Toko Faha 10

1 Da nangala gne tavoara misy gne diloilo i Samoela, nandraraky en’iza tambonine lohan'i Saoly, ary nagnorok’enazy. Hoy izy se: "Izy me ko Yaveh tsy efa nagnosotry enao ho mpanapaky gne lovany? 2 Lefa hiala enah anao androany, da hahita olo roy lah akekigne koborin-dRahely, ao am'igne faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hizaka aminao indreo hoe: 'gne boriky notadiavinao da efa hita. Amizao gne razambenao da nijano tsy niahiahy gname boriky ary da magnahy gne mikasiky enao, mizaka hoe: "Ino gne tokony hamboariko mikasiky gne zanako lelah?"' 3 Da handeha lavidavitra kokoa avy agny enao, ary ho avy eo amin'gne hazo terebintan'i Tabara. Hifakahazo am'igne lelah telo mandeha ho agny amin'Andriamanitry agne Betela enao, gne raiky mitondra zanak'osy telo, gne hafa mitondra mofo telo, ary gne hafa mitondra sinin-divay hoditry. 4 Hagnotsafy enao indreo ary hagnome mofo roy enao, halainao avy lata tagnandreo. 5 Avy eo, da hipody ho egny ame gn’havoan'Andriamanitry enao, ame misy gne miaramilan'gne Filistina. Lefa avy amin'iza tanà za enao, da hifanepaky amin'gne andana mpaminagny hidigny la tame toera ambony miaraky am'igne lokanga, amponga tapaky, asody, ary valiha eo agnalohandreo; haminagny indreo. 6 Gne Fagnahin'i Yaveh hilatsaky eo aminao, ary haminagny mindray amindreo enao, ka hiova endrik’olon-kafa. 7 Ary lefa avy aminao gne famantara, da amboaro gne hitanao fa mety, satria Andriamanitry momba anao. 8 Midìgna eo mialoha anah ho agny Gilgala. Da hidigny aminao agny iao hagnome fagnatitry oroa ary hagnano soro fanati-pihavana. Mandignasa fito andro mandra-pandihanako aminao agny ary hampibodagnako gne raha tokony hoamboarinao aminao." 9 Lefa nitodi-doha hiala an'i Samoela i Saoly, da nomen'Andriamanitry enazy abara gne fo vaovao. Da avy aby gne famantara tam’iza andro iza. 10 Lefa avy tambony tegny indreo, da nisy andana mpaminany nifakahazo taminazy, ary gne Fagnahin'Andriamanitry nidy taminazy ka naminagny nindray tamindreo. 11 Lefa nahita enazy nindray tame mpaminany gn’olo aby nahafatatry enazy taloha, da nifampizaka gn’olo hoe: "Ino gne nahazo gn’anaky lahin'i Kisy sa? Agnisane mpaminany koa sa oah i Saoly? 12 Nisy lelah nidoboky tam'io toera io namaly hoe: "Ba ia iabandreo sa?" Noho iza, da lasa zaka gne hoe: "Agnisane mpaminany evakoa ve i Saoly?" 13 Lefa nahavita gne faminania izy da nandeha tamigne fidoboa ambony. 14 Da hoy gne rahalahandrain'i Saoly taminazy sy gne mpanompo enazy se: "Taia gne nombanareo sa ?" Da namaly izy hoe: "Nitadia gne boriky. Lefa valaky iahay nitadia anazy, da nandeha tam’i Samoela tagny." 15 Hoy gne rahalahandrain'i Saoly se: "Ba rohono amina sa nda gne nozakain’i Samoela taminareo." 16 Da namaly gne lahalahin-drain’i Saoly hoe: "nizaka taminay mazava tsara izy fa efa hita gne boriky." Fa tsy nizaka taminazy gne mikasiky gne resaky fanjaka, izay efa norohonin’i Samoela izy. 17 Da nangian'i Samoela hindray tagnoloan'i Yaveh te Mizpa gne vahoky. 18 Hoy izy tame gn’olon'Israely se: "Izao gne raha norohonin’i Yaveh, Andriamanitry gne Israely: 'Namoky gne Israely hiala lahatagny Egypta iah ary nagnavotry anareo tame tanane Egyptiana, ary tame tanane fanjaka aby izay nampahory enareo.' 19 Fa amizao fotoa ikoragantsika zao da nandà gn’Andriamanitrindreo, gne nagnavotry endreo tame loza sy gne fahoria maro isakarazany; ary nizaka taminazy enareo hoe: 'Magnapetra mpanjaka aminay.' Amizao fotoa izao da ome agnatrahan’i Yaveh araky gne foko sy gne vondro misy enareo gne tegnanareo." 20 Da nagnakeky en'i Samoela gne fokon'Israely aby, ary gne fokon'i Benjamina gne vafidy. 21 Avy teo da nindesiny nagnakeky gne vondrondreo koa gne fokon'i Benjamina; ary gne fokone Matrita gne vafidy, ary i Saoly koraolahin'i Kisy da vafidy. Fa lefa niroso nitadia anazy indreo, da tsy nety hita izy. 22 Ary gn’olo da ta agnamafy fagnontania misimisy tame gn’Andriamanitry hoe: "Izy io me ko ambola misy lelah hafa ho avy ?" i Yaveh da namaly hoe: "Nagnafiny gn’ainy amin’io enta io izy." 23 Da nihazakazaky abara indreo ary nangala an'i Saoly avy tagnatiny tao. Lefa nitsanga tam'io olo izy, da lava mihotry gn’olo aby, mihotry gne sorokindreo aby gnalavany. 24 Da hoy i Samoela tame gn’olo se: "izy mesa k’efa hitanareo gne lelah efa vafidin'i Yaveh? Tsy misy olo mitovy aminazy tame vahoky aby!" Gn’olo aby da nireoreo hoe: "Ho ela velo gne mpanjaka!" 25 Da nizaka tame vahoky gne fomba sy gne fitsipiky gne fanjaka i Samoela, nanoratry indreo tagnaty boky, ary nagnapetraky en’iza tagnatrehan'i Yaveh. Avy teo da nalefan'i Samoela tandragnony aby gne vahoky tsikiraikiraiky. 26 Nody tandragnony tao Gibea evakoa i Saoly, ary nindray tame fanalelah sasany, izay nokasihine gn'Andriamanitry gne fony. 27 Fa gne sasany tame gnolo tsy misy dikany da magnano hoe: "Ame fomba akoingaia gn’hahafahan'io lelah io magnavotrenay?" Nagnoliholy en'i Saoly aby gn’olo ary tsy ba ninday fagnomeza ho anazy. Fa da nisy evao i Saoly. [ Fagnamariha: gne sasany ame dikan-teny tafara da magnampy gnandala magnaraky izao ame gn’andininy ty hoe: "Nahasy mpanjakan’gne Amonita da nampahory mafy gne Gadita sy gne Reobenita. Novoariny gne maso ankavanane gn’olo tsikiraikiraiky ary tsy nagnapetraky en'iza na iza hagnavotry en'Israely izy. Nagnera gne reniranon'i Jordana da tsy nisy Israelita tavela aby ka tsy novoarin'i Nahasy mpanjakan'gne Amonita gne masony ankavana. Fa olo fito arivo gne nilefa gn’Amonita ary lasa tagny Jabesy Gileada.'']