1 Nisy lelah ambony raiky avy lahatagny Benjamina. Gnagnarany da i Kisy koraolan'i Abiela koraolan'i Zerora koraolan'i Bekorata koraolan'i Afia, gne koraolan'i Benjamita gne raiky. 2 Nanagnanaky lelah nangia hoe Saoly izy, da tena zatovolah dato andra iza. Ts’isy heky olo tsara nitovy tamiza laha ambola tao Israely evao. Manomboky ame sorokiny miakatry da lava mihotry gn’olo aby izy. 3 Ary gnampondran'i Kisy, rain'i Saoly, da very. Arak’iza da nizaka tam’i Saoly zanany i Kisy magnano hoe: "mangala raiky ame mpanompo hindray aminao, mitsangàna ary mandehana mitadia gnampondra." 4 Da namakivaky gne tany havoan'i Efraima i Saoly ary nandeha tame gne tanine Salisa, nefa da tsy nifankahazo aminazy indreo. Ary namakivaky gne tanin'i Salima indreo, nefa da tsy tagny evakoa. Avy teo da namakivaky gne tanine Benjamita indreo, fa da tsy nahita n’ino n’ino. 5 Lefa avy tame tanine Zofa indreo, da nizaka tame mpanompo niray taminazy i Saoly hoe: "Aska itsika hipody, fa mety tsy mitebiteby gn’ampondra koa iabako zay fa mitebiteby etsika." 6 Fa hoy gne mpanompo taminazy hoe: "Tenomo heky aza, misy lelahin'Andriamanitry amin'ity tanà ty. Izy da lelah nome voninahitry; gne raha rohonine vavany da tanteraky aby. Alaska handeha agny; mety ho afaky hanoro etsika gne lala tsara tsy metsy handehanantsika izy." 7 Da hoy i Saoly tame mpanompogne se: "Fa laha mandeha isika, ino gnafaka hindesitsika ho aniza lelah za? Gne mofo agnaty kitapontsika da efa lany aby, ary tsy misy fagnomeza ba ho indesintsika ho an'iza lelahin'Andriamanitry za. Ino gn’hananantsika?" 8 Gne mpanompo namaly en'i Saoly ka magnano hoe: "itoa, iah mana gnampahefatrine sekely volafotsy homeko gne lelahin'Andriamanitry, ba hizakany amintsika gne lala tokony handihanantsika." 9 (Taloha tagne Israely, lefa misy lehilahy mandeha mitady gne fahalala gne sitrapon'Andriamanitry, da mizaka izy hoe: "alaska, andeha ame mpahita itsika." Fa mpahita gnagnara fangia gnambiasa taloha.) 10 Avy teo da nizaka tame mpanompo enazy i Saoly hoe: "Tsara gne vazakanao. Alaska, itsika handeha." Da lasa niroso indreo hoagny ame tanà nisy gne lelahin'Andriamanitry. 11 Ary lefa niakatry gne vohotry ta tanà indreo, da nahita gne tovovavy handeha atsiragna; da hoy i Saoly sy gne mpanompo enazy tamindreo se: "Etoa sa oah gnambiasa?" 12 Da namaly indreo, ka magnano hoe: "Etoa izy; iteo, gnaloha kelinareo gnao izy. Malaky, fa ho avy ao atana izy androany, satria hagnano soro ame toera ambony gne vahoky androany. 13 Laha vantane va miditry gne tanà enareo da hahita anazy, alohan'gne hekarany ame toera ambony hihinanany. Tsy hihina gne vahoky mandram-peviany, satria izy evao gne hamafy rano gne soro; afaran’iza da hihina gne vahiny nasay. Ao mekara amizay, fa hahita anazy enareo." 14 Da niakatry ta tanà indreo. Ary igny indreo niditry gne tanà igny, da nahita an'i Samoela niboda taminazy, ba handeha hiakatry agny am'igne toera ambony. 15 Ary gn’andro talohane nevisan’i Saoly, da nagnabara tam’i Samoela i Yaveh hoe: 16 "Laha homaray akoitsia lera tsia da handefa lelah raiky avy la tame tanine Benjamina aminao iah, ary hagnamasy enazy ho andria eo am'igne Israely vahokiko enao. Hamonjy gne vahokiko am'igne tanane Filistina izy. Fa efa nagnety gne vahokiko tame fangolahana iah satria nila fagnapia indreo, da avy taty aminah." 17 Lefa hitan'i Samoela i Saoly, da nizaka tam’ i Yaveh hoe: "Izy gne lelah nokoragniko taminao ! Izy gn’olo hanapaky gne vahokiko." 18 Avy teo i Saoly da nagnato en'i Samoela tame vavahady ary nagnano hoe: "Ba rohono aminah hoe aia gne misy gne tragnone gnambiasa?" 19 Namaly an'i Saoly i Samoela ka nagnano hoe: "iah gnambiasa. Mekara aloako ame toera ambony, fa androany da hiray mihina amina anao. Apetrako handeha enao am'igne marandray, ary ho rohoniko aminao aby gnagnatine trokinao. 20 Laha gne mikasiky gnampondranao very efa telo andro dikatry, da kamagnah gn’am'iza, fa efa hita iza rahabe. Ary napetraky tamin’ia gne fanirian'Israely aby? Da tsy ho aminao sy ho am'igne fianankavian’iabanao aby se ?" 21 Namaly i Saoly ka nizaka hoe: "Tsy i Benjamita me iah, avy amin'gne foko kidikidy indrindran'Israely? Tsy gne fianakaviambeko ve gne farany indrindra ame fianakaviambe aby ao amin'gne fokon'gne Benjamina? Da akory evakoa gne raha nikoragnanao taminah?" 22 Ary noresin'i Samoela i Saoly sy gne mpanompo enazy, ka nindesiny tagnefitragno, ary napetrany tame fidoboa valohany ho an'izay vaasa indreo, tokony gnolo telopolo eo ho eo. 23 Hoy i Samoela tame mpahandro se: "Etoa gnanjara nomeko enao, gn’efa nokoragniko taminao hoe, 'Atokano ity.'" 24 Da nalaine mpahandro gne tsobe sy gne teo aminazy ary napetrakiny tagnoloan'i Saoly. Ary hoy i Samoela se: "Igny gn’efa vatoka da efa napetraky tagnoloanao. Hano io, satria vatoka ho anao mandra-peviane fotoa vatendry, tam’gne fotoa nokoragniko hoe, 'Efa nagnasa gn’olo iah.'" Da niray nihina tam’i Samoela i Saoly tam’io andro io. 25 Lefa tafidy avy tegny amin'gne toera ambony ho atanà indreo, da nikora tam’i Saoly tambony tafotragno i Samoela. 26 Ary vao magneno akoho, da nangaiky en'i Saoly tambony tafotragno i Samoela ka nizaka hoe: "Miaregna, ba hahafahako mandefa anao agny amin'gne lalanao." Da nahatsiaro i Saoly, ary samby nandeha nijotso tandala indreo am’i Samoela. 27 Ary lefa nandeha magnodidy gne tanà indreo, da hoy i Samoela tam’i Saoly se: "zakay gne mpanompo ba handeha aloatsika"—da nandeha taloha izy—"fa tsy mentsy mijery etoa tselatsela enao, ba hikoragnako aminao gn’hafatr'Andriamanitry."