Toko Faha 3

1 Ary nisy ady lava tame gn’ankohonan'i Saoly sy gn’ankohonan'i Davida. Nihanahery evao i Davida, fa gn’ankohonan'i Saoly kosa da nihaosa lava. 2 Niteraky zazalelah tao Hebrona i Davida. Gne lahamatoany da i Amnona, tam’i Ahinoama avy agny Jezraela. 3 Gne zanany lelah faharoy, da i Kileaba, naterak'i Abigaila, gne mpitondrategna napetrakin'i Nabala avy tagny Karmela. Gne fahatelo, da i Absaloma, zanaky lahan'i Maka, zanaky vavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora. 4 Gne zanaky lahan'i Davida fahefatry, da i Adonia, zanaky lahan'i Hagita. Gne zanaky lahany fahadimy da i Sefatia zanaky lahan'i Abitala, 5 ary gne faheniny da i Jitreama, zanaky lahan'i Egla vadin'i Davida. Io gne zanaky lah naterak'i Davida tao Hebrona. 6 Ary nandritry gn’ady tame gn’ankohonan'i Saoly sy gn’ankohonan'i Davida da niha-nahery tame tokantranon'i Saoly i Abnera. 7 Saoly da nanana vaditsandragno angia hoe Rizpa, zanaky vavin'i Aia. Da hoy i Isboseta tam’i Abnera hoe: "nahoa enao gne niaray natory tame vaditsandragnon’iabako?" 8 Ary da vignitry mafy tame zakan'Isboseta i Abnera ka niroho hoe: "Lohan'amboa izay an'i Joda me iah? Androany iah da mampiseho fahatokia ame gn’ankohonan'i Saoly, razambenao, ame rahalahany, ary ame namany, ba tsy hagnome enareo atagnan'i Davida. Fa amizao fotoa zao enao da miampanga anah gname fagnamboaran-dratsy mikasiky en’ity viavy ty? 9 Lonoky hohanin'Andriamanitra aminah iza, ry Abnera, ary mihotry aza, raha tsy hamboariko am’i Davida araky izay nianianan'i Yaveh taminazy, 10 gne hamindra gne fanjakana avy ame gn’ankohonan'i Saoly sy hagnorigny gne seza fiandrianan'i Davida eo ame gn’Israely sy eo ame Joda, hatre Dana ka hatre Beri-sheba." 11 Tsy nana roho hafa havaly en'i Abnera koa i Isboseta, satria natahatry enazy izy. 12 Avy eo da nandefa mpitondra hafatry negnam’i Davida i Abnera ba hikora ho aminazy magnano akoitsia: "An'ia ity tany ty? Magnambara fagneke aminah, da ho hitanao fa homba anao gne tagnako, ba hinday gne Israely aby ho aminao." 13 Da namaly i Davida hoe: "Tsara iza, hagnano fagneke aminao iah. Kanefa gne raha raiky takiako aminao da gne tsy ahitanao gne tarehiko laha tsy indesinao aloha i Mikala, zanaky vavin'i Saoly, lefa avy hagnety enah enao." 14 Avy eo i Davida nandefa mpitondra hafatry negame Isboseta, zanaky lahan'i Saoly, niroho hoe: "Omeo enah i Mikala vadiko, izay efa naniko fomba tame lohatsintsine Filistina zato." 15 Noho iza i Isboseta da nampaka an'i Mikala ary nangala anazy tam’i Paltiela vadiny, zanaky lahan'i Laisy. 16 Nandeha nindray taminazy gne vadiny, notagny tegny am-pandihana, ary nagnaraky enazy hatre Bahorima. Ary da hoy i Abnera taminazy hoe: "Miveregna andragno amizao fotoa zao." Ka nipody izy. 17 Nikora tame loholon'Israely i Abnera niroho hoe: "Taloha enareo da niezaky gne hana an'i Davida ho mpanjaka eo aminareo. 18 Amizao fotoa zao, amboaro iza. Fa i Yaveh efa niroho tam’i Davida nizaka hoe: 'Ame tanan'i Davida mpanompoko gne hamonjeko gn’Israely vahokiko ame tanane Filistina sy ame tanane fahavalondreo aby.'" 19 Nikora manokana tame gn’olon'i Benjamina evakoa i Abnera. Avy eo da nandeha evakoa i Abnera ba hikora am’i Davida ao Hebrona ba hagnazava gne raha aby izay irian'Israely sy gn’ankohonan'i Benjamina manontolo ho tanteraha. 20 Lefa avy tao Hebrona ba hifagnatriky am’i Davida i Abnera sy gne roapolo tame lehilahany, da efa nagnoma fanasa ho andreo i Davida. 