Toko Faha 5

1 Ary lasane Filistina gne fiarane gn’Andriamanitry, ka nindesindreo avy tagny Ebenezera ho agne Asdoda iza. 2 Nalaine filistina gne fiarane gn’Andriamanitry, nindesindreo tandragnon'i Dagona iza, ary da napetrakindreo tagnilan'i Dagona. 3 Lefa nahatsiaro narandray gne vahokin'i Asdoda gne homarain’io andro io,da teo, gne nahalavo nitsopotitry tame tany tagnatrehan'igne fiaran’i Yaveh gne laharan’i Dagona.Koa da nalaindreo i Dagona ary nampekarindreo tame toera indraiky. 4 Fa lefa nahatsiaro narandray indreo gne homarain’io anadro io, da teo, gne nahalavo nitsopotitry tame tany tagnatrehan'igne fiaran’i Yaveh gne laharan’i Dagona. Gne lohan'i Dagona sy gne tanagne roa da tapaka teo amin'gne varangara. Gne vatan'i Dagona evao gne sisa tafadoboky. 5 Noho iza, gnantony tsy hahasahiane Mpisoron'i Dagona sy gn’olo miditry andragnon’i Dagona gne varavaran'i Dagona ao Asdoda, na mandrak'izao aza iza. 6 Gne tanan'i Yaveh da navesatry tam'igne vahokin'i Asdoda. Naringany sy tampijaliny tame gnalalane gnavongavo indreo, i Asdoda sy gne faritriny. 7 Lefa tsapane gn’olon'i Asdoda gne zava-nisy, da hoy indreo se: "Ao lahateo tsy hijery aminay etoa gne fiarane gn’Andriamanitr'Israely, satria gne tanandreo da manohitry mafy enay sy i Dagona Andriamanitry." 8 Koa da nampangaiky indreo ary namory gne mpanapaky gne Filisitina aby; hoy indreo taminazy se: "Ino gne tokony hamboarinay am'igne fiarane gn’ Andriamanitr'Israely?" Namaly indreo hoe: "Ao ba ho indesy hihodikodiky en'i Gata gne fiarane gn’Andriamanitr'Israely." Da nindesindreo tagny gne fiarane gn’Andriamanitr'Israely. 9 Fa lefa avy nindesindreo nihodikodiky iza, da tsy nagneky gne tanà gne tanan'i Yaveh, ka nahavy fikorotagna zakabe. Nampahory gn’olone tanà Izy, na kidikidy na olombe; ka avy tamindreo gne fivontosa. 10 Noho iza da nalefandreo tagny Ekrona gne fiarane gn’Andriamanitry. Fa vantany vao avy lahatagny Ekrona gne fiarane gn’Andriamanitry, da nireoreo mafy gne Ekronita, magnano hoe: "Ninday gne fiarane gn’ Andriamanitr'Israely ho etsika ba hamonoa etsika sy gn’olontsika indreo." 11 Ka nampangaiky indreo ary namory gne mpanapaky gne Filistina aby; hoy izy tamindreo se: "Hampodio gne fiarane gn’Andriamanitr'Israely, ary averegno amigne toerany evao, ba tsy hahafatin'iza etsika sy gn’olontsika." Fa nisy fisavorovoroa be nagnera gne tanà; tena navesatry teo gne tagnan'Andriamanitry. 12 Gn’olo tsy maty da nampahory tam’igne fivontosa, ary gne fitaraignane tanà da niakatry nameno gne lagnitry.