Toko Faha 2

1 Tafaran'iza da nagnontany en'i Yaveh i Davida ary niroho hoe: "Tokony hiakatry agny ame raiky ame tanàn'i Joda saoa iah?" da namaly enazy i Yaveh hoe: "Mekàra." da hoy i Davida se: "Agny ame tanà aia gne tokony handihanako?" da namaly Yaveh hoe: "Agny Hebrona." 2 Noho iza da niakatry nindray tame vadiny roy i Davida, da i Ahinoama avy agny Jezirelita, sy Abigaila avy agny Karmela, gne mpitondrategna napetrakin'i Nabala. 3 Ninday gn’olo nindray taminazy, gne samby ninday gne fianangalaviany avy, ho agny ame tanàn'i Hebrona, nanomboky nonenandreo i Davida. 4 Avy teo da avy gne lelah avy agny Joda ary nagnosotry en'i Davida ho mpanjaka eo ame gnankohonan'i Joda. Da hoy indreo tam’i Davida se: "gn’olon'i Jabesi-gileada gne nandevy en'i Saoly." 5 Noho iza da nagniraky mpitondra hafatry ho agny ame gn’olon'i Jabesi-gileada i Davida ary niroho tamindreo hoe: "Tahin'i Yaveh enareo, satria enareo da nagnaporofo eniza tsy fivadiha iza tam’i Saoly tomponareo sy nandevy enazy. 6 Amizao fotoa zao da hampiseho fagnekem-pihavana tsy mivadiky sy fahatokia aminareo ro Yaveh. Iah evakoa da hampiseho eniza fahatsara iza aminareo satria nagnano eniza raha iza enareo. 7 Ka amizao fotoa zao ary, aoky ba hatanjaky gne tananareo; manàgna herim-po fa maty i Saoly tomponareo, ary gne fokon'i Joda nagnosotry enah ho mpanjaka eo aminareo.'' 8 Fa i Abnera zanaky lahan'i Nera, mpifehy gne tafik'i Saoly, da nangala an'Isboseta zanaky lahan'i Saoly ary ninday enazy tagny Mahanaima. 9 Nagnano an'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, ary ame gn’Israely aby izy. 10 Efapolo tao Isboseta zanaky lahan'i Saoly gne nanomboky nanjaka teo ame gn’Israely, ary nanjaka nandritry gne roy tao izy. Fa nagnaraky en'i Davida gne fokon'i Joda. 11 Fito tao sy enim-bola gne fotoa nanjakan'i Davida tame fokon'i Joda tao Hebrona. 12 I Abnera zanaky lahan'i Nera, ary gne mpanompon'Isboseta zanaky lahan'i Saoly, da niala tao Mahanaima ho agny Gibeona. 13 Ary i Joaba zanaky lahan'i Zeroia sy gne mpanompon'i Davida da nijotso ary nifankahazo tamindreo teo ame farihin'i Gibeona. Tegny indreo gne nipetraky, gne vondro raiky tagnilane farihy ary gne vondro raiky koa da tagnilany hafa. 14 Da hoy i Abnera tam’i Joaba hoe: "Ao ba hitsanga sady hifandreky etoa akatrefantsika gne koraolah." da hoy i Joaba se: "Ao ba hitsanga indreo." 15 Da nitsanga sady niaray nifandrokoroko gne koraolah, roy ambi-folo avy tam’i Benjamina sy Isboseta zanak'i Saoly, ary roa ambi-folo avy tame mpanompon'i Davida. 16 Gne lelah tsikiraikiraiky da samby nanambotry gne mpifanandry taminazy tame lohany sady nisikotry gne sabatriny tame sisine mpifanandry taminazy, ary da niaray lavo indreo. Ka da nangia tame teny Hebreo hoe: "Helkata-hazorima" na "Sahan-tsabatry" iza toera iza, agny Gibeona. 17 Tena mafy dato gn’ady tam’io andro io ary resy takatrefane mpanompon'i Davida i Abnera sy gne lehilahan'Israely. 18 Teo gne zanak'i Zeroia telo lah: Joaba, sy Abisay, ary Asahela. Gne tombok'i Asahela da mandeha malaky akoigne gazela-dia. 19 Ary Asahela nagnenjiky akaiky an'i Abnera sady nagnaraky enazy tsy nihotakotaky tame lalany aby. 20 Nagnety gne tafarany i Abnera ary nagnano hoe: "Enao me io ry Asahela?" Namaly izy hoe: "iah ity." 21 Da hoy i Abnera taminazy se: "Miota agny ame gn’ankavananao na gn’ankavianao, ary manambora raiky ame koraolah ka alay gne fediany." Fa tsy niotaky i Asahela. 22 Da hoy indraiky i Abnera tam’i Asahela se: "Ajanogno gne fagnenjeha enah. Nahoa me iah gne tokony hamango enao ame tany? Haniko akoingaia gne gne hifagnatriky am'i Joaba, rahalahanao?" 23 Fa tsy nagneky gne hiotaky i Asahela, ary da notsohon'i Abnera gn’antsin-defony gne vatany,ary da nipotritry tame lamosiny gne lefo. Nefefiky ary maty teo i Asahela. Gn’olo avy tame toera teo aby izay nampikarapoka sy nahafaty an'i Asahela, da nijano sy tsy nihetsiky teo. 24 Fa nenjehin'i Joaba sy Abisay i Abnera. Lefa maty e masoandro, da avy tame vohotr’i Ama, izay akekin'i Gia eo amorone lala megname gn’efitr'i Gibeona indreo. 25 Niaray nifandrokoroko tafaran'i Abnera gne lehilahan'i Benjamina ary nitsanga tantampone vohotry. 26 Avy eo da nangaiky en'i Joaba i Abnera ary niroho hoe: "Tsy mentsy handrapaka mandrakizay me gne sabatry? Tsy fantatrao me fa hafaitry iza agny ame farany? Mandra-kovia enao va hizaka gn’olonao ba hijano tsy hagnenjiky gne rahalahany indreo? 27 Da namaly i Joaba hoe: "Raha ambola velo evao gn’Andriamanitry, raha tsy niroho eniza enao, da ho nagnenjiky gne rahalahandreo hatrame marandray gne miaramilako!" 28 Da nitsoky gne anjomara i Joaba, ary nijano gn’olony aby ka tsy nagnenjiky gn’Israely koa, na niady koa indreo. 29 Nanditry eniza ariva za da nandeha namakivaky en'i Arabà i Abnera sy gn’olony. Nitsaky an'i Jordana indreo, nandeha hatrame gn’homarain’io manontolo, ary da avy tao Mahanaima. 30 Nipody avy nagnenjiky an'i Abnera i Joaba. Nandagno gn’olony aby izy, ka i Asahela sy miaramila sivy ambi-folo avy am’i Davida gne tsy teo. 31 Fa gn’olon'i Davida da namono 360 lah tame gn’olon'i Benjamina izay nindray tam’i Abnera. 32 Avy eo da nalaindreo i Asahela ary naleviny tame koborin’iabainy, izay tao Betlehema. Ary i Joaba sy gn’olony nandeha gn’hariva manontolo, ary ambola narandraibe evao indreo da avy tao Hebrona.