1 Lefa ranga i Samoela, da namboariny ho mpitsara teo amin'gn’Israely gne zanany lelah. 2 Joela gnagnarane zanany valoany, ary i Abia gnagnarane zanany lelah faharoy. Mpitsara te Beri-sheba indreo. 3 Tsy nagnoriky gne lalanombany gne zanany lelah, fa nitadia fiharia tsy marigny. Nandray paidamosy indreo ary namadiky gne rariny. 4 Da nindray nivory gne loholone gn’Israely aby ary avy tam'i Samoela te Rama. 5 Hoy indreo taminazy se: "Eka, da ranga enao, ary tsy magnoriky gne dianao gne zanakao. Manindrea mpanjaka ho anay ba hitsara anay akoigne firene agy ro." 6 Nefa da tsy lanine vavonin’i Samoela iza laha nizaka indreo hoe: "Omeo mpanjaka izahay ba hitsara anay." Ka nivavaka tam’i Yaveh i Samoela. 7 Hoy Yaveh tam’i Samoela se: "ekeo gnetahetane vahoky ame raha rohonindreo aminao aby; fa ts’enao gne tsy notenomindreo roho, fa iah gne tsy notenomindreo roho tsy ho mpanjakandreo. 8 Amizao fotoa zao indreo da magnano akoigne namboariny hatrame gn’andro nindesako endreo nijotso lahatagny Egypta, nahafoy ena, ary nanompo gn’andriamanitry hafa, ary da akoiza evakoa gnamboarindreo aminao. 9 Amizao fotoa zao de tenomo tsara indreo; nefa da ampitandremo mafy ka ampahafantaro gne fomba hanapahan'igne mpanjaka eo amin'indreo." 10 Da ambola notadidizin'i Samoela tame vahoky nangataky mpanjaka evakoa gne zakan’i Yaveh tsy nisy latsaky. 11 Hoy izy se: "akoizao gne ho fombafombane mpanjaka hanjaka eo aminareo. Hanaga gne korao lah izy ka hanendry endreo ho an'igne kalesiny sy ho lasa mpipitiky gne soavaliny, ary da hiazakazaky agnolohane kalesiny. 12 Hanendry kapizakane miaramila an'arivony, ary kapizakane miaramila dimampolo ho anazy izy. Hampesainy gne taniny gne sasany, mijinja gne vokatriny gne sasany, ary hagnano gne fitaovam-pediany sy gne fitaova ho an'igne kalesiny gne sasany. 13 Gne zazaviavy nareo koa da hany mpangaroharo zava-magnitry, mpahandro, ary mpagnano mofo. 14 Ho alainy e tena tsara ame taninareo, ame tanim-boalobokareo, ary ame tanin'olivanareo, ka homeny gne mpanompo enazy. 15 Ho alainy gn’ampahafolone varinareo sy gne niakatry avy ame tanim-boalobokareo ka homeny gne manam-pahefa sy gne mpanompo enazy. 16 Ho alainy aby gne mpanompo enareo na lelah na viavy ary e tena tsara ame zatovolahinareo sy gne borikinareo; hampesainy aminazy izy aby. 17 Ho alainy gn’ampahafolone gn’ondry aman'osinareo, ka ho lasa andevony enareo. 18 Am'iza andro iza da hitoreo nohone mpanjakanareo izay nofidinareo ho ane tegnanareo enareo; kanefa da tsy hiteno enareo i Yaveh am'iza andro iza." 19 Kanefa nandà gne hiteno en'i Samoela gne vahoky; hoy indreo se: ''Tsia! Tokony hisy mpanjaka aminay etoa 20 ba hitovisanay ame tanin’olo sasany ambadiky agny, ary ba hitsarane mpanjakanay enay sy hibodagnany agnoloanay ka hiady gne raha manahira anay." 21 Lefa ren'i Samoela gne zakane vahoky aby da napodiny tame sofin'i Yaveh iza. 22 Hoy i Yaveh tam’i Samoela se: "Ekeo agny ro gnetahetandreo ary anio gnampisy mpanjaka raiky amindreo." Da hoy Samoela tame vahokin'Israely se: "Tsy mentsy mipody ame tana nevisany aby gne vatandelah tsikiraikiraiky."