1 Ary gne fiaran’i Yaveh da tao am'igne tanàne Filistina nandritry gne fito vola. 2 Avy eo gne vahoky Filistina nangaiky gne mpisoro sy gn’ambiasa; hoy izy tamindreo se: "Ino gne tokony hamboarinay am'igne fiaran’i Yaveh?" Rohono aminay gne fomba hameregnanay eniza agny am'igne firenen'iza raiky evao." 3 Hoy gne mpisoro sy gn’ambiasa se: "Laha amerigny gne fiarane gn’Andriamanitr'Israely enareo, da kavery laha tsy mindray am'igne fagnomeza iza; andefaso fagnatitry nohone gn’heloky am'igne fomba aby Izy. Da ho tsara enareo, ary ho fantatrareo gne antony tsy nagnala gne tana taminareo hatramizao." 4 Da hoy indreo se: "Mety ho ino mesa gne fagnatitry mifandrify am’ign’heloky ho averinay aminazy?" Da hoy indreo se: "Fivontosa volamena dimy sy totozy volamena dimy, gne dimy da isa mitovy am'igne isane mpanapaky gne Filistina. Fa mitovy gne loza mahazo gne mampahory enareo sy gne mpanapaky. 5 Noho iza da tsy maintsy magnano sarine fivontosanareo enareo, ary sarine totozinareo izay mandripaky gne tany, ary magnome voninahatry gn’Andriamanitr'Israely. Angamba mety hangala gne tanany aminareo Izy, amign’Andriamanitry, ary am'igne taninareo. 6 Nahoa gne tokony hagnamafy gne fonareo enareo, akoigne nagnamafisane gn’Egyptiana sy Farao gne fondreo? Iza da tame namangoane gn’Andriamanitr'Israely mafy endreo; izy io teo me ko tsy nalefane gn’Egyptiana gne vahoky, ary lasa indreo? 7 Amizao fotoa zao da magnomà sarety vaovao miaraky amin'gn’aomby vavy mampinono roa izay ambola tsy ninday enta ndre indraiky. Fihezo ame sarety gn’aomby, nefa indeso gne zanak'aomby, hiala andreo. 8 Avy eo da reso gne fiaran’i Yaveh ary ampidiro agnatine sarety iza. Apetraho anatine vata eo agnilan'iza gne sarin-javatra volamena izay averinareo aminazy ba ho fagnatitry nohone gn’heloky. Da alefaso iza ary avelao handeha amin'gne lalany. 9 Avy eo da hiteo; laha miakatry agny amin'gne lala miroso megname rotaniny manoka agny Betisemesy iza, da i Yaveh gne magnano eniza loza be iza. Fa laha tsy iza, da ho fantatritsika fa tsy gne tanany gne nampahory etsika; kanefa, ho fantatritsika fa tajoa niboda tamintsika iza." 10 Gne lelah da magnano akoigne norohony tamindreo; nangala aomby vavy mampinono roa indreo, nifehy eniza aomby za tamin'gne sarety, ary ninday gnanak'aomby tandragno. 11 Napetrakindreo tame sarety gne fiaran’i Yaveh, niaraky tame vata misy gne totozy volamena sy gne sarine fivontosandreo. 12 Nandeha nahitsy tame lala megne Betisemesy gn’aomby vavy. Nandeha tame lalam-be raiky iza, nitre tandala, ary tsy niolakolaky na takavana na takavia. Nagnaraky endreo tagny ame sisin'i Betisemesy gne mpanapaky Filistina. 13 Ary nila gne varindreo tandohasaha gne vahokin'i Betisemesy. Lefa nampiakatry gne masony indreo ka nahita gne fiara, da niravoravo. 14 Avy tagny ame sahan'i Josoa avy agny amin'gne tanàn'i Betisemesy gne sarety ary nijano tao. Nisy vato zakabe teo, ka namaky gne hazo tam’igne sarety indreo, ary nanolotry gn’aomby vavy ba ho fagnatitry oroa ho an'i Yaveh. 15 Nampidignine Levita gne fiaran’i Yaveh sy gne vata nindray tam’iza, gne nisy gne sary volamena, ary gne nampidoboa anazy tame vato be. Nagnome fagnatitry oroa sy magnano soro ho an'i Yaveh tamio andro io evao gne mponin'i Betisemesy. 16 Lefa hitane mpanapaky dimine Filistina iza, da nipody tagny Ekrona gne andron'io evao indreo. 17 Itoa aby gne fivontosa volamena izay naverine Filistina ho fagnatitry nohone gne heloky ho an'i Yaveh: raiky ho an'i Asdoda, raiky ho an'i Gaza, raiky ho an'i Askelona, raiky ho an'i Gata, ary raiky ho an'i Ekrona. 18 Gne totozy volamena da nitovy isa tame gn’isane tanàne Filistina aby ba hoane mpanapaky dimy, da gne tanà mimanda sy gne vohotry hepakepaky gne tanà. Gne vato be, tagnilane nagnapetrahandreo gne fiaran’i Yaveh, da mijoro ho vavavelo raiky ao amin'gne sahan'i Josoa gne Betisemesita mandrak'androany. 19 Namango gne sasany tam’igne mponin'i Betisemesy i Yaveh satria nagnety tagnatine fiaran’i Yaveh indreo. Namono lelah 50.070 Izy. Nisaona gne vahoky, satria namango mafy gne vahoky i Yaveh. [Fagnamariha: laha tokony hoe "lehilahy 50.070," da gne fandika sasany taty afara sy gne dikane zaka amin'izao fotoa da magnano hoe "lelah fito-polo."] 20 Hoy gne mponin'i Betisemesy hoe: "Ia gn’afaky hijoro magnoloa en'i Yaveh, ity gn’Andriamanitry masina ity? Ho amin'ia gne iakarane fiara avy lataty amintsika?" 21 Nagniraky mpitondra hafatry tamin'gne mponin'i Kiriata-Jearima indreo, magnano hoe: "Nindesine Filistina nipody gne fiaran’i Yaveh; midìgna ary indeso mivery mindray aminareo iza."