1 Lefa ren'Isboseta, zanaky lahan'i Saoly, fa maty tagny Hebrona i Abnera, da lasa nalemy gne tagnany, ary nikoronta gn’Israely aby. 2 Ary gne zanaky lahan'i Saoly da nana roy lah izay kapitenine vondrone miaramila. Gn’anarane raiky da i Bana ary gne raiky hafa koa da i Rekaba, zanaky lahan'i Rimona izay Berotita avy ame vahokin'i Benjamina (satria i Berota evakoa da noresy ho isan'i Benjamina, 3 ary gne Berotita nitsoky tagny Gitaima ka nipetraky tagny hatramizao fotoa zao). 4 Ary i Jonatana, zanaky lahan'i Saoly, da nana gn’anaky lelah kilemay, malemy tomboky. Dimy tao izy Lefa avy tao Jezirela gne vaovao mikasiky en'i Saoly sy i Jonatana. Nindesine mpitaia enazy ba hilefa izy. Kanefa laha nihazakazaky igny izy, da lavo gne zanak'i Jonatana ary lasa malemy. Mefiboseta gnagnarany. 5 Noho iza gne zanaky lahan'i Rimona gne Berotita, i Rekaba sy i Bana, da lasa nandeha nandritry gn’hafanane gn’andro negn’ame tragnon'i Isboseta, tam’izy niala sasatry tame mitatao vovogna. 6 Azo tory gne viavy mpiamby varangara laha nagnadio vary, ary i Rekaba sy i Bana nandeha ampahangina sy nandalo enazy. 7 Ka Lefa niditry tao ame tragno indreo, da nanafiky enazy ka namono enazy laha natory tame fandriany tame gn’efitragnony izy. Avy teo da notapahandreo gne lohany ary nindesiny iza, ary nandeha tegny ame lala nandritry gn’hariva manontolo negname gn’Araba. 8 Nindesindreo tagny am’i Davida tao Hebrona gne lohan'Isboseta, ary da hoy indreo tame mpanjaka hoe: "Eh, ity gne lohan'Isboseta zanaky lahan'i Saoly, fahavalonao, gne nifofo gn’ainao. Amizao fotoa zao Yaveh da namely faty gne mpanjaka tam’i Saoly sy gne taranakiny." 9 Ary i Davida da namaly an'i Rekaba sy i Bana rahalahany, gne zanaky lahan'i Rimona ilay Berotita; da hoy izy tamindreo se: "Raha ambola velo koa i Yaveh, nanafaka gn’aiko tame koronta aby, 10 Lefa nisy olo niroho taminah hoe: 'Eh, maty i Saoly,' mieritreritra fa minday vaovao tsara izy, da nosamboriko izy ary novonoiko tagny Ziklaga. Iza gne valisoa nomeko enazy nohone vaovaony. 11 Samindraky fa, lefa nisy lelah namono olo tsy manan-tsigny tame tragnony manoka tambony fandriany, da tsy rariny sa nda laha hangataky gne ràny eo an-tagnanareo mesa iah, ary mangala anareo etoa an-tany?" 12 Avy teo i Davida da nagnome beko gne koraolah, ary namono endreo indreo ka nanapaky gne loha sy gne tombokindreo ary nagnasapy endreo takeky gne kamory tao Hebrona. Fa nalaindreo gne lohan'Isboseta ary naleviny tame fasan'i Abnera tao Hebrona iza.