1 Avy eo gne fokon'Israely aby da negn’am’i Davida tagny Hebrona ary nizaka hoe: "eh igny, nofo sy tolanao iahay. 2 Ambola tsy ela avao, ambola nanjaka tamintsika i Saoly, da enao gne nitariky gne tafik’Israelita. I Yaveh nizaka taminao hoe: 'Handigny gn'Israely vahokiko enao, ary ho lasa mpanapaky eo ame gn’Israely.'" 3 Ka avy tagny ame mpanjaka tagny Hebrona gne loholon'Israely aby, ary i Davida Mpanjaka nagnano fagneke tamindreo tagnatrehan'i Yaveh. 4 Nagnosotry an'i Davida ho mpanjaka tame gn’Israely indreo. Telopolo tao i Davida gne nanomboky nanjaka, ary nanjaka nandritry gn’efapolo tao izy. 5 Tagny Hebrona da nanjaka teo am’i Joda nandritry gne fito tao sy enim-bola izy, ary tagny Jerosalema da nanjaka nandritry gne telo amby telopolo tao teo ame gn’Israely sy i Joda aby izy. 6 Nandeha negname Jerosalema gne mpanjaka sy gn’olony ba hanohitry gne Jebosita, gne mponin'iza tany za. Da hoy indreo tam’i Davida se: "Tsy ho avy etoa enao laha tsy gne jamba sy gne mandringa gne hampipody enao. Tsy afaka gne ho avy etoa i Davida." 7 Ndre da eo iza, da nagnababo gne ferova mafin'i Ziona i Davida, izay tanàn'i Davida amizao fotoa zao. 8 Tam’iza fotoa za i Davida nizaka hoe: "Gne manafiky gne Jebosita da tsy mentsy handalo ame lalan-drano ba hirogny gne 'mandringa sy gne jamba' fahavalon'i Davida." Iza gne ilazane gn’olo hoe: "Gne jamba sy ny mandringa' da tsy mahazo miditry gne lapa." 9 Ka nipetraky tame ferova mafy i Davida ary nangaiky eniza hoe gne tanàn'i Davida. Nohamafisigny gne magnodidy eniza, avy egny ame lavaranga megnagnatiny. 10 Lasa natanjaky be i Davida satria i Yaveh, gn’Andriamanitry gne maro, gne nindray taminazy. 11 Avy eo Hirama mpanjakan'i Tyra nagniraky mpitondra hafatry, sy hazo sedera, mpandrafitry, ary mpagnambotry tragno tany am’i Davida. Nagnambotry tragno ho an'i Davida indreo. 12 Fantatr'i Davida fa efa nagnapetraky enazy ho mpanjakan'Israely i Yaveh, ary efa nandranga gne fanjakany nohone gn’Israely vahokiny Izy. 13 Avy eo i Davida nandao an'i Hebrona ary nandeha tagny Jerosalema, nangala vaditsindrano sy vady maromaro tany Jerosalema izy, ary nisy zaza lelah maro sy zaza viavy maro naterakiny. 14 Itoa aby gnanarane zaza naterakiny tagny Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 15 Jibara, Elisoa, Nafega, Jafia, 16 Elisama, Eliada, ary Elifeleta. 17 Ary lefa rene Filistina fa efa vahosotry ho mpanjakan'Israely i Davida, da nijotso izy aby ba hagnety enazy. Nefa nahare gne mikasiky eniza i Davida ary nandeha nidy tagny ame ferova mafy. 18 Ary da avy gne Filistina ka niparitaky tagny an-Dohasahan'i Refaima. 19 Avy eo i Davida nangataky famonjea tam’i Yaveh. Da hoy izy se: "Tokony hanafiky gne Filistina me iah? Hagnome fandrese amindreo me Enao?" da hoy i Yaveh tam’i Davida se: "Manafiha, fa hagnome fandrese ho anareo eo ame Filistina dato Iah." 20 Ka nanafiky tao Bala-Perazima i Davida, ary tao gne nandreseny endreo. Nahare feo izy hoe: "Nisafoky tame fahavaloko tagnatrehako akoigne fisafokane safo-drano i Yaveh." Ka lasa Bala-Perazima gn’anaran'iza toera iza. 21 Napetrakine Filistina teo gne sampindreo, ary nindesin’i Davida sy gne lehilahany lavitry indreo. 22 Avy eo da niakatry indraiky gne Filistina ary niparitaky fagnindroany tegny an-Dohasahan'i Refaima. 23 Ka da nitadia famonjea avy am’i Yaveh indraiky i Davida, ary da hoy i Yaveh taminazy se: "Ka manafiky gne magnatriky endreo enao, fa hiodidigno avy afara indreo ary magnatogna andreo avy eo ame gn’hazo balsama. 24 Lefa mahare gne feone diabe egny ame feon-drivotry avy eo an-tampone gn’hazo balsama enao, da ao ba hanafiky amin-kery. Amboaro iza satria hijotso meloha anareo ba hanafiky gne tafike Filistina i Yaveh." 25 Ka da nagnano araky gne nandidian'i Yaveh enazy i Davida. Novonoiny nanomboky tagny Geba ka hatrame lala megne Gezera aby gne Filistina.