Toko Faha 7

1 Avy gne olone Kiriata Jearima, nangala gne fiaran’i Yaveh, ary ninday eniza tandragnon’i Abinadaba tagny amin'gne vohotry. Nanoka en'i Eleazara zanakiny lelah indreo ba hitandry gne fiaran’i Yaveh. 2 Nanomboky tame gnandro voalohany nipetrahane fiara tao Kiriata Jearima, da tao maro gne lasa, roapolo tao. Gne ankohonan'Israely aby da nalahelo an'i Yaveh ka nagniry hipody am'i Yaveh. 3 Hoy i Samoela tame gn’ankohonan'Israely aby se: "Laha mipody am'i Yaveh amin'gne fonareo aby enareo, da alay eo aminareo gn’andriamaninkafa sy gne Astarta, atodiho am'i Yaveh gne fonareo, ary Izy raiky evao gne tompoy, da hamonjy enareo eo atanane Filistina izy." 4 Da nangala gne Bala sy gne Astarta gne vahokine gn’Israely, ary nanompo en'i Yaveh raiky evao. 5 Ary hoy Samoela se: "indeso ho agny Mizpa gne Israely aby, da hivavaky am'i Yaveh ho anareo iah." 6 Niangona tao Mizpa indreo, ary nangala rano ka nandraraky eniza tagnatrehan'i Yaveh. Nifady hany indreo tam’iza andro iza ka magnano hoe: "Efa nanota tam’i Yaveh itsika." Tagny gne nanapahan'i Samoela hevitry hitsara gne tsy fifakahazoane vahokine gn’Israely sy nindesany enazy. 7 Ary lefa rene Filistina fa niangona tao Mizpa gne vahokine gn'Israely, da nanafiky gne Israely gne mpanapaky gne Filistina. Laha nahare iza gne vahokine gn'Israely, da natahatry gne Filistina indreo. 8 Ary hoy gne vahokine gn'Israely tam’i Samoela se: "Ka mijano e mangaiky en'i Yaveh Andriamanintsika ho atsika, fa hagnavotry etsika eo atanane Filistina Izy." 9 Da nangala zanak'ondry ambola minono i Samoela ary nagnome eniza aby ba ho fagnatitry oroa ho an'i Yaveh. Ary nangaiky mafy en'i Yaveh ho agny Israely i Samoela, ka namaly enazy Yaveh. 10 Ary laha ambola nagnatitry gne fagnatitry oroa i Samoela, da nagnato hanafiky gne Israely gne Filistina. Fa Yaveh nampivaratry gnandro tame gnalalane feo mafy tam’iza andro iza hanohitry gne Filistina ka nampikorota endreo, ary resy tagnatrehane gn’Israely indreo. 11 Ary gne lelahine gne’Israely niala avy tagne Mizpa, da nagnenjika gne Filistina ka namono endreo mandra-pahahaviny teo abanin'i Betikara. 12 Avy teo da nangala vato i Samoela ary nagnapetraky eniza teo agnelagnelan'i Mizpa sy Sena. Naniny hoe Ebenezera gne agnaran'iza, magnano hoe: "Hatram'izao gne namonjen'i Yaveh etsika." 13 Da resy gne Filistina ka tsy niditra teo amin'gne fari-tanine gn’Israely. Gne tanan'i Yaveh nanohitry gne Filistina tame gn’andron'i Samoela aby. 14 Gne tanà nalaine gne Filistina tame gn’Israely da tafaverigny tame gn’Israely, manomboky Ekrona ka hatre Gata; nipody tame gn’Israely koa gne faritaniny tagny amin'gne Filistina. Da nisy fihavana tamin'gn’Israely sy gn’Amorita. 15 Nitsara gne Israely nandritry gne fahavelomany i Samoela. 16 Isan-tao da nandeha nivezivezy tagny Betela, Gilgala, ary Mizpa izy. Nanapa-kevitry tame gn’ady hoagn'Israely tame toera agnaby izy. 17 Ary nipody te Rama indraiky izy. satria tagny gne tragnony; ary tagny evakoa gne nahatapakevitry enazy tame gn’ady hoane gn'Israely. Nagnory alitara ho an'i Yaveh tagny evakoa izy.