1 Avy teo i Nahasy Amonita da nandeha ary nipetraky tagny Jabesi-Gileada. Hoy gn’olon'i Jabesy aby tam’i Nahasy se: "Magnanova fagneke miray aminay, da hanompo enareo iahay." 2 Da namaly i Nahasy Amonita hoe: "Am'izao fepetry zao gn’hagnamboarako fifagneke aminareo, da gne hipotsirako gne maso ankavananareo aby, ary iza gne fomba hitondrana fahafaham-baraka eo ame gn’Israely aby.'' 3 Ary gne loholon'i Jabesy da namaly enazy hoe: "Apetray mangingy mandritry gne fito andro iahay, ba hahafahanay mandefa iraky megname fari-tanin'Israely aby. Ary, ndre da tsy misy ndre raiky gne hamonjy enay, da hitolo-bata aminareo iahay." 4 Da avy te Gibea, tame nipetrahan'i Saoly gniraky, ary nizaka gne zava-niboda tame vahoky. Da notagny dato gne vahoky aby taminio. 5 Ary nagnaraky gn’aomby avy latatonda i Saoly. Hoy i Saoly se: "Ino lotry saro gne raha mahazo gne vahoky mahavy endreo tomagny ty?" Da nokoragnindreo tam’i Saoly gne nokoragnie 'gne koraolah n'i Jabesy. 6 Lefa ren'i Saoly izay nozakaindreo, da nilatsaky tame gne Fagnan'Andriamanitry, ka vignitry be izy. 7 Nangala ziogan'aomby raiky izy, ka notatapahany, ary nalefany nagnera gn’Israely aby nindray tame gn’iraka za. Hoy izy se: "Gne tsy tapakevitry hagnaraky en'i Saoly sy Samoela, da akoiza gne hagnamboara gn’aombiny." Ary nilatsaky tame vahoky gne horohoron'i Yaveh, ary da niray nijotso dakoign’olo raiky tamindreo. 8 Lefa namory endreo tagny Bezeka izy, da ampy telo hetsy gne vahokine gn'Israely tamiza, ary gn’olon'igne Joda da telo aly evakoa. 9 Hoy indreo tame gn’iraky avy teo se: "Hizaka ame gn’olon'igne Jabesi-Gileada enareo hoe: 'Laha omaray, ame fotoa mahamay e masoandro igny, da ho vavonjy enareo."' A da nandeha gn’iraky ary nizaka tame gn’olon'i Jabesy, ary faly indreo. 10 Da hoy gn’olon'i Jabesy tam’i Nahasy se: "Hitolo-bata aminao iahay laha omaray, da afaky amboarinao aminay izay hitanao fa mety aminao." 11 Gne omaray n’io da napetrak'i Saoly tagnaty vondro telo gne vahoky. Da nandeha tagnelagnelane toby tamigne fembena marandray indreo, ary nandeha nanafiky indreo ka naharesy gne Amonita mandra-pahamay gn’andro. Gn’ambola velo tamiza da naely, ba tsy hapisy gne roy hindray tavela. 12 Da hoy gne vahoky tam’i Samoela se: "Ia gne nizaka hoe: 'Hanjaka eto amintsika mesa i Saoly?' indeso iza olo za, ba hahafahantsika mamono endreo." 13 Fa hoy i Saoly se: "Tsy tsara koa gne hisy maty ndre raiky am'ity andro ty, satria nagnavotry en'Israely Yaveh tandroany.'' 14 Avy eo da hoy i Samoela tame vahoky se: "Alaska isika, andeha e Gilgala ary hagnavao gne fanjaka agny indraiky." 15 Da nandeha tagny Gilgala gne vahoky aby ary nagnano en'i Saoly ho mpanjaka tagnatrehan'i Yaveh tagny Gilgala.Tagny e nagnamboarandreo soro fagnatitry gne fihavana tagnatrehan'i Yaveh, ary i Saoly sy gne lelah n'Israely da feno hafalia dato.