohone gname rohonao, sy ba hahatanteraky gne tanjonao manoka, da nagnano izao raha zakabe izao Enao ary naneho iza tame mpanomponao. 22 Noho iza da zakabe Enao, ry Tompo Yaveh, satria tsy misy akoy enao, ary tsy misy Andriamanitry hafa ankotry anao, araka izay ren'ny sofinay ihany. 23 Ino gne firene toa an'Israely vahokinao, ilay firene eto an-tany izay, nandihananao Andriamanitry sy novonjenao ho an'ny tenanao? Namboarinao izao ba ho avy vahoky ho anao indreo, ba hagnano gnagnara ho ane tegnanao, ary ba hagnano asa zakabe sy mampatahatry ho ane taninao. Nandroky gne firene sy gn’andriamanitrindreo tagnoloane vahokinao, izay novonjenao avy tao Egypta Enao. 24 Napetrako akoigne vahokinao manoka mandrakizay Israely, ary Enao, Yaveh, da avy Andriamanitrindreo. 25 Ka amizao fotoa zao, ry Yaveh Andriamanitry, enga anie ho apetraky mandrakizay gne fampagnantegna namboarinao mahakasiky gne mpanomponao sy gne fianankaviany. Amboaro araky gne norohoninao. 26 Ho ambony mandrakizay ro gnagnaranao, ka hiroho gne vahoky hoe: 'Yaveh tompone maro gn’Andriamanitr'Israely,' raha apetraky agnatrehanao, gne tragnoko, i Davida mpanomponao. 27 Satria Enao, i Yaveh tompone maro, gn’Andriamanitr'Israely, gne nagnambara tame mpanomponao fa hananga tragno ho anazy Enao. Iza gn’antony, nahitako, iah mpanomponao, fahazotoa hivavaky Aminao. 28 Amizao fotoa zao, ry Tompo Yaveh, da Andriamanitry Enao, ary mendri-pitokisa gne zakanao, ary nagnano en’io fampagnantegna tsara io tame mpanomponao Enao. 29 Ka amizao fotoa zao ary, aoky ba hahafaly Enao gne hitahy gne tragnone mpanomponao, ba hitohy eo agnoloanao mandrakizay iza. Satria Enao, ry Tompo Yaveh, gne niroho en’io raha io, ary tame tso-dranonao gne nitahia mandrakizay gne tragnone mpanomponao."