21 Ary i Abnera nagnazava tam’i Davida hoe: "Hitsanga iah ka hanambatry gn’Israely aby ho aminao, ry mpanjaka tompoko, ba hafahandreo magnano fagneke aminao, ba hahafahanao manjaka amizay irinao aby." Ka nandefa an'i Abnera i Davida, ary i Abnera niala tam-piadana. 22 Lefa nipody avy tame fanafiha gne miaramilan'i Davida sy i Joaba ary ninday babo maro nindray tamindreo. Kanefa i Abnera da tsy nindray tam’i Davida tagny Hebrona. Efa nandefa enazy i Davida, ary i Abnera niala tam-piadana. 23 Lefa avy i Joaba sy gne tafiky nindray taminazy aby, da hoy indreo tam’i Joaba se: "Tonga tetoa ame mpanjaka i Abnera zanak'i Nera, ary nalefane mpanjaka izy, ary niala tam-piadana i Abnera." 24 Avy eo da avy tame mpanjaka i Joaba ka niroho hoe: "Ino gne namboarinao? Igny, i Abnera efa avy tetoa aminao! Ino e nandefasanao enazy? 25 Tsy fantatrao me fa i Abnera zanak'i Nera da avy tetoa aminao ba hamitaky enao sy ba hahafantatry gne tetikao ary hamantatry gne raha amboarinao aby?" 26 Lefa nandao an'i Davida i Joaba, da nagniraky mpitondra hafatry nagnaraky an'i Abnera izy, ary nentindreo nipody avy latame famoriandranone Siraha izy, kanefa tsy fantatr'i Davida iza. 27 Laha nipody ho agny Hebrona i Abnera, da nentin'i Joaba nihataky kidikidy tafovoane vavahady ba hiresaka aminazy mangingy izy. Teo i Joaba gne nagnotsoky enazy tame troky ka nahafaty enazy. Tam’iza fomba iza, gne namalian'i Joaba gne ràn'i Asahela rahalahany. 28 Laha nahare gne mikasiky eniza i Davida da hoy izy se: "Iah sy gne fanjakako da tsy manan-tsigny mandrakizay agnatrehan'i Yaveh mikasiky gne ràn'i Abnera zanak'i Nera. 29 Ao ba gne heloky ame fahafatesan'i Abnera hipatraky ame lohan'i Joaba sy gn’ankohonan’iabany aby. Tsy ho afaka ame fianankavian'i Joaba ro gn’olo izay mitsi-drà na gn’areti-koditry na izay mandringa ka tsy mentsy mamindra ame tehina na izay lavon-tsabatry na gne tsy manan-ko-hany." 30 Akoiza gne namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahany an'i Abnera, satria namono an'i Asahela rahalahandreo tagny ame gn'ady tao Gibeona izy. 31 Da hoy i Davida tam’i Joaba sy gn’olo nindray taminazy aby hoe: "Rovito gne raisikinareo, misikina akanjo fisaonagny, ary magnamboara fisaonagny magnoloa gne fatin'i Abnera." Ary i Davida mpanjaka da nandeha tafarane faty tame dingane fandevegna. 32 Nalevindreo tao Hebrona i Abnera. Notagny sady nitoreo mafy tame fasan'i Abnera gne mpanjaka, ary notagny evakoa gn’olo aby. 33 Nisaona an'i Abnera gne mpanjaka ka nihira hoe: "Tokony ho faty akoigne fahafatesane gn’adala me i Abnera? 34 Tsy nofatora gne tagnanao. Tsy nise rojo vy gne tombokao. Fa akoigne fahalavone gn’olona tagnoloane zanaky gne tsy fahamarigna, gne nahalavo enao." Ary ambola notagny enazy indraiky gn’olo aby. 35 Avy nampisakafo an'i Davida gn’olo aby raha ambola atoandro gn’andro, fa i Davida nisoma ratsy hoe: "Hamboarin'Andriamanitry aminah ro iza, ary mihotry aza, raha magnandra mofo na raha hafa iah mialoha gnifatezane masoandro." 36 Tsikaritry gn’olo aby gn’alahelon'i Davida, ary nankasitrahandreo iza, araky gne fankasitrahany izay raha namboarine mpanjaka. 37 Ka takatry gn’olo sy gn’Israely aby tam’iza andro za fa tsy faniriane mpanjaka gne hamono an'i Abnera zanaky lahan'i Nera. 38 Da hoy gne mpanjaka tame mpanompony se: "Tsy fantatrareo sa oa fa andria sy olo zakabe gne lavo tagny Israely tandroany? 39 Fa osa iah amizao fotoa zao, na da mpanjaka vahositry aza iah. Iza lelah za, gne zanaky lahan'i Zeroia, da nahery fihetsiky lotry taminah. Engany ba hamaly gne mpagnano ratsy Yaveh ame fagnasazian’enazy gne ame faharatsiany, arake magneva anazy."