1 Hoy i Samoela tame gn’Israely aby se: "Efa niteno gne raha norohoninareo tamina aby ia, ary efa nanendry mpanjaka taminareo. 2 Amizao fotoa zao, da igny hitane masosonareo igny gne mpanjaka; ary efa atitry sy fotsy volo iah; ary, gne zanako da eo aminareo. Efa nandeha tagnatrehanareo hatrame fahatanorako ia katrame zao. 3 Itiky iah; mijoroa vavavelo hanohitry ena agnatrehan'i Yaveh sy eo agnatrehane vahosotriny. Aombin'ia gn’efa nalaiko? Ampondran'ia gn’efa nalaiko? Ia gn’efa nambakaiko? Ia gn’efa nampijaliko? Avy tame tanan'ia gn’efa nandresako kolikoly ba hahatampy gne masoko? Mijoroa vavavelo hanohitry ena, fa haveriko aminareo iza." 4 Hoy indreo se: "Tsy namitakenay enao, tsy nampijaly enay, na nangala n’ino n’ino avy tatanan'olo." 5 Da hoy izy tamindreo se: "Yaveh gne vavavelo aminareo, ary gne vahosotriny gne vavavelo tandroany, fa tsy nahita n’ino n’ino teo ame tagnako enareo." Da namaly Indreo hoe: "Yaveh gne vavavelo." 6 Hoy i Samoela tame vahoky se: "Yaveh gne nanendry en'i Mosesy sy Arona, ary ninday gne razambenareo niakatry avy tame tany Egypta. 7 Da amizao, ome enareo, ba hahafahako mifandahatry aminareo eo agnatrehan'i Yaveh mahakasiky gn’asa marin'i Yaveh, naniny ho anareo sy gne razambenareo. 8 Lefa avy tagny Egypta i Jakoba, ary nitoreo tam’i Yaveh gne razambenareo, da nandefa en'i Mosesy sy i Arona i Yaveh, gne nitariky gne razambenareo handeha tagny Egypta ary nipetraky tam’iza toera za indreo. 9 Kanefa lasa adignondreo i Yaveh Andriamanitriny; ka nivarotry endreo tatanan'i Sisera, mpitariky gne tafik'i Hazora izy, tatanane Filistina, ary tatanane mpanjakan'i Moaba; izy aby za gne niady tame razambenareo. 10 Nitaray tam’i Yaveh indreo ary nagnano hoe: 'Efa nanota iahay, satria nahafoy en'i Yaveh ary efa nanompo gne Bala sy gne Astarta. Fa amizao fotoa zao da magnafaha anay atanane fahavalonay, da hanompo anao iahay.' 11 Noho iza da nagniraky en'i Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela i Yaveh, ary nagnome fandrese enareo tame fahavalonareo magnodidy enareo aby, ka nahafahanareo niaigny am-pilamina. 12 Lefa hitanareo fa avy hanohitry enareo i Nahasa mpanjakane vahokin'i Amona, da hoy enareo taminah se: 'Aeky ! Ba gne mpanjaka gne hanjaka etoa aminay'—kanefa i Yaveh gn’Andriamanitrinareo, gne mpanjakanareo. 13 Eka da igny mpanjaka nosafidinareo, gne nangatahinareo, ary gne notendren'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo amizao. 14 Laha matahotry en'i Yaveh enareo, da manompoa Enazy, ekeo e raha rohoniny, ary ka mikomy gne hanohitry gne didin'i Yaveh, ary samy ho mpagnaraky en'i Yaveh Andriamanitrindreo enareo sy gne mpanjaka manjaka eo aminareo. 15 Fa laha tsy magneky gne raha rohonin’i Yaveh enareo, fa mikomy manohitry gne didin'i Yaveh, da hamango enareo gne tagnan'i Yaveh, akoigne namangoa gne razambenareo. 16 Ba mitsangàna amizay sa ary hiteo gne raha zakabe hoamboariny hitantsika agnaby io. 17 Izy me ko tsy efa fotoam-pilambary tritrika me izao? Hangaiky en'i Yaveh iah, ba handefasany gnerikandrom-baratry. Da ho fantatrareo sy ho hitanareo fa be gn’haratsiam-panahanareo, izay namboarinareo tamason'i Yaveh, tame gnalalane fangatahanareo mpanjaka." 18 A da nangaiky en'i Yaveh i Samoela; ary teo no eo da nijijiky iza rekandrom-baratry za nalefan’i Yaveh. Ary da natahotry mafy en'i Yaveh sy i Samoela gne vahoky aby. 19 Da hoy gne vahoky aby tam’i Samoela se: "Mivavaha ho ane mpanomponao am'i Yaveh Andriamanitry, ba tsy ho faty iahay. Satria efa nagnampy gne fahotanay aby tame zava-dratsy tame gnalalane fangataha mpanjaka iahay." 20 Da namely i Samoela hoe: "ka matahatry. Efa nagnano gne ratsy aby aza enareo, kanefa ka miala am'i Yaveh, fa ba maheza manompo en'i Yaveh ame fonareo tsara. 21 Ka miotaky magnaraky gne raha tsy misy dikany, tsy mahasoa na mahavonjy enareo, satria da tsy misy ilà eniza aby. 22 Fa nohone gnagnarany zakabe, da tsy handà gn’olony i Yaveh, satria mahafaly en'i Yaveh gne hagnano enareo ho vahokiny magneky Enazy. 23 Laha gn’aminah, da tandremako mafy akoigne anakandriamaso gne hanota am'i Yaveh ame fijanogne gne hivavaky ho anareo. Aleoko gne hampianatr’enareo gne lala tsara sy marigny. 24 Yaveh evao gn’hatahoro ary manompoa Anazy ame fahamarigna ame fonareo aby. Diniho gne raha zakabe efa vitany taminareo. 25 Fa laha mikasa gne hagnano ratsy enareo, da samby ho ripaky aby enareo sy gne mpanjakanareo."